Alahady 27 desambra 2015
Fetin’ny Fianakaviana Masina (Taona D)
« Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona » (Lk. 2: 52)
Ao anatin’ny fankalazana ny Noely tanteraka isika izao, tafiditra anatin’izany ny fankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina izay ankalazaintsika manokana androany. Ny fiainan’i Jesoa teo anivon’ny Fianakaviana Masin’i Maria sy Josefa dia mampiseho miharihary ny maha olombelona feno azy na dia Andriamanitra tena Andriamanitra marina aza izy. Tao anatin’ny fitiavana marina no nikarakaran’i Maria sy Josefa azy ka na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra dia nataon’izy ireo izay hahatonga an’i Jesoa hitombo fahendrena sy tena araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Tahaka ny fianakaviana rehetra dia nisedra zavatra maro ihany koa ny Fianakaviana Masin’i Jesoa sy Maria ary Josefa. Tao ny zava-tsoa niainan’izy ireo fa teo ihany koa ireo zavatra sarotra maro tsy maintsy nosedrain’izy ireo. Tamin’ireny rehetra ireny anefa dia natoky an’Andriamanitra Ray mandrakariva izy ireo ka afaka niaina tao anatin’ny filaminana sy fitiavana tanteraka. Anisan’ny fianakavina tso-piainana izy telo mianaka ireto ka izay fahatsorana nian’izy ireo izay no nahafahan’izy ireo nanatanteraka mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra izay nifidy azy ireo manokana ho loharano ipoiran’ny famonjena ny olona rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany moa dia mitantara indrindra ny fotoana niarahan’izy telo mianaka tany Jerosalema tamin’ny andro fetin’ny Paka fanaon’ny Jody isa-taona. Ambaran’ity Evanjely ity fa : « isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka ; ka nony efa roa ambin’ny folo taona Izy, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo. Ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany. Nataon’izy ireo hoe niaraka tamin’ny niray dia taminy Izy, ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany ; ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy » (Lk. 2: 41 – 45). Tena feno tebiteby tokoa i Maria sy Josefa rehefa tsy nahita an’i Jesoa niara-dalana tamin’izy ireo. Izany no porofo manambara fa tena ray aman-dreny tompon’andraikitra tokoa izy ireo ka tsy nisalasala niverin-dalana nakany Jerosalema indray, rehefa tsy nahita an’i Jesoa Zazakely.
Mety hisy hieritreiritra angamba fa noho ny tsy firaharahan’izy ireo an’i Jesoa no nahatonga azay ireo tsy tafara-dalana taminy. Saingy raha ny marina dia noho ny fahatokisan’izy ireo fa zaza hendry i Jesoa Zazakely ka tsy nihaiahy na inona na inona izy ireo. Teo ihany koa ny fahatokisan’izy ireo fa olon’ny fifandraisana izy ka tsy ho very fa mety tafara-dalana amin’ny havana sy olom-patatra. Eto no ahatsapana fa olon’ny fiarahamonina tanteraka ireto Fianakaviana Masina ireto. Tsara fifandraisana amin’ny mpiara-monina ka sady matoky ny havana sy ny mpiara-monina rehetra no itokisan’izy ireo ihany koa. Matetika io fifampitokisana eo anivon’ny mpihavana sy mpiara-monina io tsy hita intsony amin’ny ankamaroan’ny fianakaviana ankehitriny. Toa zary samy maka ho azy ary tsy mifampatoky intsony ka na ny fanabeazana ny ankizy aza dia hita fa lasa misy banga satria misy ireo ray aman-dreny tsy mamela ny zanany hifanerasera amin’ireo ankizy hafa ivelan’ny tokatrano. Eto dia fakan-tahaka lehibe ho an’ny fianakaviana rehetra ny fiainan’ny Fiankaviana Masina izay natoky sy itokisan’ny havana sy ny mpiara-monina ka anasana ny fianakaviana rehetra ihany koa mba hanao tahaka azy ireo.
Vakiteny I : 1 Sam 1: 20 – 22, 24 - 28
Tononkira : Sal. 83: 2 – 3, 5 6, 9 – 10
Vakiteny II : 1 Jn. 3: 1 – 2, 21 – 24
Evanjely : Lk. 2: 41 – 52
Ambaran’ity Evanjely androany ity ihany koa fa : « nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ka nihaino sady nanontany azy, ary talanjona izy rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny. Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy reniny taminy : “Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay ? Inty rainao sy izaho malahelo mitady Anao”. Fa hoy Izy taminy : “Nahoana no nitady Ahy ianareo ? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho ?” Faingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy. Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy ; fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony. Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona » (Lk. 2: 46 – 52). Maro ny fifampizarana azo atao mahakasika ity fijanonan’i Jesoa tao Jerosalema ity. Azo ambara fa ny fahitana azy afaka hateloana dia efa manambara sahady ny fitsanganany ho velona rehefa afaka hateloana taorian’ny fijaliany sy fahafatesany, saingy ny zava-dehibe ho antsika androany dia ny fiainan’ny Fianakaviana Masina izay azo lazaina fa endriky ny fianakaviana rehetra ihany koa.
Tahaka ny ray aman-dreny rehetra dia nitebiteby tokoa i Maria sy Josefa rehefa tsy nahita an’i Jesoa nandritra ny hateloana. Tao amin’i Maria mandrakariva ny fon-dreny ka tsy nisalasala izy niteny tamin’i Jesoa nanao hoe : « Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay ? Inty rainao sy izaho malahelo mitady Anao ». Izay alahelo voalazan’i Maria izay no porofo manambara ny fitiavan-janaka nanan’izy mivady ka nitady mandrakariva izay hahasoa ny zaza na dia nanao zavatra mampalahelo aza satria tsy vitan’ny hoe very nandritra ny hateloana i Jesoa fa mbola nanome valin-teny manahirana ihany koa. Tsy nisalasala akory izy niteny hoe : « Nahoana no nitady Ahy ianareo ? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho ? » Raha amin’ny maha olombelona dia tahaka ireny zaza maditra ireny no fahitana an’i Jesoa eto, izay toa mamalivaly ray aman-dreny saingy ny tiany hambara dia tsy ditra velively no nijanonany hateloana tao Jerosalema fa fanatanterahana sahady ny asam-ponjena izay nanirahan’Andriamanitra Ray azy.
Miara-mivavaka isika hoan’ny fianakaviana rehetra amin’izao fetin’ny Fianakaviana Masina izao mba tena hiaina ao antin’ny fifankatiavana marina tahaka ny nataon’i Maria sy Josefa nitaiza an’i Jesoa izy ireo. Marina fa madalo fotoan-tsarotra ny ankamaroan’ny fianakaviana amin’izao vanin’andro ankehitriny izao saingy tokony ho fakan-tahaka hatrany ny fiainan’ny Fianakaviana Masin’i Jesoa sy Maria ary Josefa. Niaina tao anatin’ny fahasahirana tahaka ny olona rehetra ihany izy ireo saingy tsy nahasakana azy ireo hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izany. Noho izany, isika koa dia samy antsoina hanatanteraka mandrakariva izay sitrapon’Andriamanitra izay na eo aza ny zavatra manahirana isan-karazany tsy maintsy atrehina. Miaraka amin’i Maria sy Josefa isika no mangatam-pahasoavana amin’Andriamanitra satria araka ny voalazan’i Md Joany ao amin’ny Vakiteny faharoa aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia « na inona na inona hangatahintsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. Ary izao no didiny : ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. Izay mitandrina ny didiny dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy ; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika » (1 Jn. 3: 23 – 24).
P. Louis Martin
Assomptionniste