Alahady 25 janoary 2015
Alahady Faha-3 tsotra Mandavantaona (Taona B)
« Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo » (Mk. 1: 17)
Ny niantsoan’i Jesoa ireo mpianany voalohany no ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha-3 tsotra Mandavantaona izao. Ny hamonjy ny olom-belona rehetra moa no nahatongavan’i Jesoa koa hahafahany manatanteraka izany dia niantso ireo mpianiny ireo izy mba hanampy azy. Mialohan’io fiantsoan’i Jesoa ny mpianany voalohany io dia ambaran’ity Evanjely androany ity fa « tamin’izany andro izany, rehefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe : “Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely” » (Mk. 1: 14 – 15). Hitantsika eto fa ny fitoriana ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra no nanirahana an’i Jesoa ka rehefa tonga ny fotoana dia nanatanteraka izany izy. Ny fampianarana voalohany indrindra nataony dia ny filazana hoe : « mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely ». Mazava ho azy fa ny fibebahana sy ny finoana ny Evanjely no lalan-tokana ahafahantsika miditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Raha dinihina lalina io tenin’i Jesoa io dia fanamafisana hatrany ny toriteny izay efa nataon’i Joany Batista mialohan’ny nanaovana azy an-tranomaizina. Araka ny voalazan’ny Evanjely izay naroson’ny Fianogonana ho antsika tamin’ny Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana (Taona A) dia « niseho Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea nanao hoe : Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra » (Mt. 3: 1 – 2). Efa nambarantsika ombieny ombieny fa ny fanomanana ny fahatongavan’i Jesoa Mpamonjy no iraka nampanaovina an’i Joany Batista koa tsy mahagaga raha zavatra iray ihany no ambaran’izy ireo dia ny fitoriana ny fibebahana sy ny finoana ny Evanjely. Mba hahatanteraka izany dia niantso ny mpianany i Jesoa satria araka ny voalazany mialohan’ny nialany teto an-tany dia nanafatra azy ireo izy nanao hoe : « Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ; koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo » (Mt. 28: 18 – 20).
Io hafatra napetrak’i Jesoa tamin’ny mpianatra io dia mampiseho miharihary fa nandray ny irika hitory ny fibebahana sy hitarika ny olona rehetra amin’ny finoana ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina izy ireo. Araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia tsy olo-malaza no nantsoin’i Jesoa ho mpianany fa mpanarato, izany hoe olon-tsotra izay heverin’ny fiaraha-monina ho anisan’ny olona ambany. « Nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy: “Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”. Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambokeliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy » (Mk. 1: 16 – 20).
Vakiteny I : Jon. 3: 1 – 5, 10
Tononkira : Sal. 25: 4bc – 5ab, 6 – 7bc, 8 – 9
Vakiteny II : 1 Kor. 7: 29 – 31
Evanjely : Mk. 1: 14 – 20
Raha amin’ny fiainana an-davan’andro dia azo lazaina fa tena asa mafy sy sarotra tokoa ny asan’ny mpanarato. Mety noho io antony io no nahatonga an’i Jesoa hiantso azy ireo ho mpianany satria tsy mora tahaka izany ihany koa ny tonga mpanarato olona araka ny voalazany amin’ity Evanjely ity manao hoe : « Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo ». Ny mahagaga dia tsy nisalasala akory ry Simôna sy i Andre rahalahiny fa nandao ny haratony niaraka tamin’izay, ka nanaraka Azy. Tahaka izany ihany koa ry Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny satria dia nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambokeliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy ireo rehefa nandre ny antsony. Tena mila fahavononana lalan-dava tokoa ny famaliana ny antson’i Jesoa ka na mbola teo ampanatanterahana ny asa fanaon’izy ireo an-davan’andro azy ireto mpianatra ireto dia nandao izany fa lasa avy hatrany nanara-dia an’i Jesoa ary tsy nisaraka taminy intsony.
Ohatra lehiba ho antsika ny nataon’ireto mpianatra ireto. Noho izany dia tsy maintsy vonona mandrankariva ihany koa isika hanara-dia an’i Jesoa na amin’ny mora na amin’ny sarotra satria efa nandray ny antsony ary nanaiky izany tamin’ny Batemy noraisintsika. Maro ny fomba ahafahantsika mamaly izany antso izany, fa ny adidy lehibe miandry antsika rehetra dia ny fahazotoana mivavaka sy mandray ireo Sakramenta samihafa omen’ny Fiangonana antsika. Rehefa mazoto mivavaka sy mandray Sakramenta tokoa isika dia mahazo hery ary afaka mitarika ny mpiara-belona amintsika ihany koa handray ny famonjena netin’i Kristy ka ho afaka handova ny Fanjakan’Andriamanitra miaraka aminy. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha-3 tsotra Mandavantaona izao mba ho maro ireo vonona hahamaly ny antson’i Jesoa ho mpianany ka hanaiky hataony mpanarato olona.
Iarahantsika mahalala fa ireo mpanao raharaha masina rehetra, dia ny Eveka sy ny Pretra mpiara-miasa aminy no manatanteraka ny asa nanirahan’i Jesoa ny mpianany ankehitriny koa mitalaho mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra isika mba hahafahan’izy ireo manatanteraka izany adidy izany. Androany moa no amaranana ny herin’andro iaraha-mivavaka ho an’ny firaisan’ny Mpino koa miara-mivavaka ihany koa isika mba samy hiezaka mandrakariva hahay hifanantona ka na eo aza ny fisarasarahana misy eo amintsika samy mpino an’i Kristy dia miantso antsika izy mba hiombona sy hiara-mivavaka ary hibebaka satria samy tiany handova ny Fanjakan’Andriamanitra daholo isika rehetra, izany no nilazany amin’ity Evanjely androany ity manao hoe : « tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely » (Mk. 1: 15).
P. Louis Martin
Assomptionniste