Raiso ny Fanahy Masina

Alahady 08 Jiona 2014
Alahady Pantekôty (Taona A)

« Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe : Raiso ny Fanahy Masina »
(Jo. 20 : 22)

 

Dimam-polo andro lasa izay no nankalazantsika ny Alahadin’ny Paka ka nandritra izany no nandinihantsika lalindalina kokoa ny misterin’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, izay fototra iorenan’ny finoantsika. Ireo Tenin’Andriamanitra naroson’ny Fiangonana ho antsika nandritra izay dimam-polo andro izay dia samy nanamafy daholo fa rehefa avy niaritra fijaliana sy nandalo ny fahafatesana i Jesoa dia tena nitsangana tamin’ny maty tokoa ary niakatra any an-danitra ka mipetraka eo an-kavanan’ny Ray. Mino isika fa velona mandrankizay Izy, izany no ambarantsika amin’ny vavaka Fiekem-pinoana ataontsika manao hoe : « Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana... Nofantsihana tamin’ny hazofijaliana ho antsika tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty. Nijaly ary nalevina. Nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina. Niakatra any an-danitra dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray ». Azo ambara fa voafehin’io vavaka Fiekem-pinoana io ny foto-pinoana ijoroantsika dia ny misterin’ny Paka, hatramin’ny nijaliany sy namantsihana azy tamin’ny hazofijaliana ka hatramin’ny niakarany any an-danitra. Io Jesoa velona mandrankizay any an-danitra ka mipetraka eo an-kavanan’ny Ray io no nandefa ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly araka ny fampanantenana nataony.

Tsy tamin’ny andro niakaran’i Jesoa tany an-danitra ihany anefa no nampanantenany ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly fa hatramin’ny andro voalohany nitsanganany tamin’ny maty mihitsy. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana ny Pantekôty androany izao. « Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana!... Tahaka ny nanirahan’ny Raiko ahy no anirahako anareo koa. Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe : Raiso ny Fanahy Masina » (Jo. 20 : 19, 21 – 22). Raha ity Evanjely androany ity izany no dinihina lalina dia hita fa tsy misy fitantarana mivantana mahakasika ny fidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly mihitsy. Na tsy miresaka momba izany aza anefa ny Evanjely dia tsy azo lavina fa tena nisy tokoa io fidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly io satria izy ireo no vavolombenona nanatri-maso sy niaina ny zava-niseho tamin’izay fotoana izany ka mitantara amintsika ny fomba nidinan’ny Fanahy Masina tamin’izy ireo.

Araka ny voalazan’ny Boky mitantara ny Asan’ny Apostoly izay aroso antsika androany dia mazava tsara ny zava-niseho tamin’izany fotoana izany satria « nony tonga ny andron’ny Pantekôty, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray izy rehetra, ary tampoka, inay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany, sady nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teny amboniny tsirairay avy, ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy. » (Asa. 2 : 1 – 4). Mazava araka izany, ary tsy azo lavina fa ireo Apostoly ireo no vavolombelona manambara fa tena nisy tokoa io fidinan’ny Fanahy Masina tamin’izy ireo io ka tamin’ny andron’ny Pantekôty no nisehoan’izany rehetra izany. Tsy ny Apostoly ihany fa ireo vahoaka maro be nahita azy ireo niteny tamin’ny fiteny maro samihafa ihany koa dia vavolombelona nanambara fa tena nandray ny Fanahy Masina tokoa izy ireo. « Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema, avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra. Nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra. Gaga sy talanjona izy ireo ka vaky nanao hoe: Adre! tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo? Ka ahoana àry ity isika no samy mandre azy miteny ny fitenin-drazantsika avy » (Asa. 2 : 5 – 8).

Tsy misy isalasana araka izany fa tena misy tokoa ny Fanahy Masina ary tena nidina tamin’ny Apostoly tamin’ny andron’ny Pantekôty. Izany no mahatonga antsika hilaza amin’ny vavaka Fiekem-pinoana ataontsika manao hoe : « Izaho mino ny Fanahy Masina. Tompo Loharanon’aina avy amin’ny Ray sy ny Zanaka. Tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Ary niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany ». Ny filazana fa niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany ny Fanahy Masina dia midika fa niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany nandritra ny fotoana nifandimby Izy, niteny tamin’ny vavan’ny Apostoly ary mbola miteny amin’ny vavan’ny dimbin’ny Apostoly izay mpaminany vaovao sy hita maso ankehitriny. Izany no antony anomezana antsika ny Sakramentan’ny Fankaherezana amin’ny alalan’ny Eveka izay dimbin’ny Apostoly. Io Sakramentan’ny Fankaherezana io tokoa no andraisantsika amin’ny fomba nanonkana ny Fanahy Masina ka mahatonga antsika hahazo hery tahaka ny Apostoly ka afaka mijoro ho vavolombelon’ny finoana amin’ny seha-piainana misy antsika tsirairay avy.

Azo ambara ary fa isika ihany koa dia mandray ny Fanahy Masina, ary Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra araka ny voalazan’ny Md Paoly amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy; maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany ; ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro. Fa toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa ny Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na jentily, na andevo na olom-potsy; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra » (1 Kor. 12: 4 – 7, 12 – 13). Tena samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy tokoa isika tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro, koa amin’izao fankalazana ny Pantekôty izao dia miara-mangataka ny Fanahy Masina isika mba hitari-dalana sy hanome fahasoavana antsika. Io Fanahy Masina io no mankahery antsika koa mangataka ny fahasoavany isika mba hankahery antsika eo ampiatrehana ny adidy sy andraikitra ary ny zava-manahirana isankarazany mianjady amintsika. Enga anie ny Fanahy Masina no hitari-dalana antsika isan’andro amin’izay rehetra ataontsika.

 

 

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081