Alahady 26 oktobra 2014
Alahady Faha – 30 tsotra Mandavan-taona (Taona A)
« Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna? »
(Mt. 22, 36)
Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa tsy nanan-kalahatra manoloana ny fampianarana nataon’i Jesoa ny Farisiana ka nitady izay fomba hamandrihana azy amin’ny teniny mba hahazoana porofo hanamelohana azy. Mba hahafahan’izy ireo manao izany dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herodiana izy ireo hanontany an’i Jesoa raha mety na tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara. Fantatr’i Jesoa anefa fa famandrihana azy io fanontaniana io ka novaliany hoe: « aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra » (Mt. 22, 21). Araka ny voalazan’ny Evanjely moa dia « gaga ireo nony nandre izany, ka nandao azy dia lasa ». (Mt. 22, 22). Mazava fa tsy nanan-kalahatra intsony ireto mpianatry ny Farisiana niaraka tamin’ny Herodiana ireto ka lasa nandao an’i Jesoa ary niteny tamin’ny mpaniraka fa tsy nahita fomba hambandrihana azy. Ny tohin’io Evanjely tamin’ny Alahady heriny io moa dia ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ny Sadoseana, izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka tonga nanatona azy sy nanontany azy mahakasika indrindra io fitsanganan’ny maty io (Mt. 22, 23 – 33). Tsara ho marihina fa ity resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ny Sadoseana ity dia tsy voalahatra hovakiana amintsika androany saingy tsara ihany ny milaza izany mba hahafahantsika mahazo ny fizotry ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ireo izy nitady fomba hamandrihana azy.
Ny tohin’ny resaka nifanaovan’i Jesoa sy ny Sadoseana mahakasika ny fanontaniana nataon’izy ireo momban’ny fitsanganan’ny maty araka ny voalazan’ny Evanjely, dia niafara tamin’ny famalian’i Jesoa azy ireo nanao hoe : « ary ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mba novakinareo va ny teny nolazain’Andriamanitra taminareo hoe : Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakoba? Nefa tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona » (Mt. 22, 31 – 32). Noho izany indrindra dia « gaga ny vahoaka nony nandre izany fampianarany izany » (Mt. 22, 33) ka maro no nino sy nanaiky ny fampianarany. Manoloana izany indrindra dia ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 30 tsotra Mandavan-taona izao fa mbola nitady fomba hafa indray ny Farisiana hamandrihana an’i Jesoa rehefa nandre fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana manoloana ny fanontaniana nataon’izy ireo momban’ny fitsanganan’ny maty. « Nony ren’ny Farisiana fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana, dia nivory izy rehetra ; ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo nanontany azy mba haka fanahy azy hoe : Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna? » (Mt. 22, 34 – 37).
Vakiteny I : Eks. 22, 20 – 26
Tononkira : Sal. 18, 2 – 3a. 3bc – 4. 47. 51a – 51b
Vakiteny II : 1 Tes. 1, 5c – 10
Evanjely : Mt. 22, 34 – 40
Teo amin’ny fomba Jody dia tsy maintsy tanterahina daholo ny didy rehetra ary tsy misy azo atao ambanin-javatra fa ny tsy fanantanterahana ny didy iray na dia kely indrindra aza dia maha voasazy. Izany no nahatonga ity mpahay Lalàna tamin’ny Farisiana ity hanontany an’i Jesoa mba haka fanahy azy mahakasika izay didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna. Ny tena tanjon’ity mpahay Lalàna ity dia ny haka fanahy an’i Jesoa raha mahay ny didy rehetra ka hilaza fa tsy maintsy tanterahina daholo izany didy izany na ny sasany ihany no hambarany ka mety hilaza izy fa ireo sasany ireo dia tsy misy lanjany loatra ka tsy tokony ho tanterahina. Raha tsaroantsika dia maro amin’ireo didy ao amin’ny Lalàna Jody no nifamalian’i Jesoa sy ny Farisiana, anisan’izany ohatra ny amin’ny tsy maintsy anasana tanana alohan’ny hisakafo, teo ihany koa ny tsy tokony hanaovany asa fanasitranana amin’ny andro Sabata sy ny maro hafa koa. Araka izany dia mety nihevitra ity Farisiana mpahay Lalàna ity fa hambaran’i Jesoa eo imason’ny vahoaka rehetra fa tsy ilaina ireny lalàna ireny ka tsy tokony ho tanterahina. Raha nanao izany anefa izy dia voaheloka avy hatrany satria mitarika ny olona tsy hanara-dalàna.
Diso hevitra tanteraka anefa ilay Farisiana mpahay Lalàna satria tena nahitsy sady nazava ny valin-tenin’i Jesoa ny amin’ny hoe : inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna ? Ambaran’ity Evanjely androany ity fa : « hoy Jesoa taminy : Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra, ary amin’ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany ; ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao : Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin’izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany » (Mt. 22, 38 – 40). Tsy nandany andro nitanisa ireo didy marobe ao amin’ny Lalàna Jody i Jesoa, tamin’ny fomba tsotra no nilazany fa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna. Marina tanteraka ny valin-teniny ary tsy misy afaka mandà izany satria izay rehetra voalaza ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany dia mahakasika izay fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana izay daholo. Tsy isalasalana fa tsy nanan-kavaly manoloana ity valin-teny nataon’i Jesoa ity ilay Farisiana mpahay Lalàna, araka ny voalazan’ny Evanjely aza dia « hatramin’izay dia tsy nisy sahy nanontany azy intsony » (Mt. 22, 45).
Isika rehetra ihany koa no asain’i Jesoa hanantanteraka io didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna io. Voalohany dia manasa antsika izy ho tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra, sy amin’ny fanahintsika rehetra, ary amin’ny saintsika rehetra. Izany hoe, manasa antsika izy tena hivavaka marina amin’ny fontsika rehetra, sy amin’ny fanahintsika rehetra, ary amin’ny saintsika rehetra fa tsy hoe hanao izany ho adidy fotsiny na ho fisehosehoana ety ivelany fotsiny fa mpivavaka sy Kristianina mafana fo nefa ny ao anaty ao tsy mifanaraka amin’izany velively. Ny tsirairay moa no mahalala ny toe-po entiny mitia an’Andriamanitra fa tsy misy afaka ny hitsara izany ka anjarantsika no miezaka hampiseho izany amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka Alahady sy mandray ireo Sakramenta izay famatarana hita maso fa tena tia an’Andriamanitra tokoa isika.
Manaraka izany dia manasa antsika i Jesoa ho tia ny namana. Tsy afa-misaraka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana satria hataontsika ahoana tokoa moa ny hitia an’ilay Andriamanitra tsy hita maso raha toa ka ny namana miara-monina amintsika aza tsy tiantsika. Eto ny namana dia ireo rehetra mifanerasera sy miara-monina amintsika, eny fa na ireo izay heverintsika fa fahavalo aza dia namana daholo ka ny fitiavana azy ireny no manamafy ihany koa ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Miara-mivavaka ary isika androany mba hihamafy hatrany ny fitiavantsika an’Andriamanitra ka hampifanaraka izany amin’ny fitiavantsika ny namana. Amin’izay dia tsy hisalasala isika hamerina ny Salamo izay omen’ny Fiangonana antsika amin’ity Alahady Faha – 30 tsotra Mandavan-taona ity manao hoe : « Tiako hianao, ry Tompo heriko, haram-batoko, mandako, mpanafaka ahy, Andriamanitro, vatolampiko izay hahitako fialofana, ampingako, tandro-pamonjena ahy, trano mimandako! » (Sal. 18, 2 – 3a).
P. Louis Martin
Assomptionniste