Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona

Nampiditra : admin
Daty : 18/04/2015

Alahady 19 aprily 2015

Alahady Faha-3 amin’ny Paka (Taona B)

« Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo » (Lk. 24: 46)

Nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny fa ny harivan’ny nitsanganany tamin’ny maty ihany dia efa niseho tamin’ny mpianatra nivory tao an-trano i Jesoa saingy « Tomà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy : Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy izy tamin’ireo : Raha tsy hitako ao amin’ny tànany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tànako, ary atehiko amin’ny lanivoany ny tànako, dia tsy hino aho » (Jo. 20 : 24 – 25). Io fihetsika nataon’i Tomà io dia manampy antsika handinika lalina ny maha zava-dehibe ny finoana fa tena nitsangan-ko velona tokoa i Kristy ka na tsy mahita maso ny fisehoany aza dia amin’ny alalan’ny finoana no anambarana miharihary fa tena velona tokoa izy. Izany indrindra no nilazan’i Jesoa hoe : « nino hianao, ry Tomà, satria nahita ahy ; sambatra izay tsy nahita ka nino » (Jo. 20 : 29). Mazava ho azy fa ho antsika vita Batemy rehetra ihany koa no ilazan’i Jesoa izany teny izany satria amin’ny alalan’ny finoana no ijoroantsika ho vavolombelona fa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty dia tena velona eo anivontsika tokoa izy ary miaraka amintsika hatrany eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Izay fijoroana ho vavolombelon’ny fitsanganan’i Jesoa taimin’ny maty izay no hamafisin’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany amin’ny filazana fa « notantarain’ny mpianatra avy tany Emaosy tamin’ny Apôstôly iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany an’i Jesoa tamin’ny famakiana ny mofo » (Lk. 24: 35). Manaraka izany dia ambaran’ity Evanjely ity fa « mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Homba anareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany”. Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka hoy Izy taminy : “Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no miahanahana ao am-ponareo? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy ity : tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao”. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony » (Lk. 24: 36 – 40).

Vakiteny I : Asa. 3: 13 – 15, 17 – 19

Tononkira : Sal. 4: 2, 4, 7, 9

Vakiteny II : 1 Jo. 2: 1 – 5a

Evanjely : Lk. 24: 35 – 48

Voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity koa fa raha « ilay mbola tsy nino iny ihany izy ireo noho ny hafaliany, sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy : “Moa manan-kanina eto va ianareo?” Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo » (Lk. 24: 41 – 43). Ity fihetsika nataon’i Jesoa ity dia mbola manaporofo hatrany fa tena velona tokoa izy ary olom-belona feno sy tena izy no niseho tamin’ny mpinatra fa tsy matoatoa. Ny fihinanany ny tapa-kazandrano voatono sy tantely no nampisehoany fa tena velona tokoa izy ary teo imason’ny mpianatra no nanaovany izany mba hinoan’izy ireo fa nitsangana tamin’ny maty tokoa izy. Mba hampisava tanteraka ny ahiahin’ny mpianatra dia « hoy Izy tamin’izy ireo : “izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo”. Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy Izy taminy : Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany » (Lk. 24: 44 – 47).

Tena nijoro ho vavolombelon’izany tokoa ny mpianatra ka nitory amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anaran’i Jesoa. izany no nahatonga an’i Piera tsy nisalsala fa niteny mazava tsara tamin’ny olona tonga nihaino azy nanao hoe : « ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo, teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy. Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana. Ianareo namono ny Tompon’ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona ary izahay ireto no vavolombelon’izany. Ary ankehitriny, ry hava-malala, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo lehibenareo, fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo amin’ny vavan’ny mpaminany rehetra, fa hijaly i Kristy. Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo » (Asa. 3: 13 – 15, 17 – 19).

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Piera ambaran’ny Vakiteny Voalohany izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia mampiseho mazava tsara amintsika fa tena nandresy ny fahafatesana tokoa ny Tompo ary tsy nisalasala i Piera niteny hoe : « izahay ireto no vavolombelon’izany ». Tena velona eto anivontsika tokoa izy ary tsy misaraka amintsika fa velona mandrakizay. Koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady Faha-3 amin’ny Paka izao mba hihamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa tafatsangan-ko velona. Tahaka ny nataony tamin’ny mpianatra dia mankahery antsika hatrany izy ary miteny hoe : « Homba anareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany ». Enga anie io fiadanana ambaran’i Jesoa io no hameno ny fianantsika mandrakariva ka na eo aza ny zava-manahirana atrehina isan’andro dia tsy hatahotra isika satria velona mandrakizay eo anivontsika izy ary manome izay fahasoavana rehetra angatahintsika aminy. Mitaky ezaka avy amintsika anefa ny fandraisana izany fahasoavana izany satria amin’ny maha olombelona mpanota dia tsy lavorary isika ary mila mandrankariva ny famindram-po avy aminy.

Efa nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa lehibe tokoa ny famindram-pon’Andriamanitra satria na mpanota tsy mendrika aza isika dia natolony i Jesoa Zanany hamonjy antsika, koa rehefa mazoto mandray ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika dia azo antoka fa tena mamela ny fahotana rehetra vitantsika izy. Izany indrindra no anasan’i Piera antsika araka ny voalazany ao amin’ny Vakiteny Voalohany androany manao hoe : « koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo ». Tena voavela tokoa ny fahotana rehetra vitantsika rehefa mibebaka marina isika, koa miantso antsika mandrakariva i Jesoa mba hanatona azy sy handray amim-pinoana tanteraka izany famelan-keloka izany amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana satria izy no mpisolo vava antsika ao amin’ny Ray, araka ny ambaran’i Joany ao amin’ny Vakiteny Faharoa aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « Anaka, nanoratra aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, Ilay marina. Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa. Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika. Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina. Fa izay mitandrina ny didiny, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa » (1 Jo. 2: 1 – 5a).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0173 s.] - Hanohana anay