Alahady 23 martsa 2014
Alahady Fahatelo amin’ny Karemy (Taona A)
« Ny haniko dia ny manao ny sitra-pon’izay naniraka ahy, sy ny manatanteraka ny asany »
Anatin’ny fankalazana ny Karemy tanteraka isika izao, efa Alahady roa izay no lasa ary ny Alahady Fahatelo amin’ny Karemy indrindra no ankalazaintsika androany. Azo lazaina araka izany fa tena anatin’ny fanatanterahana ireo ezaka nokasaina hatao hatramin’ny fanombohan’ny Karemy ny tsirairay dia ny fivavahana, sy fifadian-kanina na fifadian-javatra hafa arakaraky ny fanampahan-kevitra noraisin’ny tsirairay, ary ny fanaovana asa fitiava-namana. Amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Karemy izao dia ny Evanjely mitantara ny fihaonan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy Samaritana no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika. Araka ny voalazan’io Evanjely io dia « tonga tany amin’ny tanànan’i Samaria anankiray atao hoe Sikara, akaikin’ny saha nomen’i Jakoba an’i Josefa zanany ; teo no nisy ny fantsakan’i Jakoba. Ary sasatry ny dia nalehany Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny ora fahenina. Dia inty nisy vehivavy Samaritana anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy Jesoa taminy : Mba omeo kely aho hosotroiko, fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany. Dia hoy ilay vehivavy Samaritana taminy : Nahoana hianao no Jody ka mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritana) » (Jo. 4: 5 – 9).
Vakiteny I : Eks. 17: 3 – 7
Tononkira : Sal. 95: 1 – 2, 6 – 7, 8 – 9
Vakiteny II : Rom. 5: 1 – 2, 5 – 8
Evanjely : Jo. 4: 5 – 42
Hatramin’ny fanombohany dia abaribarin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana androany ity fa mampianatra antsika i Jesoa mba hifandray sy hifampiresaka amin’ireo izay tsy mifankahay amintsika. Voalaza mazava tsara eto mantsy fa nanontany azy ilay vehivavy Samaritana nanao hoe: Nahoana hianao no Jody ka mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritana? Araka ny fantatra tokoa dia tsy mifankahay ary mpifahavalo mihitsy aza ny Jody sy ny Samaritana kanefa dia sahin’i Jesoa ny nangataka rano tamin’ity vehivavy Samaritana ity. Io fahaizana mifanantona sy mifampiresaka ary mifamela heloka io no tena antony anomezana antsika ity Evanjely androany ity. Fotoanan’ny fifampiresahana sy fifamelan-keloka tokoa ny fankalazana ny Karemy ka ny fahitana an’i Jesoa miresaka amin’ny olona izay heverina fa fahavalon’ny Jody dia mampianatra antsika ihany koa hifampiresaka amin’ireo izay mety heverintsika fa fahavalo na manana ady amintsika. Mampahatsiaro antsika ary ny Tenin’Andriamanitra androany fa raha sendra manana disadisa na olana amin’olona ianao dia fotoana tsara indrindra izao Karemy izao mba hanantonana azy hisian’ny fifamitranam-pihavanana sy fifandaminana satria tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana sy fifampihainoana tahaka ny nataon’i Jesoa sy ity vehivavy Samaritana ity.
Maro ny resaka nifanaovan’izy ireo ka naharesy lahatra ity vehivavy Samaritana ity hiaky fa Mpaminany i Jesoa izay nanazava taminy ny tena finoana sy fivavahana marina ka nilaza mazava tsara fa izy no Mesia. « Dia hoy ravehivavy taminy : Tompoko, hitako fa Mpaminany hianao. Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io, ary hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana. Ary hoy Jesoa taminy : Ravehivavy, minoa ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray. Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jody ny famonjena. Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana. Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe : Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy) ; ka rahefa tonga izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra. Hoy Jesoa taminy: Izaho izay miresaka aminao izao no izy » (Jo. 4: 20 – 26).
Araka ny voalaza amin’ity Evanjely ity moa dia lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany tamin’izay ka rehefa tafaverina teo amin’i Jesoa izy ireo dia gaga « satria vehivavy no niresahany ; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? Na : Ahoana no iresahanao aminy? Ravehivavy kosa tamin’izay dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanàna nilaza tamin’ny olona hoe : Andeha hianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy? Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona hanatona an’i Jesoa » (Jo. 4: 27 – 30). Hita fa mbola nisalasala ihany ity vehivavy ity na dia efa nilazan’i Jesoa aza fa « Izaho izay miresaka aminao izao no izy », tamin’ny nilazany hoe « izao angaha no Kristy? » ; saingy rehefa nahita an’i Jesoa ireo olona avy any an-tanàna dia samy niaky daholo fa izy tokoa no Kristy, ilay Mesia tonga hanambara ny zavatra rehetra sy Mpamonjy ny olona araka ny finoana sy fanantenana tao amin’izy ireo. « Maro ny Samaritana tamin’izany tanàna izany no nino azy, noho ny tenin-dravehivavy nanao hoe : Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra. Fa nony tonga teo aminy ny Samaritana, dia nangataka azy hitoetra tao aminy, ary nitoetra tao indroa andro izy. Ka vao mainka maro aza no nino azy noho ny teny nataony, sy nanao tamin-dravehivavy hoe : Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay fa ny tenanay izao no nandre, ka fantatray fa izy tokoa no Mpamonjy ny olona » (Jo. 4: 39 – 41).
Azo lazaina ary fa tsy notanan’ilay vehivavy Samaritana ho azy irery ihany ny fahasoavana vokatry ny fifampiresahana nisy teo aminy sy Jesoa fa nampahafantariny ny olona rehetra tao an-tanàna izay voatarika hino ihany koa fa tonga eo amin’izy ireo tokoa ilay Mpamonjy ny olona. Mazava araka izany fa ny vokatry ny fifampiresahana sy fifampihainoana ary fifampitokisana dia mitarika amin’ny finoana sy fanantonana bebe kokoa an’i Jesoa satria raha tsy nihaino an’i Jesoa mantsy ity vehivavy ity dia tsy ho nahalala ny teny nambarany manao hoe : « Izaho izay miresaka aminao izao no izy ». Tahaka izany, raha tsy nanantona i Jesoa fa nijanona fontsiny tamin’ny tsy fifankahazoana nisy teo amin’i Jody sy ny Samaritana dia tsy ho afaka ny hitarika ny olona hahalala ny Mpamonjy ity vehivavy ity. Ny fifampiresahana ihany koa dia mitarika amin’ny fifankatiavana sy fifankahazoana am-po, izay no nahatonga ireo Samaritana ireo nangataka an’i Jesoa hitoetra tao aminy, ary dia nitoetra tao indroa andro tokoa izy. Isika ihany koa dia tsimaintsy miezaka mandrankariva mba hifanantona sy hifampiresaka mandrankariva, indrindra amin’izao Karemy izao mba hahafatsika mifandray am-po sy mifamela heloka ary mifankatia marina tokoa.
Miara-mitalaho amin’i Kristy Mpamonjy ary isika amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Karemy izao mba homeny izay fahasoavana ho afaka mifampiresaka sy mifampihaino izay. Izy no efa nanome ohatra halaintsika tahaka tamin’ny tsy fisalasalany nifampiresaka sy nihaino izay noheverin’ny fiarahamonina fa mpifahavalo aminy. Matetika io tsy fahaizana mifampiresaka sy mifampihaino ary mandefitra ny hambom-po diso toerana io no fototr’ireo olana miseho isan-karazany na amin’ny lafiny iraisam-pirenena izany, na amin’ny firenena tsirairay avy na amin’ny isam-batan’olona. Iaraha-mahalala ny olana sedrain’ny firenentsika ankehitriny noho io tsy fahaizana mifampiresaka sy mifampihaino io. Maro ireo tokan-trano no mikorontana noho ny tsy fifampiresahan’ny mpianankavy ary maro ny mpinamana no lasa tsy mifampiteny noho ny tsy fahaizana mifampihaino sy mifandefitra. Koa mitodika hatrany amin’i Kristy ary isika satria izy no ohatra velona tahafintsika amin’ny fanaovana mandrankariva ny sitra-pon’Andriamanitra dia ny fahaizantsika mifamela heloka sy mifandray am-po marina tokoa amin’izay dia isika ihany koa no hiteny tahaka an’i Jesoa manao hoe: « Ny haniko dia ny manao ny sitra-pon’izay naniraka ahy, sy ny manatanteraka ny asany » (Jo. 4: 34).
P. Louis Martin
Assomptionniste