Ary nony nivoaka avy tao antsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy

Alahady 19 Jolay 2015

Alahady Faha – 16 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

 

« Ary nony nivoaka avy tao antsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy » (Mk. 6: 34)


 

Voalazan’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny fa niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto. Voalaza tamin’izany fa « nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy » (Mk. 6: 12 – 13). Taorian’izany rehetra izany dia niverina teo amin’i Jesoa ireo mpianatra ireo ka nitantara izay zava-niseho rehetra nandritra io fotoana nanirahana azy ireo io. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 16 tsotra Mandavan-taona izao. « Tamin’izany andro izany, nony niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy: “Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely”; fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina » (Mk. 6: 30 – 32).

Tsapan’i Jesoa tokoa fa tena niasa mafy ireto mpianatra ireto, asa sarotra rahateo moa no nataon’izy ireo satria sady nandroaka demony maro no nanasitrana marary betsaka ihany koa tamin’ny alalan’ny fanosorana diloilo. Hitan’i Jesoa fa reraka sy mila miala sasatra kely izy ireo ka izay no niantsoany azy ireo mba hitokana any amin’ny tany mangingina. Matetika i Jesoa no miaraka amin’ny mpianatra mitokana any amin’ny tany mangingina mba hiala sasatra sy hivavaka. Midika izany fa misy fetrany ny herintsika olombelona ka amin’ny fotoana sasany dia ilaina tokoa ny miala sasatra kely sy mitoka-monina mba hanovozana hery vaovao ho entina miatrika ireo adidy sy andraikitra miandry. Noho io antony io indrindra dia ambaran’ny Lalànan’ny Fiangonana fa ny mpandraharaha masina rehetra dia manan-jo isan-taona mba hiala sasatra sy hanovo herim-panahy vaovao amin’ny alalan’ny fanaovana Laretirety. Izany moa dia tsy maintsy ampifanarahana mandrakariva amin’ny lamina izay efa voafaritry ny sori-dalana napetraky ny tompon’andraikitra mahefa eo an-toerana.

Vakiteny I : Jer. 23, 1 – 6

Tononkira : Sal. 22, 1 – 3a. 3b – 4. 5 – 6

Vakiteny II : Efez. 2, 13 – 18

Evanjely : Mk. 6, 30 – 34

Na teo aza anefa izay fanirahan’i Jesoa ny mpianatra mba hiala sasatra kely izay dia ambaran’ny Evanjely fa « hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao antsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy » (Mk. 6: 33 – 34). Eto no ahitana fa tsy namela an’i Jesoa sy ny mpianatra hipetrapetraka ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Tena mba fanirian’izy ireo ny hiala sasatra, saingy noho ny vahoaka betsaka tonga talohan’izy ireo dia tsy nisalasala i Jesoa nampianatra azy ireo zavatra maro. Hita taratra fa tena be fangorahana sy be fitiavana tokoa i Jesoa ka na faniriany aza ny hitokana any amin’ny tany mangingina dia tsy nisalasala izy nandray ireto vahoaka betsaka ireto. Tsy tao an-tsainy velively ny handroaka azy ireo fa araka ny ambaran’ny Evanjely dia nangoraka izy nahita azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Fandavan-tena lehibe no nananan’i Jesoa ka fakan-tahaka ho antsika. Tahaka izany ihany koa ny mpianatra izay niara-dia taminy satria azo antoka fa tsy namela an’i Jesoa ho irery ireto mpianatra ireto fa niaraka taminy mandrakariva. Matoa ireto vahoaka maro be ireto tonga nidodododo nandeha tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, dia tao amin’izy ireo tokoa ny faniriana hihaino ny fampianarana nataon’i Jesoa. Tsapan’izy ireo fa ny Vaovao Mahafaly no ampianarin’i Jesoa ka nahatonga azy ireo hanaraka azy tany amin’ny toerana rehetra nalehany. Io fandavan-tena nanan’i Jesoa io no ampianariny antsika ka anasany antsika hanao tahaka izany ihany koa, indrindra ho antsika izay nantsoiny manokana hanara-dia azy sy nofidiny ho mpiandry ondry. Mangetaheta ny Vaovao Mahafaly ny olona ary miandry antsika ka izay fitoriana ny Vaovao Mahafaly izay no tsy maintsy ataontsika loha-laharana amin’ny zavatra rehetra ataontsika. Manasa antsika i Jesoa mba tsy hahalala sasatra amin’ny fitarihana ny vahoakany, indrindra amin’ny fankalazana ny Sorona Masina sy ny fombam-pivavahana isan-karazany ary ny fizarana ireo Sakramenta samihafa izay ankininy manokana amintsika.

Manoloana izany anefa dia mila mitandrina ihany isika vahoakan’Andriamanitra rehetra satria misy fetrany ny herin’olombelona. Tokony hotsaroantsika mandrakariva fa olombelona mahalala reraka tahaka ny olona rehetra ihany ireo mpanao raharaha masina manompo antsika ireo ka manana adidy isika hitsinjo ny fahasalaman’izy ireo. Manana zò hiala sasatra sy hivavaka mangina izy ireo ka tsara mandrakariva ny anajantsika izany mba hahafahan’izy ireo manovo hery vaovao hoenti-miasa amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy ihany anefa fotoana sasany izay tsy azo anoharana ary misy ihany koa ny raharaha maika tsy afaka miandry ka tsy hisian’ny fifanafintohinana eo amintsika samy isika dia ilaina ihany koa ny mifampiresaka sy miara-midinidinika amin’izay tokony hatao.

Ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity no mampianatra antsika hananana fandavan-tena sy hifampitsinjo ihany koa manoloana ny asa masina izay anirahan’i Jesoa antsika tsirairay avy. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 16 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hanara-dia an’i Jesoa marina tokoa isika ka tsy hahalala sasatra amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ka ho vonona mandrakariva hanatanteraka ny sitra-pony amin’izay rehetra ataontsika satria rehefa miankina aminy isika dia tsy misy atahorana araka ny voalazan’ny Salamo izay omen’ny Fiangonana antsika androany manao hoe : « ny Tompo miandry ahy : tsy orin’inoninona aho, fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso, entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy noho ny Anarany. Tarihiny amin’ny lala-marina. Na mamaky lohasaha maizina aza aho tsy misy loza atahorako: satria Ianao miaraka amiko, ireo tehinao mampatoky ahy ».


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106