Noho hianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao

Alahady 16 novambra 2014
Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Noho hianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao »

(Mt. 25, 21. 23)

 

Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny taona Litorjika isika. Ny Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona no ankalazaintsika androany ka anomezan’ny Fiangonana ny Evanjely mitantara ny fanoharana nataon’i Jesoa mahakasika ilay lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ireo mpanompony sy nametraka ny fananany tamin’izy ireo. Ambaran’ity Evanjely ity tokoa fa : « tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe : nisy lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy ; dia lasa nandeha izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa ; fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony (Mt. 25, 14 – 18).

Ho an’izay mbola tsy mahalala, ny talenta eto dia midika ho vola fa tsy hoe fahaizana na fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra, tahaka ny hoe talenta mahay mihira, mahay mitendry zava-maneno, mahay mikabary sy ny talenta hafa rehetra tsy ho voatanisa araka ny fahazoantsika azy matetika. Araka ny mari-bola jody dia tena vola be tokoa ny talenta iray ka raha miteny i Jesoa amin’ity fanoharana ity hoe ny anankiray dia nahazo talenta iray dia tokony ho tonga ao an-tsaintsika avy hatrany fa tena nandray vola be tokoa ilay io ka tokony nampiasa izany araka izay azony natao fa tsy hoe « nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony » (Mt. 25, 18). Tsy nijanona tamin’izany fanomezana tanlenta izany anefa ny fanoharana nataon’i Jesoa fa mbola nitohy ka nambarany fa « nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany. Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe : Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho. Dia hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao : miaraha mifaly amin’ny tomponao. Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe : Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho. Dia hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao : miaraha mifaly amin’ny tomponao » (Mt. 25, 19 – 23).

Vakiteny I : Oh. 31, 10 – 13. 19 – 20. 30 – 31

Tononkira : Sal. 128, 1 – 2. 3. 4 – 5

Vakiteny II : 1 Tes. 5, 1 – 6

Evanjely : Mt. 25, 14 – 30

Mazava amintsika avy hatrany fa ny fomban’Andriamanitra manoloana antsika olombelona no oharin’i Jesoa amin’ilay lehilahy anankiray nandeha nivahiny, ka nametraka ny fananany tamin’ireo mpanompony. Nomen’Andriamanitra ny fahasoavany isika tamin’ny Batemy ka hafaliana lehibe ho azy ny mahita antsika mampiasa izany araka ny tokony ho izy. Raha tsy izany dia ho tahaka ilay anankiray nandray talenta iray isika satria araka ny ambaran’i Jesoa amin’ity fanoharana ity « dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe : Tompoko, fantatro fa olona lozabe hianao, fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahafanao, ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin’ny tany ny talentanao : koa indro averiko aminao ny anao. Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe : Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahafako ; koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanana ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany. Alao ary ny talenta folo ; fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza. Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any : any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify » (Mt. 25, 24 – 30).

Samy manana ny talenta apetrak’Andriamanitra aminy ny vita Batemy rehetra, izany hoe samy nahazo antso sy nomen’Andriamanitra fahasoavana araka ny tandrify azy ny tsirairay, ka tsy maintsy mampiasa izany araka ny tokony ho izy. Mazava ny nanombohan’i Jesoa ny fanoharana nataony fa « ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy » (Mt. 25, 15). Isika ihany koa dia samy nandray ny irak’Andriamanitra araka izay fahaizantsika tsirairay avy. Araka izany, isika vita Batemy rehetra dia samy mamaly ny antson’Andriamanitra araka izay ibitsihan’ny Fanahy Masina antsika ka manatanteraka izany antso izany eo amin’ny seha-piainana misy antsika tsirairay avy. Tsy hoe ilay nahazo talenta dimy dia ambony kokoa miohatra amin’ny nahazo roa na iray fa mitovy daholo satria samy araka ny fahaizany avy.

Tahaka izany koa isika, tsy misy nahazo antso ambony na tsaratsara kokoa noho ny hafa fa mitovy daholo isika rehetra manoloana ny antson’Andriamanitra ka samy mamaly izany araka izay niantsoana azy ny tsirairay. Misy ireo nantsoin’Andriamanitra hanao ny asany amin’ny maha Mpisorona dia manatanteraka izany an-tsakany sy an-davany amin’ny alalan’ny fizarana ny Sakramenta, indrindra ny fanolorana ny Sorona Masina sy fiahiana ny olona rehetra tsy misy avakavaka. Misy ireo nahazo ny antso hiaina ny fanoloran-tena tanteraka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiainana voatokana ka tsy maintsy mifikitra tanteraka amin’izany antso izany amin’ny alalan’ny fanajana ny voady na ny famehezan-tena izay natao. Ary ny ankamaroantsika dia miaina ny antson’Andriamanitra amin’ny maha Lahika ka tsy maintsy miezaka mandrakariva ho fanasin’ny tany ary ho fahazavan’izao tontolo izao eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy.

Fampianarana lehibe ho antsika rehetra ity fanoharana nataon’i Jesoa voalazan’ny Evanjely androany ity ka manainga antsika ny Fiangonana mba samy handini-tena amin’ny fomba ataontsika amaliana ny antson’Andriamanitra miatefa amintsika tsirairay avy. Mazava ho azy fa rehefa tonga ny fotoana fitsarana dia samy hiseho eo anatrehan’Andriamanitra daholo isika rehetra ka araka ity fanoharana ity dia samy hitondra eo anatrehany izay vokatry ny asantsika tsirairay avy tamin’ny fanatanterahana izany antso izany. Noho izany dia manasa antsika i Jesoa samy hiezaka araka izay tandrify antsika tsirairay avy mba ho mendrika handray ny valisoa mifanaraka amin’ny ezaka ataontsika ka hilazan’Andriamanitra amintsika manao hoe : « tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao : miaraha mifaly amin’ny tomponao » (Mt. 25, 21. 23).

Io fiarahana mifaly amin’Andriamanitra io no faniriantsika rehetra ary izay no antony ivavahantsika, koa amin’izao Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona izao dia mitalaho ny fahasoavany mandrakariva isika mba tena ho mpanompo tsara sy mahatoky tokoa amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka sy mandray ny Sakramenta ary amin’ny alalan’ny fanaovana ny adidy tandrify antsika tsirairay avy satria ireny no tahaka ny talenta apetrany amintsika ka tsy maintsy ampitombointsika isan’andro mba hahamendrika antsika handray ny valisoa mandrakizay any an-danitra rehefa hiseho eo anatrehany isika amin’ny andro fitsarana izay ho tonga amin’ny fotoana tsy ampoizintsika araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe : « fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo, satria efa mahalala marina rahateo hianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe : Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy afa-mandositra izy. Hianareo anefa, ry rahalahy, dia tsy mba ao amin’ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany ; fa zanaky ny mazava avokoa hianareo, ary zanaky ny andro koa ; tsy misy an’ny alina isika, na an’ny maizina akory. Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina » (1 Tes. 5, 1 – 6).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101