Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana

Alahady 05 aprily 2015

Alahadin’ny Paka (Taona B)


 

 

« Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy »

(Jo. 20: 3 – 4)

 

Ny fankalazana ny Paka no Fety fara tampon’ny fety rehetra araka ny fampianarana henontsika ombieny ombieny. Midika izany fa tena fotoan-dehibe ho antsika Krisitianina tokoa ity fankalazana ity satria ahatsiarovana ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Io misterin’ny Fitsanganan-ko velona io indrindra no ankalazaintsika androany ka ampianaran’ny Fiangonana antsika fa tamin’ny alalan’ny fitsanganany ho velona no nandravan’i Kristy ny fahafatesana ka namohany ny varavaran’ny Lanitra mba hidirantsika any amin’ny fiainana mandrankizay. Mazava ho azy fa raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy dia tsy ho afaka ny hitsangan-ko velona ho any amin’ny hasambarana mandrankizay ihany koa isika rehefa miala eto amin’ity tany fandalovana ity satria araka ny ambaran’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa androany dia niara-nitsangana tamin’i Kristy isika ary Izy no hitarika antsika hipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. « Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho : ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. Fa maty hianareo, ary miara-miafina amin’ny Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo ; fa rahefa hiseho ny Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa hianareo » (Kol. 3: 3 – 4).

Araka ny fampianaran’i Md Paoly eto dia tsy maintsy ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsahina raha tiantsika ny hiara-mitsangana aminy. Araka izany dia manasa antsika vita Batemy rehetra izy manao hoe : « ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany ». Mbola maro tokoa no variana amin’ny zavatry ny tany ka tsy mieritreritra akory fa fandalovana anie izao fiainana izao koa raha tiantsika ny hovoavonjy dia tsy maintsy mikatsaka mandrakariva ny zavatra any ambony isika. Izao fankalazana ny Paka izao no mampahatsiahy antsika fa tena fandalovana tokoa ity fiainana ity ka na i Jesoa Andriamanitra tena Andriamanitra marina aza dia nandalo ny fahafatesana vao nitangan-ko velona. Isika ihany koa dia tsy maintsy ho faty indray andro any saingy lalana tsy maintsy andalovana ihany izany satria i Jesoa efa nandesy ny fahafatesana no hitarika antsika ho velona mandrakizay miaraka aminy eo ankavanan’Andriamanitra.

Tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray ka manomana ny fitoerana ho antsika ihany koa. Marina fa tsy nisy nahita izay zava-niseho marina tamin’ny fotoana nitsanganan’i Jesoa ho velona saingy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny mpianatra no manambra mazava tsara amintsika fa nitsangan-kovelona tokoa izy. Araka izany dia voalazan’ny Evajely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany fa : « tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato. Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe : Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy » (Jo. 20: 1 – 2). Ity Evanjely ity ihany no milaza amintsika fa « tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa » (Jo. 20: 9), noho izany dia tena taitra mafy ny mpianatra nandre io filazan’i Madelena io. Araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity ary, dia « mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana. Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana tery. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino » (Jo. 20: 3 – 8).

Mazava tsara eto fa i Piera sy ilay mpianatra anankiray no vavolombelona manambara amintsika fa tena nitsangan-kovelona tokoa i Kristy. Araka ny voalazan’ny Evanjely dia « niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino ». Tsy iza io mpianatra io fa i Joany izay nanoratra ity Evanjely ity ka ny finoany ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty no ampahafatariny antsika. Tahaka izany, tsy nisalasala i Piera ny nanambara fa tena nitangan-ko velona tokoa i Kristy, izany indrindra no ambaran’ny Vakiteny voalohany androany manao hoe : « dia niloa-bava Piera ka nanao hoe : Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra: Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian’ny batemy notorin’i Joany : dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon’ny demony, satria nomba azy Andriamanitra. Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny izy nahantony tamin’ny hazo ; nefa natsangan’Andriamanitra kosa izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinana sy nisotro taminy; rahefa nitsangana tamin’ny maty izy » (Asa. 10: 34a, 37 – 41).

Miara-mivavaka ary isika androany mba hihamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa nandresy ny fahafatesana ka nitsangan-ko velona mba ho famonjena antsika sy hahatonga antsika ho velona mandrakizay miaraka aminy eo ankavanan’Andriamanitra Ray. Mba hahafahantsika miara-belona aminy mandrakizay dia tsy maintsy mikatsaka mandrakariva ny zavatra any ambony isika ary tsy hiatehitra amin’ny zavatry ny tany araka ny fampianaran’i Md Paoly aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Ny fomba tsara indrindra ikatsahana ny zavatra any ambony dia ny fahazotoana mivavaka sy mandray ny Sakramenta samihafa omen’ny Fiangonana antsika. Indraindray tokoa dia varina amin’ny zavatry ny tany isika ka lasa tsy manam-potoana hivavahana sy hitodihana amin’Andriamanitra. Misy aza moa dia variana amin’ny rendrarendra sy fihetsiketsehena ety ivelany ka manova ny fankalazana ny Paka ho fotoana fialam-boly fotsiny ihany. Hitantsika izany amin’ireny dokam-barotra samihafa ireny. Enga anie izao fankalazana ny Paka izao hanampy antsika rehetra handini-tena ka hikatsaka marina tokoa ny zavatra any ambony. Izany indrindra no ambaran’ny vavaka fanombohana izay voatondro ho amin’ity Alahadin’ny Paka ity manao hoe : « Andriamanitra ô, nandresy ny fahafatesana ny Zanakao Lahy tokana androany, ka namoha ny varavarana hidiranay any amin’ny fiainana mandrakizay; koa enga anie izahay mankalaza ny nitsanganan’ny Tompo, mba hohazavain’ny Fanahy Masina hitsangan-ko velona ho any amin’ny fiainana misy ny fahazavana ».



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768