Ary novalian’i Jesoa hoe : Efa voalazanao : Mpanjaka Aho

Alahady 22 novambra 2015

Fankalazana an’i Kristy Mpanjaka (Taona B)


« Dia hoy i Pilaty taminy: Koa Mpanjaka izany Ianao ? Ary novalian’i Jesoa hoe : Efa voalazanao : Mpanjaka Aho »

(Jo. 18: 37)

Mankalaza an’i Kristy Mpanjaka isika androany, iarahantsika mahalala fa ity no Alahady farany amin’ny taona Litorjika ka rariny raha misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fitantany nandritra izay taona lasa izay. Ekena fa maro ny zava-niseho teo amin’ny isam-batan’olona na teo amin’ny fianakaviana sy ny ankohonana misy antsika tsirairay avy. Nisy ny nadray fahasoavana fa teo ihany koa ny nisedra fahoriana sy fijaliana na fahasahiranana isan-karazany. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny fandaharana ny zavatra rehetra araka ny efa nambarantsika tamin’ny Alahady heriny. Noho izany, na amin’ny mora na amin’ny manahirana dia tsy mandao antsika izy fa miaraka amintsika mandrakariva koa misaotra azy hatrany isika, indrindra tamin’ny nitantanany antsika ka afaka mankalaza izao fetin’ny Kristy Mpanjaka androany izao.

Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana an’i Kristy Mpoanjaka izao dia manamafy indrindra izay maha Mpanjaka an’i Kristy izay. Nandritra ny fotoana nanatanterahan’i Jesoa ny iraka nampanaovin’Andriamanitra Ray azy dia tsy nanaiky velively ny hatao heo mpanjaka izy. Nataony daholo ny fomba rehetra mba tsy hananganan’ny vahoaka azy ho mpanjaka hifehy azy ireo. Fantantsika tokoa fa matetika ny vahoaka no nitady fomba hametrahana azy ho mpanjaka ary maro tamin’ny olona no nahalala fa tena mpanjaka tokoa izy satria ireo asa mahagaga rehetra nataony dia nampiseho fa tena izy tokoa no ilay Mpamonjy sy Mpanjaka tonga hamonjy ny olona rehetra. Diso hevitra anefa ireny olona nihevitra hanangana azy ho mpanjaka ireny satria ny hanompo ny olona rehetra no nahatongavany fa tsy hotompoina. Tsy nihevitra ny maha Andriamanitra azy ho ambonin’ny olona rehetra izy fa nietry tena ary nilatsaka ho ambany tahaka ny mpanompo fa tsy nanandra-tena ho mpanjaka.

Vakiteny I : Dn. 7: 13 – 14

Tononkira : Sal. 93: 1 – 2, 5

Vakiteny II : Fan. 1: 5 – 8

Evanjely : Jo. 18: 33b – 37

Io tsy naneken’i Jesoa ny tenany ho mpanjaka io no ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ka ampianarana antsika fa : « Nodifian’i Jesoa hatrany aloha ny fitadiavan’ny vahoaka hanao Azy ho mpanjaka, fa nifidy ny fotoana Izy ary nanomana tamin’ny an-tsipiriany ny fidirany amin’ny maha-Mesia Azy tao an-tanànan’i “Davida rainy” (Lk 1, 32). Nohobìna ho zanak’i Davida Izy, ilay mitondra ny famonjena (Hosanna dia midika hoe : “vonjeo re !”, “omeo ny famonjena !”). Ary niditra tao an-Tanànany ilay “Mpanjakan’ny Voninahitra” (Sal 24, 7-10), “nitaingina zanak’ampondra” (Zak 9, 9) : Tsy tamin’ny hafetsena na herisetra no nandreseny ny Zanakavavin’i Siôna, sary an’ohatra ny Fiangonany, fa tamin’ny fanetrentena izay mampiseho ny Marina. Izany no nahatonga ny ankizy sy ny “mahantran’Andriamanitra” tamin’izany andro izany, ho fototra iorenan’ny Fanjakany, izay nihoby Azy toy ny nanambaràn’ny anjely Azy tamin’ny mpiandry ondry. Ny fihobian’izy ireo hoe : “Hosoavina anie ilay avy amin’ ny anaran’ny Tompo” (Sal 118,26), dia averin’ny Fiangonana amin’ny “Masina! Masina! Masina!” (Sanctus) amin’ny litorzian’ny Eokaristia, ho fanorenana ny tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 559).

Araka ny voalazan’ity fampianarana ity dia tamin’ny fotoana nanoloran’i Jesoa ny tenany hovonoina no nampisehoany ny maha mpanjaka azy. Rehefa niditra tao Jerosalema izy, mialaohan’ny hahafatesany dia nohobin’ny olona ary noraisina tamim-boninahitra tahaka ny mpanjaka. Mazava ho azy fa tamin’ny fotoana hahafatesany indrindra izy vao nanaiky hilaza mazava ny maha mpanjaka azy. Izany rahateo no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany izay milaza amintsika fa : « Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Jesoa i Pilaty nanao hoe : Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao ? Jesoa namaly hoe : Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa nilaza Ahy taminao ? Dia namaly i Pilaty nanao hoe : Fa izaho angaha Jody ? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao ? Jesoa namaly hoe : Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako ; fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho ; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako. Dia hoy i Pilaty taminy : Koa Mpanjaka izany Ianao? Ary novalian’i Jesoa hoe : Efa voalazanao : Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko » (Jo. 18: 33b – 37).

Mazava ny voalazan’i Jesoa tamin’i Pilaty fa tena Mpanjaka tokoa izy saingy nambarany fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakany satria fanjakan’ny fiadanana sy fahamarinana ary fitiavana no naorony ka tsy fanjakana tahaka ny mahazatra antsika fa fanjakana miorina eo ambonin’ny fanetrentena sy fanompoana ary fahafoizan-tena. Efa hatramin’ny andron’i Jesoa no nisy ireo mpanjaka sy mpifehy izay manam-pahefana tokoa ka tsy refesi-mandidy. Izany rahateo no endriky ny fanjakan’izao tontolo izao ka nahatonga an’i Jesoa hilaza fa tsy tahaka izany ny fanjakany. Nambarany fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakany, dia ho niady ny olony. Tsy azo lavina ary iaraha-mahalala fa fisaraham-bazana matetika no ateraky ny fanjakan’izao tontolo izao. Saika fahita amin’ny firenena maro izay fisaraham-bazana izay satria ireo manam-pahefana dia manjakazaka sy mihevi-tena ho ambony ka tsy manao afa-tsy ny hifikirana amin’izany fahefana izany. Ny tsy manam-pahefana indray dia manao izay fomba rehetra hahazoana izany ka tsy mijery afa-tsy izay kileman’ny mpitondra ka mitady fomba handrodanana azy mba handraisana ny fanjakana. Izany no endriky ny fanjakan’izao tontolo izao ka mahatonga an’i Jesoa hilaza fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakany.

Mampianatra antsika hahay hanetry tena sy hanompo ny namana ity Evanjely androany ity. Manoloana izany dia mananatra antsika izy mba tsy ho variana amin’ny ady seza sy fitadiavam-pahefana mba hanjakana fa kosa hikaroka mandrakariva izay hahasoa ny olona rehetra, indrindra ny mahantra sy ny madinika indrindra. Mazava ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika izay voalaza etsy ambony fa « tsy tamin’ny hafetsena na herisetra no nandreseny ny Zanakavavin’i Siôna, sary an’ohatra ny Fiangonany, fa tamin’ny fanetrentena izay mampiseho ny Marina ». Ho antsika vita Batemy rehetra ihany koa dia tsara ary amporisihin’ny Fiangonana tokoa ny fandraisana andraikitra amin’ny firenena saingy tsy amin’ny herisetra na hafetsena sy fitapitaka, tsy amin’ny fivadibadihana palitao sy fanaovana ramasa-bomanga, indrindra indrindra tsy amin’ny alalan’ny fanaovana kolikoly sy fijerena tavan’olona no andraisina andraikitra amin’ny raharaham-bavahoaka fa amin’ny fanetrentena sy fanovana ny marina. Izany rahateo no nilazan’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity fa Mpanjaka izy ary teraka sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feony. Enga anie izao fankalazana an’i Kristy Mpanjaka izao hanampy antsika rehetra handini-tena ka hanao ny marina mandrakariva amin’ny sehatra misy antsika tsirairay avy satria izay rehetra manao ny marina dia mihaino ny feon’i Jesoa Jesoa Kristy Ilay vavolombelona mahatoky, Lahy matoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany (Fan. 1: 5).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0607