Alahady 01 Jiona 2014
Fankalazana ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra (Taona A)
Alahady Fahafito amin’ny Paka (Taona A)
« Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao »
(Jo. 17: 1)
Ho an’izay mbola tsy mahalala dia mety ho gaga raha mahita fa sady fankalazana ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra androany no Alahady Fahafito amin’ny Paka ihany koa. Efa nohazavaina teto ihany izy io tamin’ny taona lasa saingy tsy maha-sasatra ny mamerina izany fanazavana izany androany, indrindra ho an’ireo izay mbola tsy mahalala. Raha ny tokony ho izy tokoa mantsy ary mahazatra antsika Malagasy dia anio no ankalazana ny Alahady Fahafito amin’ny Paka satria tamin’ny Alakamisy lasa teo no nankalazana ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra. Amin’ny firenena maro anefa dia androany no ankalaza io Niakaran’ny Tompo any an-danitra io, ka araka ny efa nifampizarana teto tamin’ny taona lasa dia tsara ampahatsiahivina antsika fa ny Paka, ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra ary ny Pantekôty dia fety lehibe tokoa ho an’ny Kristianina rehetra. Ho antsika Katolika manonkana dia eken’ny Fiangonana ny fankalazana azy ireo amin’ny fotoana tsy mitovy arakaraky ny toerana na ny fombam-pivavahana arahina. Manaraka izany dia maro isika no mamaky ity fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra ataontsika eto ity. Ny an-kamaroantsika aza dia saika monina ivelan’ny Madagasikara ary miparitaka amin’ny firenena maro samihafa ka manaraka ny fomban-tanin’izay firenena ipetrahantsika izany. Noho izany dia natao izao fanazavana fohy izao mba hanamafisana hatrany fa tena tokana ary manerana ny tany tokoa ny Fiangonana Katolika ka misy ny fankalazana izay iombonana saingy azo atao amin’ny fotoana samy hafa arakaraky ny lamina misy eo amin’ny firenena iray.
Raha ireo Tenin’Andriamanitra izay aroson’ny Fiangonana ho antsika no dinihina dia hita miharihary fa efa fantatr’i Jesoa mialoha fa hiverina any amin’Andriamanitra Ray izay naniraka azy izy saingy mialohan’ny handehanany dia nametraka hafatra ho an’ny mpianatra ary nivavaka ho azy ireo ihany koa. Araka ny voalazan’ny Evanjely izay voatondro ho an’ny fankalazana ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra, dia nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa halehany ka « nony nahita azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka azy. Ary Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ; koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao » (Mat. 28: 16 – 20). Araka ny voalazan’ny Boky mitantara ny Asan’ny Apostoly dia teo amin’io tendrombohitra nasain’i Jesoa halehan’ny mpianatra io no niakarany any an-danitra satria « nony efa nilaza izany izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo ; ary nisy rahona nanakona azy, ka tsy hitan’ny masony intsony izy. Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany, dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany, nanao hoe : Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana hianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo azy niakatra any an-danitra » (Asa. 1: 9 – 11).
Vakiteny ho an’ny Fankalazana ny Niakaranan’ny Tompo any an-danitra (Taona A)
Vakiteny I : Asa. 1: 1 – 11
Tononkira : Sal. 47: 2 – 3, 6 – 7, 8 – 9
Vakiteny II : Efez. 1: 17 – 23
Evanjely : Mat. 28: 16 – 20
Vakiteny ho an’ny Alahady Fahafito amin’ny Paka (Taona A)
Vakiteny I : Asa. 1: 12 – 14
Tononkira : Sal. 27: 1, 4, 7 – 8a
Vakiteny II : 1 Pi. 4: 13 – 16
Evanjely : Jo. 17: 1 – 11a
Mazava araka izany fa tsy tantara noforonina ity niakaran’i Jesoa any an-danitra ity fa tena zava-nisy marina tokoa satria ireo mpianatra iraika ambin’ny folo no vavolombelona nahita maso ka nitory sy nanambara ary nampianatra izany tamin’ny firenena rehetra araka ny hafatra napetrak’i Jesoa tamin’izy ireo talohan’ny nandehanany. Manaraka izany dia i Jesoa mihitsy no nampahafantatra tamin’ny vavaka nataony fa tonga ny fotoana hiverenany any amin’ny Ray izay naniraka azy. Io vavaka nataon’i Jesoa mialohan’ny hiverenany any amin’ny Ray io moa no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho an’ny fankalazana ny Alahady Fahafito amin’ny Paka izay milaza indrindra fa : « Rahefa voalazan’i Jesoa izany, dia niandrandra ny lanitra izy, ka nanao hoe : Raiko ô, tonga ny fotoana : omeo voninahitra ny Zanakao, mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra anao, fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao azy. Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala anao hàny Andriamanitra marina sy Jesoa-Kristy izay nirahinao. Nanome voninahitra anao aho tety ambonin’ny tany, fa tanterako ny asa nomenao ahy hataoko. Ary ankehitriny kosa dia anao, Raiko ô, ny manome voninahitra ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao » (Jo. 17: 1 – 5).
Fampianarana lehiba no azontsika raisina amin’ity vavaka nataon’i Jesoa ity satria dia nambarany mazava tsara fa efa nanana ny voninahitra tao amin’ny Ray izy talohan’ny nahariana izao tontolo izao ary nanome voninahitra ny Ray tety ambonin’ny tany satria tanteraka ny asa nomena hataony dia ny famonjena antsika olombelona mpanota tamin’ny nanolorany ny tenany hampijaliana sy ho faty nefa nitsangan-ko velona. Tsy misy isalasalana izany fa i Jesoa mihitsy no nanambara fa tena Andriamanitra tokoa Izy satria efa tao amin’ny Ray talohan’ny nahariana izao tontolo izao ka mialohan’ny hiverenany any amin’ny Ray izay naniraka azy dia nivavaka ho an’ny mpianatra ary nilaza mazava tsara fa azy izay rehetra an’ny Ray. « Nitory ny anaranao tamin’ny olona nomenao ahy ao amin’izao tontolo izao Aho; Anao izy ireo, ka nomenao ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy. Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao ahy ; satria nomeko azy ny teny nomenao ahy ka noraisiny ; dia fantany marina fa avy aminao aho, ary ninoany tokoa fa hianao no naniraka ahy. Mangataka ho azy ireo aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao aho, fa ho an’izay nomenao ahy, satria anao izy ireo (fa anao izay ahy rehetra, ary ahy izay anao rehetra), ary nahazo voninahitra amin’izy ireo aho. Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony aho ; izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa izaho kosa ho any aminao (Jo. 17: 6 – 11a).
Araka ny hafatra napetrak’i Jesoa moa dia niteny tamin’ny mpianatra izy nanao hoe : « mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo ». Noho izany dia tsy ho an’ny mpianatra ihany no nanovan’i Jesoa ny vavaka fangatahana tamin’ny Ray fa ho antsika vita batemy rehetra ihany koa satria efa nampianarina hitandrina ny zavatra rehetra nandidiany ny mpianany isika. Misaotra an’Andriamanitra ary isika androany satria noho ny vavaka nataon’i Jesoa ho an’ny mpinatra sy ho atsika rehetra mpanara-dia azy taty aoriana dia maro ireo fahasoavana azontsika. Indraindray anefa dia tsy tsapantsika izany fahasoavana rasintsika avy amin’Andriamanitra izany, indrindra moa rehefa misy ny zavatra manahirana na rehefa tojo fahoriana sy fijaliana koa amin’izao Alahady Fahafito amin’ny Paka izao, sady ankalazantsika ihany koa ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra dia miara-mivavaka isika mba hiha-mafy hatrany ny finoantsika, hahafahantsika misaotra sy midera mandrankariva an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay mandrotsaka ny fahasoavany ho antsika isan’andro.
P. Louis Martin
Assomptionniste