Ary Andriamanitra ny Teny

Zoma 25 desambra 2015

Fankalazana ny Noely, Fahaterahan’ny Tompo (Taona D)


« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny » (Jo. 1, 1)

 

Tahaka ny isan-taona dia ny Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany no aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana ny Noely izao. Tsara homarihina hatrany, araka ny efa voalazantsika ombieny ombieny fa ny Tenin’Andriamanitra voatondro ho an’ny fankalazana ny Noely antoandro no ifampizaran-tsika eto satria fantantsika tsara fa ny fankalazana ny Noely dia manomboka amin’ny andro mialoha (hariva) araka ny fandaharana litorjika. Mitohy amin’ny Sorona misasaka alina sy maraina ary antoandro izany fankalazana izany ka Tenin’Andriamanitra maromaro no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika amin’izany mba hanampy antsika hahalala mazava tsara fa i Jesoa dia tena Andriamanitra saingy nietry tena ka nanaiky ho tonga nofo ary niara-nonina tamintsika olombelona. Efa voalazantsika ihany koa fa somary miavaka ny fomba itantaran’i Md Joany ny amin’ny nahaterahan’i Jesoa Mpamonjy fa tsy tahaka ireo Evanjely hafa toy ny nosoratan’i Md Matio, indrindra ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka izay mitantara mazava tsara ny zava-niseho tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesoa tao Betlehema.

Vakiteny I : Iz. 52, 7 – 10

Tononkira : Sal. 98, 1. 2 – 3ab. 3cd – 4. 5 – 6

Vakiteny II : Heb. 1, 1 – 6

Evanjely : Jo. 1, 1 – 18

Araka ny ambaran’ity Evanjely nosoratan’i Md Joany ity dia efa hatramin’ny voalohany Andriamanitra no namolavola ny fandefasana an’i Jesoa Zanany mba hamonjy ny taranak’olombelona rehetra izay niaina tao anatin’ny haizin’ny fahotana tamin’ny fototra. Tsy mba mitantara ny zava-niseho tamin’ny nahaterahan’i Jesoa tao Betlehema izy fa manambara amintsika kosa fa tsy foin’Andriamanitra Ray ho very isika ka nandefasany an’i Jesoa izay Fahazavana mamirapiratra ho an’izao tontolo izao. Izany indrindra no ambaran’ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity. « Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ary ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona. Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray Azy ny maizina » (Jo. 1, 1 – 5).

Hitantsika mazava tsara eto fa i Jesoa mihitsy no ilay Teny voalazan’i Md Joany amin’ny fanombohan’ny Evanjely nosoratany ka ilazany amintsika fa io Teny io no fototra iorenan’ny finoantsika satria izay rehetra nandray Azy dia mandray ny fahasoavana manokana ka tonga zanak’Andriamanitra araka ny ambaran’ity Evanjely ity manao hoe : « fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao, nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao. Tonga teo amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany, ka tsy mba nateraky ny ra na ny sitra-pon’ny nofo, na ny sitra-pon’ny olona ireo, fa nateraka avy amin’Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika ; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy » (Jo. 1: 9 – 14).

Hanampy antsika hahazo tsara ny ambaran’ity Evanjely ity dia izao no voalaza ao amin’ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika : « Sitrak’Andriamanitra noho ny fahendreny sy ny hatsaram-pony, ny manambara ny Tenany sy ny mampahalala ny misterin’ny sitrapony, ka ahafahan’ny olombelona, amin’ny alalan’i Kristy Teny tonga Nofo, manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina, sy ahatongavany ho mpiombona anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 51). Mazava araka izany fa i Kristy Teny tonga Nofo dia tena Andriamanitra marina satria mpiombona anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra Ray izay naniraka azy ho tonga olombelona. Araka ny ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy ary nandritra ny fotoana maro nifandimby dia efa voaomana mialoha ny hahatongavany araka ny ambaran’ny Vakiteny Faharoa androany izay nalaina tao amin’ny Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio.

Ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika no manazava amintsika io Tenin’Andriamanitra io ka milaza mazava tsara fa : « Fahiny, tamin’ny fotoana sy fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany Andriamanitra ; fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika” (Heb 1, 1 – 2). I Kristy, Zanak’Andriamanitra tonga olombelona, no Ilay Teny tokan’ny Ray, lavorary sy tsy misy mahasongona. Ao Aminy no ilazan’ny Ray ny zavatra rehetra, ary tsy hisy teny hafa afa-tsy ireo. I Md Jean de la Croix, taorian’ ireo hafa maro be, dia nilaza izany tamin’ny fomba mazava raha namelabelatra an’io taratasy ho an’ny Hebrio 1, 1 – 2 io : Hatramin’ny nanomezan’Andriamanitra antsika ny Zanany, izay Teniny, dia tsy manana teny hafa homena antsika Andriamanitra. Indray mandeha ihany no nilazany izany manontolo tamintsika  ny amin’io Teniny tokana io ary tsy misy na inona na inona intsony holazainy ; satria izay nolazainy ampahany tamin’ireo mpaminany, dia nambarany manontolo tamin’ny Zanany, amin’ny nanomezany antsika ny maha-izy manontolo ny Zanany. Noho izany, izay te hanontany Azy amin’izao fotoana izao, na maniry fahitana na fanambaràna, dia tsy vitan’ny hoe manao hadalàna fotsiny, fa maniratsira an’Andriamanitra, satria tsy mampifantoka ny masony ao amin’i Kristy irery fa mitady zavatra hafa na zava-baovao » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 65).

Tena fotoan-dehibe ho antsika tokoa izao fankalazana ny Noely izao koa miara-misaotra an’Andriamanitra Ray isika tamin’ny nandefasany an’i Jesoa Zanany hamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotana. Fitiavana tsy misy fetra, lavorary ary tsy misy takalony no nahatonga an’i Jesoa hietry tena sy ho tonga olombelona tahaka antsika koa mangataka ny fahasoavany isika mba hahay hifankatia marina tokoa. Efa voalaza ombieny ombieny moa fa mankalaza manokana ny Taonan’ny famindram-pon’Andriamanitra isika. Izao fankalazana ny Noely izao dia mampahatsiaro antsika fa tena be famindram-po tokoa Andriamanitra tamin’ny nanavotany antsika sy nanomezany ny Zanany Lahitokana hamonjy antsika. Olombelona tsy mendrika ary tsy lavorary isika noho ny fahotana vitantsika, saingy noho ny famindram-pony dia manavotra antsika izy ary mandray antsika ho zanany. Enga anie izao fankalazana ny Noely izao hanampy antsika ihany koa mba hanana famindram-po sy hahay hifamela heloka rehefa misy ny tsy fifankahazoana eo anivon’ny fiarahamonina. Amin’izao andro lehibe ankalazan-tsika ny Noely izao ary dia amin-kafaliana lehibe no itondrana ny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika rehetra. Enga anie i Jesoa be famindram-po sy be fitiavana ka nietry tena ho tonga nofo, handrotsaka mandrankariva ny fahasoavany ary hitondra hazavana mamirapiratra vaovao eo amin’ny fiainantsika mba hahafahantsika manatanteraka amim-pitivana ny sitrapony amin’izao Taonan’ny famindram-pon’Andriamanitra izao.



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103