Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra

Nampiditra : admin
Daty : 14/11/2015

Alahady 15 novambra 2015

Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona (Taona B)


 

« Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra »

(Mk. 13: 26)


 

Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny taona litorjika isika. Ny Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona no ankalazaina androany ka anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay iresahan’i Jesoa indrindra ny amin’ny hiverenany amim-boninahitra. Rehefa manakaiky ny famaranana ny taona litorjika tahaka izao tokoa ny Fiangononana, dia ireo Tenin’Andriamanitra mahakasika ny farandro no arosony hodinihintsika mba hiomanantsika amim-pitoniana ny amin’ny fahatongavan’izany fotoana izany. Raha raisintsika ny voalazan’i Daniela Mpaminany ao amin’ny Vakiteny Voalohany androany dia ambarany fa : « Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao, ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany. Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky. Ary maro amin’ireo mandry ao amin’ny vovo-tany no hifoha : ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ; fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay. Izay ho efa hendry hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra ; ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay » (Dn. 12: 1 – 3).

Hamafisin’ny Evanjely izay omen’ny Fiangonana ho antsika androany io faminaniana ambaran’i Daniela Mpaminany io satria ambaran’ity Evanjely ity fa : « Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe ; “Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra » (Mk. 13: 24 – 27). Ity fanambarana lehibe nataon’i Jesoa ity dia manamporofo mazava tsara fa tena ho avy tokoa ny farandro ary amin’izay fotoana izay no hiaviany indray amim-boninahitra lehibe. Io no fotoana lhitsarana ny velona sy ny maty ka hanangonana ny olona rehetra « avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra », araka ny voalazany.

Vakiteny I : Dn. 12: 1 – 3

Tononkira : Sal. 16: 5, 8, 9 – 10, 11

Vakiteny II : Heb. 10: 11 – 14, 18

Evanjely : Mk. 13: 24 – 32

Na eo aza anefa io filazan’i Jesoa ny amin’ny hiverenany io dia tsy nanambara ny fotoana hiavian’izany izy satria araka ny voalazany dia tsy hisy hahalala izany fotoana izany afa-tsy ny Ray ihany. Hoy indrindra izy manohy ny teniny tamin’ny mpianatra : « Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany » (Mk. 13: 28 – 32). Mazava io fampianaran’i Jesoa io ka raha misy ireo milaza azy ho mahalala ny fotoana hiavian’ny farandro dia mpandainga sy mpamitaka ary mpandrebireby fotsiny. Na ny Anjely any an-danitra izay manompo sy midera an’Andriamanitra andro aman’alina, na izy Jesoa Zanaka izay nirahin’ny Ray hamonjy antsika aza tsy mahalala izany fotoana izany ka iza no olombelona sahy hilaza fa mahalala ny fotoana hiavian’ny farandro ka milaza etsy sy eroa fa hoe amin’izao daty izao io fotoana io ?

Aoka samy handinika isika ka tsy ho voafitak’ireny olona milaza azy ho mpaminany mahalala ny ho avy ireny. Firifiry moa izay no daty nolazain’izy ireny fa hoe hahatongavan’ny farandro saingy tsy nisy tanteraka na iray aza. Ny azo antoka ary tsy azo lavina dia tena ho avy tokoa ny farandro hiavian’i Jesoa amim-boninahitra. Ambarantsika rahateo izany amin’ny Fiekem-pinoana ataontsika rehefa miteny isika manao hoe : « Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana... nofantsihana tamin’ny hazofijaliana ho antsika tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty, nijaly ary nalevina ; nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina, niakatra any an-danitra, dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray, mbola ho avy amim-boninahitra indray hitsara ny velona sy ny maty, ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany ». Rehefa izany dia mbola ambarantsika ihany koa amin’ny famaranana ity vavaka Fiekem-pinoana ity ny hoe : « Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty sy ny fiainan-ko avy ».

Isaky ny manao io vavaka Fiekem-pinoana io ary isika dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa tena misy tokoa ny fiainan-ko avy, tena hitsangana amin’ny maty tokoa isika rehefa ho avy amim-boninahitra i Jesoa. Raha tsy mino izany isika dia tsy misy dikany ny anaovana ny vavaka Fiekem-pinoana ary tena tsy misy dikany ny ivavahana ka raha sendra misy ny misalasala ny amin’ny fisian’ny farandro dia ity Evanjely androany ity sy ny Fiekem-pinonana ataontsika isaky ny mivavaka no porofo manambara ary tsy azo lavina fa tena ho avy amim-boninahitra tokoa i Jesoa amin’ny farandro. Izany rehetra izany dia mbola hamafisin’ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ka ilazana amintsika fa : « Amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra no hiseho ny Fitsaràna farany. Ny Ray ihany no mahalala ny ora sy ny andron’izany, Izy irery ihany no manapa-kevitra ny amin’ny fahatongavany. Amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanany no hanononany amin’izay ny teniny farany momba ny tantara manontolo. Ho fantatsika ny hevitra farany raketin’ny tsanganasam-pahariana manontolo sy ny fitantanam-pamonjena manontolo, ary ho azontsika antsaina ny lalana mahagaga izay hitarihan’ny Fitahian’Andriamanitra ny zavatra rehetra ho amin’ny tanjom-piafaràny. Ny Fitsaràna farany no hampiseho fa ny fahamarinan’Andriamanitra no mandresy ny tsy fahamarinana rehetra nataon’ny zavaboariny ary ny fitiavany no mahery kokoa noho ny fahafatesana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1040).

Manoloana ireo fampianarana omena antsika ireo dia manainga antsika ny Fiangonana ho vonona lalan-dava hiandry izany fiavian’i Kristy amim-boninahitra izany. Indraindray toa mampatahotra ny mieritreritra izany, saingy rehefa mino sy matoky isika dia tsy misy tokony hatahorana velively. Efa nambaran’i Jesoa fa « ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona ». Noho izany dia mahazo toky isika fa rehefa mihaino sy mandray ny teniny dia tsy ho levona ary tsy ho faty mandrakizay fa ho velona miaraka aminy. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hifikitra tanteraka amin’i Jesoa tokoa isika amin’ny alalan’ny fihainoana ny Teniny sy amin’ny lalan’ny fandraisana ny Eokaristia Masina izay iraisan-tsika aina aminy tanteraka noho ny Vatany sy ny Ranay izay raisintsika ka mahatonga antsika ho velona miaraka aminy. Amin’izay dia ho tanteraka amintsika ny teny ambaran’i Md Paoly manao hoe : « tsy izaho intsony no velona, fa ny Kristy no velona ato anatiko » (Ga. 2: 20). Koa raha i Kristy no velona ao amintsika dia tsy misy atahorantsika fa vononona lalandava isika hiandry amim-pitoniana sy amim-pinoana ny fiverenany amim-boninahitra indray.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0846 s.] - Hanohana anay