Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao

Alahady 28 Jiona 2015

Alahady Faha – 13 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

 


 

« Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao ; mandehana amim-piadanana » (Mk. 5: 34)

Ny hamonjy ny olona rehetra no nahatongavan’i Jesoa, tsy nizaha tavan’olona izy ary tsy nanavakavaka na iza na iza fa samy novonjeny daholo izay rehetra nitalaho famonjena taminy. Voalazan’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny fa niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanano hoe : « andeha isika hita ho eny an-dafin-drano » (Mk. 4: 35). Nambaran’ny Evanjely fa « nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao an-tsambo kely i Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy » (Mk. 4: 35). Fantatsika tsara ny tohin’ny tantara fa tamin’io fotoana io dia nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely. Noho ny tahotra dia nitalaho famonjena ny mpianatra ka niantsoantso mafy nanao hoe : « Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay? » (Mk. 4: 38). Fa i Jesoa kosa niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe : « Mangina, mitonia » (Mk. 4: 39). Taorian’izany dia voalazan’ny Evanjely fa nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. Mazava ho azy fa tafita teny amoron-dranomasina izy ireo ka ny zava-niseho tamin’io fotoana naha tafita an’i Jesoa sy ny mpianatra teny amoron-dranomasina io no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany.

Ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 13 tsotra Mandavan-taona izao ary fa « tamin’izany andro izany, dia niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka nony tafita, dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy. Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra, ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy, sady nihanta mafy taminy nanao hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao, mba ho sitrana sy ho velona izy » (Mk. 5: 21 – 23). Hitantsika amin’izao fa tamin’ny toerana rehetra nalehan’i Jesoa dia nitangoronan’ny vahoaka hatrany izy. Midika izany fa amin’ny toerana sy fotoana rehetra dia vonona hatrany izy ny hamonjy izay rehetra mitalaho ny fanampiany. Eto dia ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra mihitsy no niankohoka sy nihanta mafy taminy mba ho avy hanasitrana ny zanany vavy izay marary efa ho faty.

Vakiteny I : Fah. 1: 13 – 15, 2: 23 – 24

Tononkira : Sal. 30: 2, 4, 5 – 6, 11, 12, 13

Vakiteny II : 2 Kor. 8: 7, 9, 13 – 15

Evanjely : Mk. 5: 21 – 43

Tsy nisalasala i Jesoa nanoloana ny fiangavian’ity lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra ity fa nandeha avy hatrany satria araka ny ambaran’ny Evanjely dia « nandeha niaraka taminy Izy ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy » (Mk. 5: 23). Tamin’io fotoana io indrindra no « nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona, izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpitsabo maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. Nony nahare ny amin’i Jesoa izy, dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, fa hoy izy : “Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho”. Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy. Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny Tenany, ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe: “Iza no nanendry ny fitafiako ?” Ary hoy ny mpianany taminy : “Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka Ianao manontany hoe : Iza no nanendry Ahy ?” Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. Ary hoy Izy taminy : Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana ary sitràna amin’ny aretinao » (Mk. 5: 25 – 24).

Mazava ny fampianarana tian’ity Evanjely ity hampitaina amintsika satria ny finoana tao amin’ilay vehivavy nararary nandritra ny roa ambin’ny folo taona no nahavonjy azy. Tsy nisalasala kely akory izy nanendry ny akanjon’i Jesoa avy ao ivohony satria hoy izy : « na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho » (Mk. 5: 28). Tsy nilain’ity vehivavy ity akory ny teny avy amin’i Jesoa, tsy niangavy azy mba hametra-tanana aminy izy ary tsy nitaraina taminy akory fa noho ny finoana niredareda tao aminy dia nikasika an’i Jesoa fotsiny ihany izy ka nahazo fahasitranana. Io finoana io ihany koa no nameno ny fon’i Jaïra ka nahatonga azy hitondra an’i Jesoa ho any an-tranony. Ambaran’ny Evanjely fa « raha mbola niteny i Jesoa, dia tonga kosa ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga ka nanao taminy hoe : “Maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany ?” Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe : “Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany”. Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany rahalahin’i Jakoba » (Mk. 5: 35 – 37).

Voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity moa fa « nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa. Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe : “Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany ? Tsy maty razazavavy, fa matory”. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona ; fa Izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy, ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe : “Talità, komy” izany hoe: “Ry zazavavy, hoy Aho aminao : mitsangàna”. Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra, fa efa roa ambin’ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona » (Mk. 5: 38 – 42). Tena mahaliana tokoa ny mihaino ireto fahagagana roa nataon’i Jesoa ka ambaran’ny Evanjely androany ireto. Mampiseho miharihary amintsika fa rehefa manam-pinoana sy matoky an’i Jesoa dia tsy misy atahorana satria eo hatrany izy mamonjy izay mitalaho aminy.

Misy dikany lehibe ny nilazan’ny Evanjely fa nandritra ny roa ambin’ny folo taona no namparary ilay vehivavy nahazo fanasitranana rehefa nikasika ny akanjon’i Jesoa. Ambaran’ny Evanjely ihany koa fa efa roa ambin’ny folo taona ilay zanak’i Jaïra natsangan’i Jesoa. Ny isa roa ambin’ny folo eto dia milaza hafenoana izay midika fa misolon-tena ny olombelona rehetra ilay vehivavy narary sy ny zanaka vavin’i Jaïra nahazo ny famonjena avy amin’i Jesoa. Isika ihany koa dia mandray anjara feno amin’io famonjena nentin’i Jesoa io koa miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 13 tsotra Mandavan-taona izao mba hihamafy hatrany ny finoantsika satria rehefa manam-pinoana isika dia mamonjy antsika hatrany i Jesoa na inona na inona angatahintsika aminy tahaka ny nataony tamin’ilay vehivavy nikasika ny akanjony sy tamin’ny zanaka vavin’i Jaïra.

Isika no ilazan’i Jesoa hoe : « Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao ; mandehana amim-piadanana » (Mk. 5: 34). Tahaka izany mbola miteny amintsika ihany koa izy manao hoe : « aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany » (Mk. 5: 36). Noho izany dia amim-pinoana mandrakariva no anatonantsika azy sy italahoantsika ny famonjeny satria mihaino ny vavaka ataontsika izy. Amin’ny alalan’ny fahazotoantsika mihaino ny Teniny sy mandray ny Vatany ao amin’ny Eokaristia no ahafahantsika manatona azy, koa raha tiantsika ny hahazo ny famonjena avy amin’i Jesoa dia mamporisika antsika ny Fiangonana hazoto mivavaka sy mandray ireo Sakramenta samihafa omena antsika satria ireny no ahafahantsika mampiseho ampahibemaso fa manam-pinoana tokoa isika ka rehefa tonga ny fotoana hialantsika amin’ity tany fandalovana ity dia hitsena antsika i Jesoa ka hiteny hoe : « Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao ».

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1826