Alahady 17 Mey 2015
Fankalazana ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra (Taona B)
Alahady Fahafito amin’ny Paka (Taona B)
« Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana »
(Jo. 17: 17)
Vakiteny ho an’ny Fankalazana ny Niakaranan’ny Tompo any an-danitra (Taona B)
Vakiteny I : Asa. 1: 1 – 11
Tononkira : Sal. 47: 2 – 3, 6 – 7, 8 – 9
Vakiteny II : Ef. 1: 17 – 23
Evanjely : Mk. 16: 15 – 20
Tahaka ny efa voalaza teto tamin’ny taona lasa dia sady mankalaza ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra isika androany no mankalaza ihany koa ny Alahady Fahafito amin’ny Paka arakaraky ny toerana izay misy antsika tsirairay avy. Tsy maha-sasatra ny mamerina manazava amintsika, indrindra ho an’ireo izay tsy mahatadidy na mbola tsy mahalala fa raha ny tokony ho izy sy mahazatra antsika Malagasy dia anio no ankalazana ny Alahady Fahafito amin’ny Paka satria tamin’ny Alakamisy lasa teo no nankalazana ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra. Amin’ny firenena maro anefa dia androany no ankalazana io Niakaran’ny Tompo any an-danitra io fa tsy tamin’ny Alakamisy tsy akory, efa voalaza ombieny ombieny ary tsara ampahatsiahivina antsika fa ny Paka, ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra ary ny Pantekôty dia fety lehibe tokoa ho an’ny Kristianina rehetra. Ho antsika Katolika manonkana dia eken’ny Fiangonana ny fankalazana azy ireo amin’ny fotoana tsy mitovy arakaraky ny toerana na ny fombam-pivavahana arahina. Araka izany ary dia ireo Tenin’Andriamanitra voatondro ho an’ny Fankalazana ny Niakaranan’ny Tompo any an-danitra sy ny aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady Fahafito amin’ny Paka ity no hifampizarana eto.
Raha raisina voalohany ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra izay omena hodinihintsika ho an’ny Fankalazana ny Niakaranan’ny Tompo any an-danitra dia hita miharihary fa efa fantatr’i Jesoa mialoha fa hiverina any amin’Andriamanitra Ray izay naniraka azy izy saingy mialohan’ny handehanany dia nametraka hafatra ho an’ny mpianatra mba hanohizan’izy ireo ny asam-pamonjena efa natombony. Ambaran’ity Evanjely voatondro ho an’ny fankalazana ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra ity fa niteny tamin’ny mpianatra i Jesoa nanao hoe : « Mandehana hianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voary rehetra. Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy ; fa izay tsy hino dia hohelohina. Ary izao no famantarana homba izay mino : Handroaka demony amin’ny anarako izy, hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy, handray menarana izy, ary na misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany ; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny » (Mk. 16: 15 – 18).
Vakiteny ho an’ny Alahady Fahafito amin’ny Paka (Taona B)
Vakiteny I : Asa. 1: 15 – 17, 20a, 20c – 26
Tononkira : Sal. 103: 1 – 2, 11 – 12, 19 – 20ab
Vakiteny II : 1 Jo. 4: 11 – 16
Evanjely : Jo. 17: 11b – 19
Azo lazaina fa efa voafaritr’i Jesoa mialohan’ny hiakarany any an-danitra ny adraikitra tsy maintsy hotanterahin’ny mpianatra. Ireo andraikitra ireo no nampitain’ny mpianatra tamin’ireo izay nandimby azy ka ifandovana ato amin’ny Fiangonana ary izany andraikitra izany no tanterahin’ny Eveka amin’ny maha dimbin’ny Apostoly azy ireo ka iarahany amin’ny Pretra izay mpiara miasa amin’ny Eveka sy miaraka amin’ny Diakra izay nofidina manokana hanampy ny Eveka sy ny Pretra amin’ny fanatanterahana ny raharaha masina araka ny hafatra napetrak’i Jesoa tamin’ny mpianatra. Noho izany, ny andraikitra voalohany indrindra tsy maintsy tanterahin’ny Apostoly ary tohizan’ireo mpandraharaha masina rehetra ankehitriny dia ny fandehanana amin’izao tontolo izao, mba hitory ny Evanjely amin’ny voary rehetra. Mazava ho azy fa natao ho an’ny olona rehetra tsy misy avakavaka ny fitoriana ny Evanjely satria ny tanjona dia mba hahatonga ny olona hino ary hatao Batemy. Tokony hazava amintsika izany fa tsy ny fandraisina ny Batemy no hahatonga ny olona iray hino fa ny finoana sy ny faharesen-dahatra noho ny Evanjely no tsy maintsy mitarika ny olona iray hino ka hangataka amim-pinoana hatao Batemy. Izay no nilazan’i Jesoa hoe : « Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy ; fa izay tsy hino dia hohelohina ».
Mety hisy ny hanontany hoe : Dia ahoana izany ireny zaza kely atao Batemy ireny satria tsy mbola afaka manambara ny finoany izy ireny ? Tena marina tokoa izany, saingy ny tsy maintsy mazava amintsika dia izao. Rehefa miroso amin’ny Sakramentan’ny Mariazy ny mpivady dia manome toky fa hanabe ny zanany rehetra araka ny finoana Katolika, noho izany dia adidin’ny ray aman-dreny niteraka ny mitondra ny zaza hatao Batemy satria adidin’izy ireo feno ny mampiditra ny zanany amin’ny finoana mba ho tonga zanak’Andriamanitra. Azo lazaina izany fa ny zanaky ny olona efa mino dia lasa mpino avy hatrany ka tsy ilaina intsony ny fiandrasana azy ho lehibe vao atao Batemy fa avy hatrany dia mandray io Sakramenta io ny zaza mba hahatonga azy ho voavonjy. Mazava ny teninin’i Jesoa fa izay atao Batemy ihany no voavonjy fa izay tsy mino kosa, ka tsy mandray io Batemy io dia hohelohina. Mba tena ho azo antoka ary ny famonjena ho an’ny zaza ateraka dia io fandraisana ny Sakramentan’ny Batemy io no lalan-tokana tsy maintsy izorana hahatonga azy ho voavonjy. Noho izany dia amporisihina isika rehetra, indrindra inanareo ray aman-dreny niteraka mba hitondra ny zanakareo hatao Batemy izay miantoka tanteraka ny famonjena ho an’izay mandray azy.
Anisan’ny andraikitra nankinin’i Jesoa tamin’ny mpianatra ary ifandovana ato amin’ny Fiangonana ihany koa ny fandroahana demony. Ambaran’i Jesoa mazava tsara fa ny fandroahana demony amin’ny Anarany no famantarana ho an’izay mino. Mazava ho azy fa ny Sakramentan’ny Fampihavanana no tiany hambara eto satria isaky ny mandray io Sakramenta io isika dia mandroaka ny demony izay fototrin’ny fahotana vitantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa no anaovana izany ka ny Eveka sy ny Pretra izay manome antsika ny famelan-keloka dia tsy izy ireo no mamela heloka antsika fa amin’ny Anaran’i Jesoa no anaovana izany. Isika izay mandray ny famelan-keloka kosa dia amim-pinoana no andraisantsika izany ka tsy misy tokony hisalasalana satria ny fahotana ambara mandritra ny fankalazana ny Sakramentan’ny Fampihavanana dia voavela tanteraka. Ny tena fandrohana demony ambaran’i Jesoa eto izany dia ny famelan-keloka amin’ny Sakramentan’ny Fampihavanana fa tsy ny fanaovana fahagagana etsy sy eroa fa hoe mahay madroaka demony. Tsy isalasalana fa ny Eveka sy ny Pretra rehetra dia samy mpandroaka demony daholo noho ny fahefana nomena azy ireo hanome ny famelan-keloka amin’ny Sakramentan’ny fampihavanana.
Tokony hazava amintsika anefa fa isaky ny Diosezy dia misy Pretra iray na maromaro anankinan’ny Eveka andraikitra manokana amin’ny asa fandroahana demony amin’ny fomba manokana. Ireo no antsoina hoe « Exorcistes » ka tsy marina ny filazana fa ny Fiangonana Katolika tsy mahay mandroaka demony. Sady afaka mandroaka demony amin’ny fomba mivantana ny Fiangonana amin’ny alalan’ireo Exorcistes ireo no afaka mamela heloka tanteraka amin’ny alalan’ny Eveka sy ny Pretra rehetra ka aiza intsony isika no hahita tahaka izany. Tafiditra ao anatin’ny Sakramenta fanasitranana moa ity Sakramentan’ny Fampihavanana ity ka anisan’ny iraka nampanaovin’i Jesoa ihany koa ny fametrahan-tànana amin’ny marary. Notanterahin’ny Apostoly izany ary ifandovan’ny dimbiny rehetra ka tanterahin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Marary. Hitantsika amin’izao ary fa tena natolotry Jesoa ho antsika tokoa ny fomba rehetra hahafahantsika ho voavonjy ka anjarantsika tsirairay avy no mandray izany famonjena izany amin’ny alalan’ireo Sakramenta samihafa nakininy tamin’ny mpianatra sy ny dimbiny mialohan’ny niakarany any an-danitra.
Tena fanirian’i Jesoa tokoa ny hahavoavonjy antsika rehetra ary izany indrindra no ambarany ao amin’ny Evanjely izay voatondro ho an’ny Alahady Fahafito amin’ny Paka. Ambaran’ity Evanjely ity fa « tamin’izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nivavaka hoe: “Ray masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika izy. Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia nitahiry azy tamin’ny Anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina » (Jo. 17: 11b – 12). Ity vavaka nataon’i Jesoa ity no manambara amintsika mazava tsara fa tena tiany tsy hisy very isika, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, hoy izy. Ny zanaky ny fahaverezana tiany hambara eto dia ireo rehetra tsy mandray ny Tenin’Andriamanitra izay ambarany mazava tsara fa Tenin’ny fahamarinana. Izany no nitalahoany tamin’ny Ray nanao hoe : « Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa. Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy » (Jo. 17: 17 – 19).
Miara-mivavaka ary isika androany mba tena ho ao amintsika tokoa izay fahamasinana avy amin’i Jesoa izay. Efa nohamasininy sy nohamarininy tamin’ny Batemy isika koa manasa antsika izy mba tena hiorim-paka amin’ny finoana noraisintsika mba hahamendrika antsika ho voavonjy. Manasa antsika ihany koa izy mba hifankatia sy ho iray marina tokoa araka ny vavaka nataony manao hoe : « Ray masina ô, tahirizo amin’ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy » (Jo. 17: 11b). Tsy amin’ny teny fotsiny no tokony hampisehoantsika fa tena mifankatia sy mihavana marina isika fa amin’ny fihetsika sy izay ataontsika ho an’ny mpiara-monina amintsika amin’ny fiainana andavan’andro. Io fifankatiavana marina io no anasan’i Joany antsika ao amin’ny taratasy nosoratany izay ambaran’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « Ry hava-malala, efa notiavin’Andriamanitra fatratra isika ka tokony mba hifankatia koa. Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy » (1 Jo. 4: 11 – 12). Enga anie izay fitiavana marina avy amin’Andriamanitra izy no hameno ny fiainantsika hatrany ka hahamendrika antsika hitoetra ao aminy ary haha lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy ka hahatonga antsika ho voavonjy araka ny fanirian’i Jesoa.
P. Louis Martin
Assomptionniste