Alahady 04 janoary 2015
Fankalazana ny Epifania (Taona B)
« Aiza no hahaterahan’i Kristy? » (Mt 2, 4)
Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra satria dia nomeny tombon’andro manokana isika ka mahatratra izao taona vaovao 2015 izao. Noho izany dia amin-kafaliana lehibe no itondrana ny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika rehetra. Enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra Ray izay nandefa an’i Jesoa Zanany noho ny herin’ny Fanahy Masina, hanenika ny fiainantsika tsirairay avy mandritra izao taona vaovao manomboka izao mba hahafahantsika miaina ao anatin’ny fitiavana, filaminana, fiadanam-po ary fahombiazana tanteraka amin’izay atao, na eo aza ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao vanin’andro diavintsika izao. Androany moa no Alahady voalohany amin’ity taona vaovao ity ka rariny raha izay fiararian-tsoa sy fiarahabana izay no ifanolorantsika voalohany. Mbola ao anantin’ny fankalazana tanteraka ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo ihany koa isika androany satria araka ny fandaharan’ny Fiangonana azy dia ity Alahady anio ity no fankalazana ny Epifania. Araka ny efa nambarantsika teto tamin’ny taona lasa dia isaky ny Alahady faharoa manaraka ny Noely no ankalazana ny Epifania. Tsara ho marihina anefa fa amin’ny firenena sasany dia tsy anio no ankalazana ity fety lehibe ity fa isaky ny faha-06 janoary na tsy andro Alahady aza io daty io.
Tsara hatrany ny manamafy fa ny teny hoe « Epifania » dia midika indrindra ho fisehoan’i Jesoa miharihary amintsika olombelona fa izy no Mesia, Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao araka ny famaritana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mano hoe : « Ny Epifania no fisehoan’i Jesoa ho Mesian’i Israely, Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny Batemin’i Jesoa teo Jordany sy ny fampakaram-bady tao Kanà, no ankalazana amin’ny epifania ny fitsaohan’ireo “majy” avy any Atsinanana an’i Jesoa. Tao amin’ireo “majy” ireo, izay solontenan’ny fivavahan’ny jentily teo amin’ny tany manodidina, no ahitan’ny Evanjely ny santatry ny firenena maro izay mandray ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena tamin’ny alalan’ny Fahatongavana ho nofo. Ny fahatongavan’ireo majy tao Jerosalema, mba hitsaoka ny mpanjakan’ny Jody, dia mampiseho fa notadiavin’izy ireo tao amin’i Israely, tamin’ny fahazavan’ny Mesia nasehon’ny kintan’i Davida, Ilay izay ho mpanjakan’ny firenena rehetra. Ny fahatongavan’izy ireo no midika fa ny mpanompo sampy dia tsy afaka hahita an’i Jesoa sy hitsaoka Azy ho Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao raha tsy mitodika any amin’ny Jody, sy mandray avy amin’izy ireo ny fampanantenana Mesia ho azy ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny Epifania no mampiseho fa ny “hafenoan’ny jentily dia ny miditra ao amin’ny fianakavian’ny patriarka” sy ny fahazoany ny tombon-tsoa natokana ho an’i Israely (Israelitica dignitas) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 528).
Vakiteny I : Iz. 60, 1 – 6
Tononkira : Sal. 72, 1 – 2. 7 – 8. 10 – 11. 12 – 13
Vakiteny II : Ef. 3, 2 – 3, 5 – 6
Evanjely : Mt 2, 1 – 12
Mazava araka ny voalazan’io fampinarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io fa ny fitsaohan’ireo “Majy” avy any atsinanana an’i Jesoa no ankalazaina amin’ny Epifania. Izany rahateo no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Ary rahefa teraka tao Betlehema any Jodea Jesoa tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema nanao hoe: Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankaty mba hitsaoka azy » (Mt. 2, 1 – 2). Araka ny volazan’ity Evanjely androany ity dia taitra i Heroda mpanjaka sy ny mponina rehetra tao Jerosalema nahita ireto Majy avy tany antsinana ireto. Izany no nahatonga an’i Heroda mpanjaka hamory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka mba hanazava aminy izao zava-baovao izao. « Raha nahare izany Heroda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra, ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: Aiza no hahaterahan’ny Kristy? Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany: Ary hianao, ry Betlehema tanin’i Jodà, tsy hianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka izay hifehy ny oloko » (Mt. 2, 3 – 6).
Ambaran’ny Evanjely androany fa rehefa avy namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka i Heroda dia nalainy « mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy. Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe : “Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza ; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy”. Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa » (Mt. 2, 7 – 9). Tsy ny hitsaoka ilay Mpanjaka vao teraka anefa no tena hevitry Heroda fa ny hamono azy ka izany no antony tsy niverenan’ny Majy tany aminy intsony araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity manao hoe : « ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Heroda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany » (Mt. 2, 7 – 9). Hita miharihary fa noho ny fitiavam-pahefana sy tahotra ny hiala amin’ny fitondrana no nahatonga an’i Heroda hanontany hoe : Aiza no hahaterahan’ny Kristy ? Ny tena tao an-tsainy dia ny hamono ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo satria nihevitra izy fa io Zaza io no handray ny fahefana maha mpanjaka ka hahatonga azy hovery seza fiandrianana. Ny tsy fantatry Heroda anefa dia tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakan’i Jesoa araka ny voalazany manao hoe : « tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako : fa raha anisa’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody aho ; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako » (Jo. 18, 36).
Hatezerana no nameno ny fon’i Heroda nony nahita fa tsy niverina tany aminy intsony ny Majy fa nandeha lalan-kafa rehefa nody ho any amin’ny fonenany. Ireo Majy ireo kosa faly dia faly rehefa nahita an’i Jesoa Zazakely ka nanolotra fanatitra ho azy, araka ny voalaza amin’ity Evanjely androany ity manao hoe : « Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, ary rahefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny, ka niankohoka nitsoaka azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira » (Mt. 2, 10 – 11). Tahaka ireo Majy avy tany antsinana ireo dia faly ihany koa isika mamangy an’i Jesoa izay miandry antsika isan’andro ao amin’ny Sakramenta Masina. Noho izany dia manasa antsika ny Fiangonana amin’izao fankalazana ny Epifania izao mba hazoto handray ny Eokaristia sy hamangy an’i Jesoa matetika ao amin’ny Sakramenta Masina. Tsy volamena sy emboka manitra ary mira no atolotra azy amin’izany fa ny fo sy ny fiainantsika manontolo. Miara-mivavaka ary isika androany mba tena hovonona tokoa handray an’i Jesoa amin’ny alalan’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny Vatany Masina fa tsy ho tahaka an’i Heroda maniry hahita azy nefa manao izay hamonoana azy noho ny fitiavan-tena. Enga anie izao fankalazana ny Epifania izao hanamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa ilay Mesia, Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao.
P. Louis Martin
Assomptionniste