Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo

Nampiditra : admin
Daty : 17/10/2015

Alahady 18 oktobra 2015

Alahady Faha – 29 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

 

« Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro » (Mk. 10, 45)


 

Ny fahaizana manetry tena sy manompo ny hafa no hevi-dehibe ambaran’i Jesoa amin’ny fampianarana nomeny ny mpianatra araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 29 tsotra Mandavan-taona izao. Raha tsiahivina ny namaranany ny fampianarana nataony araka ny nambaran’ny Evanjely izay nodinihintsika tamin’ny Alahady heriny dia niteny tamin’i Piera izy nanao hoe : « lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy » (Mk. 10: 29 – 30). Tsy i Piera ihany no nanaovan’i Jesoa izany fampianarana izany fa ny mpianatra rehetra ary fantatr’izy ireo tsara fa mila fandavan-tena sy faharetana ny famaliana ny antson’Andriamanitra mba hahafoy ny zavatra rehetra ka hanara-dia an’i Jesoa na aiza na aiza alehany.

Vakiteny I : Iz. 53: 10 – 11

Tononkira : Sal. 33: 4 – 5, 18 – 19, 20, 22

Vakiteny II : Heb. 4: 14 – 16

Evanjely : Mk. 10: 35 – 45

Indraindray anefa dia mampieritreritra ihany ny fihetsik’ireto mpianatra ireto manoloana ny fampianarana omen’i Jesoa azy ireo. Averimberin’i Jesoa amin’izy ireo, ary efa niarahantsika nandinika teto nandritra ny Alahady maromaro izay fa raha tsy mietry tena ka tonga tahaka ny zazakely ianareo hoy izy dia tsy hiditra any amin’ny fiainana  mandrakizay. Raha ny tokony ho izy izany dia efa mazava tanteraka amin’ny mpianatra rehetra io fampianarana omen’i Jesoa io ka tsy misy tokony hisalasala intsony fa tena hanara-dia azy tanteraka ao anatin’ny fahatsorana sy fanetren-tena ary fanompoana ny hafa. Tsy izany anefa ny zava-misy fa ny mifanohitra amin’izany aza satria raha nampianatra azy ireo ny tsy maintsy ananana fanetren-tena i Jesoa, dia ny ho voalohany sy ny ho lehibe indrindra no nifandiran’izy ireo ka raha sendra nisy nahasahy niteny fa haka ny toerana voalohany eo ankavanana na eo ankavian’i Jesoa dia tezitra ny mpianatra hafa satria samy mieritreritra ny hahazo izany toerana eo anilan’i Jesoa izany izy rehetra.

Ity Evajely aroson’ny Fiangoanan ho antsika androany ity no milaza amintsika ny zava-niseho mahakasika izany fitadiavana toerana eo ankavanana sy ankavian’i Jesoa izany satria « tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao”. Ary hoy Izy: “Inona no tianareo hataoko aminareo?” Dia hoy ireo: “Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao”. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?” Hoy ireo taminy hoe: “Zakanay”. Fa hoy kosa i Jesoa: “Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany”. Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany » (Mk. 10: 35 – 41).

Raha ny fifandraisan’i Jesoa sy ny mpianatra no jerena dia anisan’ny olona akaiky azy tokoa raha i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede. Anisan’ny mpianatra natsoin’i Jesoa voalohany izy ireo ary matetika dia entin’i Jesoa miaraka aminy rehefa hanao zava-dehibe izy. Mety izany angamba no tsy nisalasalan’izy ireo nangataka ny hipetraka eo ankavanan’i Jesoa sy eo ankaviany rehefa tonga any amin’ny voninahiny izy. Tena hita miharihary fa fitadiavan-toeram-boninahitra no nameno ny fisainan’izy mirahalahy ireto ary nihevitra izy ireo fa ny fiarahana akaiky amin’i Jesoa no fomba tsotra indrindra hahafahana manatanteraka izany fanirian’izy ireo izany. Tena tamin’ny fomba mahitsy sy mivantana no nanaovan’izy mirahalahy ireto ny fangatahana nataon’izy ireo tamin’i Jesoa ka samy nahalala izany daholo ny mpianatra folo lahy sisa. Izany no nahatonga ireo mpianatra sisa ireo ho tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany. Mazava ho azy fa ny anton’izany dia satria samy nanam-paniriana ny hahazo toeram-boninahitra eo anilan’i Jesoa daholo ireo mpianatra ireo.

Manoloana izany dia nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany mazava tsara hoe : « Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany ; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro » (Mk. 10: 42 – 45). Tena tsy sasatra tokoa i Jesoa eto ny mamerimberina amin’ireto mpianatra ireto ny maha zava-dehibe ny fananana fanetren-tena. Efa niteny tamin’izy ireo mazava tsara izy nanao hoe : « raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy » (Mk. 8: 34 – 35). Mbola nohamafisiny izany tamin’i filazany fa « izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra » (Mk. 9: 34). Tsy mbola latsa-paka ao ampon’ireto mpianatra ireto anefa izany fampianarana izany ka araka ny voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity dia voatery namerina tamin’izy ireo indray i Jesoa nanao hoe : « izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra » (Mk. 10: 44).

Mazava ny fampianarana omen’i Jesoa antsika androany, koa tsy misalasala izy miantso antsika mba hanana fanetren-tena sy hahay hanompo ny namana. Ny famaliana ny antson’Andriamanitra hanara-dia an’i Jesoa dia tsy fitadiavana toeram-boninahitra fa fanompoana satria izy no efa nanome izany ohatra izany tamin’ny nilazany fa « ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro ». Raha tena manara-dia an’i Jesoa marina tokoa ary isika dia tsy maintsy manatanteraka ny fampianarany sy manaraka ihany koa ny ohatra omeny. Noho izany, amin’izay ataontsika rehetra dia tsy maintsy miezaka isika mba hahay hanompo sy hahafoy ny tenan-tsika ho fanasoavana ny maro fa tsy ho voninahitra ho an’ny tenantsika samy irery. Iarahantsika mahalala fa anisan’ny tena fototry ny korontana eo amin’ny fiaraha-monina eny fa hatrany am-piangonana aza ny fiadian-toerana sy fitadiavam-boninahitra. Mifanohitra tanteraka amin’ny fiainana atoron’i Jesoa anefa izany, koa amin’izao Alahady Faha – 29 tsotra Mandavan-taona izao dia miara-mivavaka isika mba tena hanara-dia an’i Jesoa marina tokoa ka hanetry tena sy hanompo ny namana ary hahafoy tena amin’izay rehetra ataontsika.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0498 s.] - Hanohana anay