Tahaka ny nanandratan’i Moizy ny bibilava tany an’efitra...

Alahady 14 Septambra 2014
Fankalazana ny Fanandratana ny Hazofijaliana
Alahady Faha – 24 tsotra Mandavan-taona (Taona A)


 

« Tahaka ny nanandratan’i Moizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona koa » (Jo. 3, 14)

Amin’izao Alahady Faha – 24 tsotra Mandavan-taona izao no ankalazana ihany koa ny Fanandratana ny Hazofijaliana. Isaky ny faha-14 Septambra no ankalazana ity Fety lehibe ity ka na Alahady aza androany dia ankalazaina ny Fanandratana ny Hazofijaliana noho ny maha fety ankalazana manokana an’i Jesoa azy. Mazava ho azy fa i Jesoa nanolotra ny tenany ho faty teo amin’ny Hazofijaliana no ankalazaintsika androany ka ireo Vakiteny samihafa voatondro ho an’ity fankalazana ity no aroson’ny Fiangonana ho antsika fa tsy ireo izay voatondro ho an’ny Alahady Faha – 24 tsotra Mandavan-taona. Voalazan’ny teny fampidirana ao amin’ny Boky « Sorona Masina andavanandro » fa : « Ny voan’ilay hazo novolena tao am-paradisa an-tany no nitondra fahafatesana ho an’ny taranak’olombelona. Fa ilay Hazo natsatoka teo ambony Kalvery kosa dia nitondra famonjena ny be sy ny maro noho i Kristy ». Izany indrindra no ankalazantsika amin’ny fomba manetriketrika androany ny Fanandratana ny Hazofijalian’i Kristy mba hampahatsiaro antsika fa raha tsy nanolotra ny tenany teo amin’ny Hazofijaliana izy dia tsy nahazo ny famonjena isika.

Ireo Tenin’Andriamanitra izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity fankalazana ity no manambara mazava tsara fa i Kristy tokoa no ahazoantsika ny famonjena sy ny fitsanganan-ko velona noho ny fanolorany ny tenany ho faty teo amin’ny Hazofijaliana. Efa tandindon’io Hazofijalian’i Kristy io ny ambaran’ny Vakiteny voalohany androany izay milaza amintsika fa : « namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io làlana io, ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy Moizy hoe : Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony » (Fan. 21, 4b – 5). Ary Andriamanitra tamin’izay, noho io fanomezan-tsiny nahazo Azy sy Moizy io, dia « nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka : nokekerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’Israely » (Fan. 21, 6). Mety mihevitra angamba isika fa ratsy fanahy Andriamanitra tamin’ny nandefasany bibilava mahamay hamelezana ny vahoaka. Tsy haratsiam-panahy velively no nanaovany izany fa fananarana ny vahoaka Israely izay tsy vonona ny hiaritra ny mafy ka tsy nahatsapa akory fa Andriamanitra loharano ipoiran’ny fahasoavana rehetra no miaraka amin’izy ireo.

Vakiteny I : Fan. 21, 4b – 9

Tononkira : Sal. 78, 1 - 2. 34 - 35. 36 - 37. 38

Vakiteny II : Fil. 2, 6 – 11

Evanjely : Jo. 3, 13 – 17

 

Noho izay fananaran’Andriamanitra azy ireo izay dia nahatsapa ny hadisoany ny vahoaka ka nankeo amin’i Moizy ary nitalaho nanao hoe : « Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’ny Tompo sy hianao. Mivavaha amin’ny Tompo mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo. Dia nivavaka ho an’ny vahoaka Moizy, ka hoy ny Tompo tamin’i Moizy : Manaova hianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany. Dia nanao bibilava varahina Moizy, ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo lava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona » (Fan. 21, 7 – 9). Hitantsika amin’izao fa na teo aza ny fanomezan-tsiny nataon’ny vahoaka dia mbola Andriamanitra ihany no nanome azy ireo ny fahasoavana ka nahasitrana izay rehetra voakaikitry ny bibilava mahamay. Tahaka izany ny fiainantsika, matetika isika no manome tsiny an’Andriamanitra sy ireo mpitondra isan’ambaratongany rehefa tsy mahazo izay zavatra angatahintsika. Indraindray ireny zavatra angatahintsika ireny dia vokatry ny fihetseham-po fotsiny ihany ary tsy mifanaraka akory amin’ny lalana soritan’Andriamanitra ho antsika. Rehefa misy anefa ny manahirana sy ny fijaliana mahazo antsika dia tsy iza fa Andriamanitra ihany no afaka momonjy sy manome ireo fahasoavana ilaintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay nanolon-tena ho antsika teo amin’ny Hazofijaliana.

Tena tia antsika Andriamanitra ka na eo aza ny maha olombelona mpanota antsika dia tsy navelany ho very isika fa nirahiny ny Zanany tokana mba hamonjy antsika. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao » (Jo. 3, 16 – 17). Ny hamonjy an’izao tontolo izao sy hananan’ny olona rehetra ny fiainana mandrakizay no nahatongavan’i Jesoa teto an-tany, izany no nilazany fa « tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Moizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay » (Jo. 3, 13 – 15). Tsy misy isalasalana fa i Jesoa mihitsy no milaza amintsika eto fa avy any an-danitra Izy ary izay rehetra mino azy dia hanana ny fiainana mandrakizay.

Na eo aza anefa izay maha avy any an-danitra an’i Jesoa izay dia tsy nihevitra ny tenany ho ambony izy fa nietry tena tanteraka ary nanolotra ny ainy manontolo ho famonjena antsika. Izany no voalazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe : « I Kristy Jesoa na dia tao amininy fomban’Andriamanitra aza, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana » (Fil. 2, 6 – 8). Io fahafatesan’i Jesoa tamin’ny Hazofijaliana io no ankalazaintsika androany koa misaotra azy isika fa nahafoy ny ainy ho antsika izy mba ho fanavotana antsika.

Izay mino azy dia tsy ho very fa hanana ny fiainana mandrakizay, koa mitalaho mandrakariva ny fahasoavany isika mba hampitomboany ny finoana ao amintsika hahafahantsika mahazo tokoa ny fiainana mandrakizay miaraka aminy satria « nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra izy, sy nomeny anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray » (Fil. 2, 9 – 11). Mivavaka ihany koa isika mba tsy ho kivy sy tsy hanome tsiny an’Andriamanitra na ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany rehefa mamoifo sy misy zavatra manahirana na tsy mifanaraka amin’ny saintsika. Miahy antsika mandrakariva Andriamanitra tahaka ny nataony tamin’ny vahoaka Israely na dia nanome tsiny azy aza, koa ankino aminy izay manahirana antsika satria efa namonjy antsika izy tamin’ny nanirahany ny Zanany tokana izay miara-monina amintsika ary tsy mandao antsika na amin’ny mora na amin’ny sarotra.


P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.048