Alahady 27 aprily 2014
Alahady faharoan’ny Paka (Taona A)
« Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana »
(Jo. 20: 22 – 23)
« Ho aminareo anie ny fiadanana! » hoy i Jesoa rehefa niseho tamin’ny mpianatra taorian’ny nitsanganany ho velona. Araka ny voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana amin’izao Alahady faharoan’ny Paka izao tokoa dia tsy niandry ela fa ny harivan’ny nitsanganany tamin’ny maty ihany dia efa niseho tamin’ny mpianatra nivory tao an-trano i Jesoa ka io firariana ny fiadanana io no teny voalohany nataony tamin’izy ireo. « Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana! » (Jo. 20 : 19). Ny hitondra fiadanana ho an’izao tontolo izao no nahatongavan’i Jesoa ka tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona no nanatanterahany izany. Io fiadanana netin’i Jesoa io no manambara ny famindram-pon’Andriamanitra ho antsika olombelona mpanota ka izany no antony iantsoana ity Alahady faharoa amin’ny Paka ity ihany koa hoe Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra.
Tena be famindram-po tokoa Andriamanitra satria na mpanota tsy mendrika aza isika dia natolony i Jesoa Zanany hamonjy antsika. Maro tokoa ny asam-pamonjena notanterahin’i Jesoa satria nitory ny Vaovao Mahafaly izy, nanasitrana ny marary ary nadroaka demony, saingy mba hahatontosa izany famonjena izany, araka ny nanirahan’ny Ray azy, dia natolony hampijaliana ny tenany ka nanaiky ho faty teo amin’ny Hazofijaliana izy mba hisolo heloka antsika. Izany tokoa no tena fara-fitiavana ka anasan’ny Fiangonana antsika androany mba handinika lalina ny halehiben’ny famindram-pon’Andriamanitra amintsika. Nanolo-tena ho faty teo amin’ny Hazofijaliana tokoa i Jesoa mba ho famonjena antsika ho afaka amin’ny gejan’ny fahotana saingy nitsangan-ko velona izy mba hahazoantsika ny fiadanana marina. Tsy nifarana tamin’ny fotona nijalin’i Jesoa sy nahafatesany ary nitsaganany ho velona anefa ny tantaram-pamonjena fa nitohy hatrany satria tahaka ny nanirahan’ny Ray azy no anirahany ny mpianatra ihany koa hanohy ny asam-pamonjena efa natombony. Izany no nilazany tamin’izy ireo manao hoe : « Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko ahy no anirahako anareo koa » (Jo. 20 : 21).
Ho fanohizana izay asam-pamonjena izay ary dia nirahin’i Jesoa ny mpianatra mba hitondra ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny famelana ny fahotana satria araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity dia nomen’i Jesoa ny Fanahy Masina izy ireo ary nandray ny fahefana avy aminy mba ho afaka hamela ny fahotan’ny olona. « Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana » (Jo. 20 : 22 – 23). Hitantsika amin’izao fa tena i Jesoa tokoa no namorona ny Sakramentan’ny famelan-keloka satria fatantsika tsara fa Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana rehetra koa amin’ny maha Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa dia manana ny fahefana feno hamela ny fahotana rehetra Izy. Noho ny fahefana maha-Andriamanitra Azy, dia omeny ny mpianatra io fahefana io mba hampiasan’izy ireo izany amin’ny anarany. Izany fahefana nomen’i Jesoa ny mpianatra izany no ifandovàna ato amin’ny Fiangonana ka mahatonga antsika ihany koa ankehitriny hanantona amim-pitokiana ny Sakramentan’ny Famelan-keloka dia ny Sakramentan’ny Fampiahavanana izany.
Vakiteny I : Asa. 2: 42 – 47
Tononkira : Sal. 118: 2 – 4, 13 – 15, 22 – 24
Vakiteny II : 1 Pi. 1: 3 – 9
Evanjely : Jo. 20: 19 – 31
Araka izany dia ireo dimbin’ny apôstôly no mpandraharaha masina amin’ity sakramentan’ny Fampiahavanana ity satria izy ireo no manana ny fahefana feno nifandovana avy amin’i Jesoa. Mazava dia mazava ny fampinaran’ny Fiangonana mahakasika izany. « Satria nankinin’i Kristy tamin’ireo apôstôliny ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana, noho izany, ireo Eveka dimbin’izy ireo, sy ny Pretra mpiara-miasa amin’ny Eveka no manohy ny fampiasana io andraiki-panompoana io. Araka izany, ny Eveka sy ny Pretra, noho ny sakramentan’ny Filaharana, no manana ny fahefana hamela ny fahotana rehetra “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”. Mampihavana amin’Andriamanitra ny famelana ny fahotana, nefa koa mampihavana amin’ny Fiangonana. Noho izany, rariny ny fiheverana hatramin’ny ela, ny Eveka, filoha hita maso eo amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ho manana voalohany indrindra ny fahefana sy ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana : izy no mpanalefaka ny fitsipi-pifehezana momba ny fivalozana. Ny Pretra, mpiara-miasa aminy, dia mampiasa izany araka izay nandraisan’izy ireo ny adidy aman’andraikitra momba izany na avy amin’ny Evekany (na avy amin’ny lehibem- pikambanan-drelijiozy), na avy amin’ny Papa, amin’ny alalan’ny lalànan’ny Fiangonana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1461 sy 1462).
Mazava ary tsy misy isalasalana fa tena voavela tokoa ny fahotana rehetra ambarantsika ny Eveka na ny Pretra ka angatahantsika ny famelan-keloka amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampiahavanana. Noho izany araka ny voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1464 sy 1465 dia « tokony hamporisika ny mpino ny Pretra handray ny sakramentan’ny Fivalozana ary tokony hampiseho fahavononana hankalaza io sakramenta io izy ireo isaky ny mangataka izany amin’ny fomba ara-drariny ny kristianina. Amin’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fivalozana, dia tanterahin’ny Pretra ny andraiki-panompoan’ilay Mpiandry ondry Tsara izay mitady ny ondry very, ny an’ilay Samaritanina Tsara fanahy izay mitsabo ny fery, ny an’ilay Ray miandry ny Zanaka mpandany sy mandray azy amin’ny fiverenany, ny an’ilay mpitsara marina izay tsy mizaha tavan’olona, ka sady marina no feno indrafo ny fitsaràny. Raha fintinina, ny Pretra no famantarana sy fitaovan’ny fitiavana be famindram-pon’Andriamanitra ny mpanota ».
Tena Sakramentan’ny famindram-pon’Andriamanitra tokoa ny Sakramentan’ny Fampiahavanana, koa amin’izao Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra izao ary dia miara-mangataka ny Fanahy Masina isika mba hitari-dalana antsika ho vonona mandrankariva handray izany Sakramentan’ny Fampiahavanana izany. Tsy sakramentan’ny fanamelohan-tena izy io ary tsy sakramenta mahamenatra ihany koa satria ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity dia tsy tompony fa mpanompo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ka mila miray saina sy miray fo amin’i Kristy tompon’ny fahefana feno amin’ny famelana ny fahotana. Tena saro-pady tokoa io sakramenta io ka ny mpandraharaha masina rehetra izay mampikônfesy dia voadidin’ny lalànan’ny Fiangonana tsy hamoaka ny tsiambaratelo rehetra mikasika ny fahotana izay nambaran’ny olona mikônfesy. « Amin’ny mahasaro-pady sy mahalehibe ity andraiki-panompoana ity sy ho fanajana atao amin’ny olona, dia ambaran’ny Fiangonana fa ny Pretra rehetra izay mampikônfesy dia voadidy tsy hamoaka ny tsiambaratelo rehetra mikasika ny fahotana izay nolazain’ny mpivalo taminy, raha tsy izany dia hiharan’ny sazy faran’izay henjana izy. Tsy azony atao mihitsy koa ny mampahalala ny olona, fa ny kônfesy no nahafantarana ny amin’ny fiainan’ilay mpivalo. Izany tsiambaratelo izany, izay tsy misy fanavahana, dia antsoina hoe “fitomboka ara-tsakramenta”, satria izay nahariharin’ny mpivalo tamin’ny Pretra dia mijanona ho “mihidy amin’ny fitomboka” amin’ny alalan’ny sakramenta » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha –1467).
Androany moa dia fotoan-dehibe tokoa ho antsika Katolika satria ity Alahady faharoa amin’ny Paka izay ankalazana ny Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra ity no asandratra ho olomasina ny Papa Joany XXIII sy ny Papa Joany Paoly II. Miara-misaotra an’Andriamanitra isika noho izany fahasoavana lehibe izany. Amin’ny maha dimbin’i Md Piera an’ireto Papa roa ireto, dia miara-mivavaka amin’izy ireo isika, midera sy misaotra an’Andriamanitra ka tsy misalasala mamerina amim-pinoana ny voalazan’i Md Piera ao amin’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe : « Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra, dia anareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany » (1 Pi. 1: 3 – 5).
P. Louis Martin
Assomptionniste