Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro

Alahady 05 oktobra 2014

Alahady Faha – 27 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro » (Mt. 21, 42)

Tato anatin’ny Alahady telo mifanesy izao dia ny fanoharan’i Jesoa ny fanjakan’ny lanitra amin’ny tanim-boaloboka hatrany no ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika. Raha tsiahivina ny Evanjely tamin’ny Alahady Faha – 25 tsotra Mandavan-taona dia izao no nambarany : « ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy hankany amin’ny tanim-boalobony izy ireo. Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonanà-poana teny an-kianja ; ka andeha koa hianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antoniny. Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy : Nahoana hianareo no midonanà-poana eto mandritra ny andro? Fa hoy ireo taminy : Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy : Andeha koa hianareo mankany amin’ny tanim-boaloboko » (Mt. 20, 1 – 7).

Raha ny tamin’ny Alahady heriny indray, izany hoe tamin’ny Alahady Faha – 26 tsotra Mandavan-taona dia izao no nambaran’ny Evanjely : « Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe : Andeha, anaka, miasa any amin’ny tanim-boaloboko anio. Tsy handeha aho, hoy izy ; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Handeha aho, tompoko, hoy io ; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy? Ny lahimatoa, hoy ireo » (Mt. 21, 28– 31). Amin’ity Alahady Faha – 27 tsotra Mandavan-taona ity kosa dia izao no ambaran’i Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika : « Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe : Mihainoa fanoharana hafa koa : Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka ; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo ; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy. Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanim-boalobony ; fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hanaja ny zanako izy, hoy izy. Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe : Ity ny mpandova ; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany, Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan’ny tanim-boaloboka, ary novonoiny » (Mt. 21, 33 – 39).

Vakiteny I : Iz. 5, 1 – 7

Tononkira : Sal. 80, 9. 12. 13 – 14. 15 – 16. 19 – 20

Vakiteny II : Fi. 4, 6 – 9

Evanjely : Mt. 21, 33 – 43

Raha ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity no dinihina lalina dia hita miharihary fa efa fantatr’i Jesoa fa hampijalian’ireto lohandohan’ny mpisorona sy loholona ireto izy. Tahaka ny nahazo ireo Mpaminany nifandimby nandritra ny taona maro izay nenjehina sy novonoina no tsy maintsy hihatra amin’i Jesoa ihany koa. Mazava eto fa ireo Mpaminany nenjehina sy novonoina ireo no ohariny amin’ny ankizilahy maromaro izay nirahin’ ilay lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka mba handray ny vokatry ny tanim-boalobony. Azo lazaina fa tsy mora ny manao ny asan’ny Mpaminany satria mitaky fahavononana hiaritra fanenjehena sy fahafatesana mihitsy aza. Ankehitriny dia isika vita Batemy rehetra no antsoina hanao izany asan’ny Mpaminany izany satria tamin’ny alalan’ny Batemy noraisintsika dia nandray antsika ho zanany Andriamanitra ka nahatonga antsika ho Mpaminany sy Mpisorona ary Mpanjaka. Araka izany dia tsy maintsy vonona ny hiaritra fanenjehana sy fijaliana ihany koa isika amin’ny maha Kristianina antsika. Iaraha-mahalala ny zava-misy ankehitriny fa maro ireo Kristianina no voatery mandositra sy miala ny taniny noho ny fanejehena mahazo azy ireo. Mivavaka ho azy ireo isika ary miombona amin’izy ireo tanteraka satria noho ny fifikiran’izy ireo amin’ny fionoana no maha tonga azy ireo hiaritra fanenjehana sy fijaliana.

Rehefa avy nilaza io fanoharana io moa i Jesoa dia niteny tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy loholona nihaino azy ireo nanao hoe : « Koa rahefa tonga ilay tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany ? » (Mt. 21, 40). Namaly izany fanontanian’i Jesoa izany moa izy ireo araka ny voalazan’ity Evanjely ity manao hoe : « Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany » (Mt. 21, 41). Rehefa nandre izany valin-teny izany i Jesoa dia namarana ny resaka nifanaovan’izy ireo ary nilaza mazava tsara fa izy tenany ihany no tiany hambara amin’ny fanoharana nataony. « Dia hoy Jesoa taminy : Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika ? Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy » (Mt. 21, 42 – 43).

Tsy hafa fa i Jesoa ihany no ilay « vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro » satria niaritra fijaliana maro tokoa izy tamin’ny fanatanterahana ny iraka nampanaovin’Andriamanitra Ray azy, dia ny famonjena antsika olombelona. Niaritra fanenjehana izy, nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana ary maty, saingy nitangana tamin’ny maty ka tonga vato fehizoro izay mampijoro ny Fiangonana hatramin’izao. Isika ihany koa dia asainy ho anisan’ny vato andrafetana ny Fiangonana mba hijoro mafy sy tsy ho ravan’ny fanenjehana ataon’ireo mpanohitra ny finoana. Mba hahafahantsika manao izany anefa dia tsy maintsy eo amin’ny fiainantsika andavan’andro no ampisehoantsika fa miorina mafy tahaka ny vato ny finoantsika ka na misy aza ny mpanenjika sy ireo zava-manahirana isan-karazany dia mijoro mandrakariva isika satria manana an’i Jesoa vato fehizoro izay tsy mandao antsika fa mampijoro antsika sy mankahery antsika isan’andro vaky. Eo anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana misy antsika tsirairay avy no ahafahantsika miaina izay finoana izay satria ny fianakaviana tokoa no tahaka ny fiangonana kely mampijoro sy manamafy ny Fiangonana naorin’i Jesoa teo ambony vatolampy ka ny herin’ny afobe tsy haharesy azy. Miara-mivavaka manokana ho an’ny fianakaviana rehetra isika amin’izao Alahady Faha – 27 tsotra Mandavan-taona izao. Fantantsika fa androany no anokafan’ny Papa ny Sinaoda natokana indrindra ho an’ny fianakaviana, koa enga anie ny fianakaviana rehetra mba tena hijoro amin’ny finoana marina tokoa ka ho tonga vato fehizoro mandrafitra ny Fiangonana eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy.

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0833