Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho

Alahady 21 Septambra 2014

Alahady Faha – 25 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho » (Mt. 20, 13)

Rehefa avy nankalaza ny Fetin’ny Fanandratana ny Hazofijaliana isika tamin’ny Alahady heriny dia miverina indray amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavan-taona ka ny Alahady Faha – 25 no ankalazaintsika androany. Ny fanoharana ny amin’ny tanim-boaloboka sy ny mpiasa no entin’i Jesoa manazava amintsika androany fa sady tsy manavakavaka Andriamanitra no marina amin’ny teny atao fa tsy mivadibadika tahaka antsika olombelona. Voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady Faha – 25 tsotra Mandavan-taona ity ary fa « ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy hankany amin’ny tanim-boalobony izy ireo. Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonanà-poana teny an-kianja ; ka andeha koa hianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antoniny. Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy : Nahoana hianareo no midonanà-poana eto mandritra ny andro? Fa hoy ireo taminy : Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy : Andeha koa hianareo mankany amin’ny tanim-boaloboko » (Mt. 20, 1 – 7).

Eto dia oharin’i Jesoa amin’ny tanim-boaloboka ny fanjakan’ny lanitra ary ny lehilahy tompon-trano dia tsy iza fa ny tenany ihany no ambarany eto satria izy no nirahin’Andriamanitra Ray tety ambonin’ny tany mba hanangona sy hamonjy ny olona rehetra tsy misy avakavaka satria ny faniriany dia mba hahatonga antsika rehetra ho afaka mandova ny fanjakan’ny lanitra. Araka ny voalazan’io fanoharana nataon’i Jesoa io dia samy antsoiny handova izany fanjakan’ny lanitra izany daholo ny olona rehetra. Tsy mitovy anefa ny fotoana anaovany izany fa misy ireo nahazo ny antso mialoha kokoa ary misy ireo izay amin’ny ora farany vao mandre izany antso izany. Eo anatrehany anefa dia mitovy daholo na ny nahazo ny antso hatramin’ny voalohany na ireo izay nantsoiny tamin’ny ora farany. Raha raisina amin’ny fiainana an-davan’andro amin’ny maha Kristianina dia hita tokoa fa maro amintsika no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tamin’ny mbola kely, misy anefa no nanao izany rehefa olon-dehibe saingy amin’i Jesoa dia tsy misy fanjakan’ny lanitra lehibe kokoa ho an’ny vita batemy mbola zaza na hoe kely kokoa no anjara lova any amin’ny fanjakan’ny lanitra ho an’ ireo izay natao batemy efa olon-dehibe.

Vakiteny I : Iz. 55, 6 – 9

Tononkira : Sal. 145, 2 - 3. 8 – 9. 17 – 18

Vakiteny II : Fi. 1, 20c – 24. 27a

Evanjely : Mt. 20, 1 – 16a

Isika olombelona no be kajikajy fa amin’Andriamanitra dia mitovy daholo isika eo anatrehany. Izany no nahatonga an’i Jesoa nanohy ny fanoharana nataony ka nilazany fa « nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany : Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany aminny voalohany. Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe : Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovinao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro. Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo : Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho ; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? Alao ny anao, dia mandehana, fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho? Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany ; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy » (Mt. 20, 8 – 16).

Ambaran’ity fanoharana nataon’i Jesoa ity fa « nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe : Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovinao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro » (Mt. 20, 11 – 13). Raha ny marina dia tsy tokony ho nimonomonona tamin’ny tompon-trano izy ireo satria tsy tafiditra tao amin’ny fifanarahana natao hatramin’ny voalohany ny hoe ireo izay tonga aloha dia mahazo denie roa na telo fa ireo tonga tara kosa dia mahazo latsak’izany. Tamin’ny fanombohan’ny fanoharana dia voalaza mazava tsara fa « ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy hankany amin’ny tanim-boalobony izy ireo » (Mt. 20, 1 – 2). Izany hoe hatramin’ny voalohany dia denie iray no nifanarahana ary tsy nisy fiovany izay fifanarahana izay na dia nisy aza ny tonga tamin’ny ora farany.Izany rahateo no voalazan’ilay tompon-trano nanao hoe : « Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho ; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? » (Mt. 20, 13)

Tena toetra fahita amin’ny fiainantsika olombelona tokoa ny manome tsiny amin’ny zavatra tsy nifanarahana. Tahaka ireto mpiasa tonga voalohany ireto, araka ny vovoalazan’ny fanoharana nataon’i Jesoa, dia maro amintsika ihany koa no mimonomonona fa hoe miangatra Andriamanitra fa tsy mba mamaly vavaka anefa dia hatramin’ny fahazazana no nanompoana sy niderana azy ary nanaovana ny sitra-pony tamin’ny fitandremana ny didiny. Mety misy amintsika angamba no halaim-panahy hiteny hoe tena maty antoka izany izay nivavaka sy vita Batemy hatramin’ny fahazazana. Tsy misy fetra ny fitiavan’Andriamanitra ary tsy mba manao kajikajy izy fa izay nampanantenainy dia tanterahiny, noho izany dia tsy maty antoka velively izay mino sy mandray azy hatramin’ny fahazazana satria efa nambaran’i Jesoa ihany koa fa tsy misy mahalala na ny andro na ny ora ka izay vonona sy efa niomana handray azy ihany no ho voavonjy. Izany rahateo no ambaran’Izaia mpaminanany ao amin’ny Vakiteny voalohany androany manao hoe : « Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita izy ; miantsoa azy dieny mbola akaiky izy. Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny làlany, ary ny meloka amin’ny heviny ; ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindrany fo ; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka izy. Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo, tsy mba làlako. Teny marin’ny Tompo. Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo » (Iz. 55, 6 – 9).

Miara-mivavaka isika amin’izao Alahady Faha – 25 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hitady ny Tompo marina tokoa. Tena mety ho hita tokoa izy satria sady mandray azy amin’ny Teniny isika no mandray azy amin’ny alalan’ny Eokaristia sy ireo sakramenta rehetra omen’ny Fiangonana antsika. Ambaran’i Jesoa amin’ity fanoharana androany ity moa  « fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy ». Mitalaho aminy ary isika mba ho anisan’ny ho voafidy handova ny fanjakan’ny lanitra. Mazava ho azy fa ireo mimonomonona, izany hoe, ireo izay tsy matoky ny fahasoavany fa be kajikajy ka indraindray mivavaka, indraindray kamo na mivily lalana mihitsy aza, no ambarany eto fa nantsoina saingy tsy ho anisan’ny voafidy. Ireo miankina aminy sy manara-dia azy kosa na eo aza ireo fitsapana isankarazany izay tsy maintsy iaretana dia tsy ho maty antoka velively satria matoky fa ho anisan’ireo voafidy. Koa amim-pinoana mandrakariva no ametrahantsika amin’Andriamanitra ny fitokiantsika satria efa nifidy antsika ho zanany hatramin’ny Batemy izy ka na eo aza ny fahalemena amin’ny maha olombelona dia tsy manary antsika izy fa mandray antsika ho any amin’ny fanjakany rehefa miverina aminy isika araka ny voalazan’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe : « manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely hianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe : maharitra amin’ny fanahy iray hianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely » (Fi. 1, 27).



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01