Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika

Alahady 27 Septambra 2015

Alahady Faha – 26 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

« Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika » (Mk. 9: 39)

Nambaran’i Jesoa tamin’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny fa « na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy » (Mk. 9: 36). Mahakasika ny fanetre-tena moa no antony nandraisan’i Jesoa ilay zazakely anankiray ka nanaovany fanoharana tamin’ny mpianatra noho izy ireo niady hevitra teny an-dalana ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra. Mazava anefa ny fampianaran’i Jesoa satria raha tsy tonga tahaka ny zazakely ianareo hoy izy dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra araka ny voalazany manao hoe : « lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any » (Mk. 10: 15). Mbola mitohy amin’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androny ny fampianaran’i Jesoa mahakasika ny fiandaniany amin’ny madinika ka nilazany hoe : « ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy » (Mk. 9: 41).

Vakiteny I : Fan. 11: 25 – 29

Tononkira : Sal. 19: 8, 10, 12 – 13, 14

Vakiteny II : Jak. 5: 1 – 6

Evanjely : Mk. 9: 38 – 43, 45, 47 – 48

Ny toetra tsotra sy mahitsy ary tsy miolakolaka tahaka ny an’ny zazakely no tian’i Jesoa hanan’ireo manara-dia azy ka anasany antsika vita Batemy rehetra mba tsy hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Azy ireny. Mazava ho azy fa isika mpino rehetra no tiany hambara fa madinika mino azy ka asainy tsy hifanafintohina amin’ny alalan’ny fifankahalana sy fifanavakavahana ary fifampiandaniana fa asainy kosa hifankatia sy hifanaja. Marina fa mety misy ny tsy fitovian-kevitra sy fahasamihafana saingy finoana iray ihany no noraisintsika tamin’ny alalan’ny Batemy ka tsy maintsy mifanampy sy mifanasoa isika satria samy mandray fampianarana iray avy aminy ary samy momba azy daholo fa tsy misy manohitra azy tsy akory araka ny voalazany amin’ity Evenajely androany ity manao hoe : « izay tsy manohitra antsika dia momba antsika » (Mk. 9: 39).

Ny antony tena nilazan’i Jesoa izany moa dia noho ny filazan’i Joany fa nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaran’i Jesoa izy ka norarany. « Tamin’izany andro izany, namaly ny tenin’i Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe : “Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay ; nefa tsy namantsika ka noraranay”. Fa hoy i Jesoa : “Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy » (Mk. 9: 39 – 40). Raha dinihina lalina ity Evanjely ity dia mazava fa tsy i Joany irery no nahita ilay olona nadroaka demony tamin’ny anaran’i Jesoa fa ny mpianatra rehetra. Porofon’izany ny filazany manao hoe : « nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay » fa tsy hoe « izaho ». Mazava ho azy fa tsy ho an’i Joany irery no nanaovan’i Jesoa ny fampianarany fa ho an’ny mpianatra rehetra ary ho antsika vita Batemy rehetra mino azy ihany koa.

Araka izany dia mampianatra antsika tsy hifanilikilika izy fa kosa hahay hifandray sy hifanampy amin’izay rehetra atao. Izay fifanampiana izay anefa dia nambarany mazava tsara fa tsy maintsy amin’ny zavatra tsara fa tsy hoe hifanampy sy hifampitarika amin’ny ratsy. Raha misy izay fifampitarihana amin’ny ratsy izay dia tsy maintsy tapahina avy hatrany araka ny fanoharana omen’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity manao hoe : « Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao ; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina. Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo » (Mk. 9: 42 – 48).

Ny naman-dratsy no oharin’i Jesoa amin’ny tanana sy tongotra ary maso manafintohina ka tsy maintsy tapahina sy esorina. Noho izany dia tsy tokony hisalasala isika hanapaka ny fifandraisantsika amin’irey naman-dratsy ireny raha tiantsika ny ho voavonjy ka tsy ho very any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina. Mety maro ny fomba isehoan’izany fa anjaran’ny tsirairay no mandanjalanja ny amin’izay fihetsiky ny namana sy ny mpiara-monina raha tena manafintohina tokoa izy ireny amin’ny fomba fiteny na amin’ny fomba fihetsika na amin’izay atao mihitsy aza. Izao anefa, mila mandini-tena ihany koa isika sao dia avy amintsika ihany no ihavian’ny fanafintohinana, na isika mihitsy no mora tafintohina amin’ny zavatra tsy tokony hahatafintohina. Zava-misy ary tsy azo lavina fa tena fahita tokoa fa maro ireo mitsaratsara foana ny hafa fa tsy mandinika akory amin’izay fihetsika atao sy teny avoaka ka lasa manafintohina ny hafa. Tena mora tokoa ny mijery ny tsy mety ataon’ny hafa fa sarotra dia sarotra ny mandini-tena ka mijery raha avy amin’ny tena ihany no ipoiran’ny fanafintohinana.

Tena fampianarana lehibe tokoa ity omen’i Jesoa antsika androany ity koa misaotra azy isika mampahatsiahy fa raha misy ireo mitarika antsika amin’ny hevi-diso sy amin’ny lalana tsy izy dia tsy maintsy tapahina sy ialana. Noho izany dia manasa antsika izy mba hahay handanjalanja tsara amin’ny fifandraisana misy eo amintsika samy isika. Manasa antsika hifampitarika amin’ny zavatra tsara ihany koa izy ary mampitandrina antsika mba tsy hanafintohina ny hafa satria araka ny voalazany dia loza ho an’izay ihavian’ny fanafintohinana fa na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Azy ireny, araka ny ambarany amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika andraony ity, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Enga anie ny Fanahy Masina no hitari-dalana antsika mba tena hahay hifanampy sy hifanasoa marina tokoa isika fa tsy sanatria hifanafintohina. Amin’izay dia ho afaka hizotra marina amin’ny lalan’ny Tompo isika ary handray amin-kafaliana ny teniny araka ny voalazan’ny Salamo izay vakiantsika androany manao hoe : « Ny lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy; ny didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra. Ny tenin’ny Tompo madio, maharitra mandrakizay ; ny fitsaràn’ny Tompo koa marina, samy rariny avokoa » (Sal. 19: 8, 10).




 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01