Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana

Alahady 30 novambra 2014
Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana (Taona B)

« Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana » (Mk. 13: 33)

Manomboka androany dia miditra amin’ny taona Litorjika vaovao indray isika. Anio tokoa no ankalazana ny Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana ka anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay ampiomanan’i Jesoa antsika ho vonona handray azy amin’ny fiaviany amim-boninahitra. Tsara ho marihina fa manomboka androany dia miditra amin’ny « Taona B » isika, araka ny fandaminana ataon’ny Fiangonana amin’ny fizarazarana ny taona Litorjika. Efa nohazavaintsika teto tamin’ny taona lasa ihany ny tena hevitry ny Fiavina sy ny antony ankalazana azy isan-taona, saingy tsara mandrakariva ny mampahatsiahy izany amin’ny maha fotoana manan-danja azy satria izao Fiaviana izao no fotoana natokana indrindra hiomanantsika bebe kokoa amin’ny fankalazana manetriketrika ny Noely, izay fotoan-dehibe tokoa ahatsiarovana manokana ny Mistery nanavotan’Andriamanitra antsika ka nandefasany an’i Jesoa Kristy Zanany mba ho tonga nofo hamonjy ny olona rehetra. Araka izany dia efa fantantsika sady tsy zava-baovao intsony ity fankalazana ny Fiaviana ity satria isan-taona isika no asain’ny Fiangonana handika lalina io Mistery Lehibe nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo io.

Tokony ho tsaroantsika mandrankariva anefa fa tsy hoe hateraka indray i Jesoa ka miandry izany isika. Efa nateraka izy ary tonga olombelona ka niara-nonina tamintsika, saingy nanolo-tena ho faty teo amin’ny Hazofijaliana ary nalevina ka « nidina tany ambanin’ny tany ; nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo ; niakatra any an-danitra, mipetraka eo ankavan’Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty », araka ny Fiekem-pinoana ataontsika rehefa manao ny vavaka Simbolin’ny Apostoly. Voalaza amin’ity vavaka ity mazava tsara fa « avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty ». Io fiandrasana ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra io indrindra no ankalazaintsika isan-taona amin’ny fotoanan’ny Fiaviana. Izany rahateo no ambaran’ny fampianarana omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Amin’ny fankalazana isan-taona ny litorzian’ny Fahatongavan’ny Tompo ny Fiangonana dia mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny izany fiandrasana ny Mesia izany : amin’ny firaisam-po amam-panahy tamin’ny fanomanana nandritra ny fotoana lava ny voalohany nahatongavan’ny Mpamonjy, no anavaozan’ny mpino ny faniriana miredareda amin’ny Fahatongavany fanindroany. Amin’ny fankalazana ny nahaterahan’ilay Mpialoha lalana sy ny nahafatesany martiry, no iombonan’ny Fiangonana amin’ny faniriany manao hoe : “Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena” (Jo 3,30) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 524).

Vakiteny I : Iz. 63: 16b – 17, 19b, 64: 2b – 7

Tononkira : Sal. 80: 2ac, 3b, 15 – 16, 18 – 19

Vakiteny II : 1 Kor. 1: 3 – 9

Evanjely : Mk. 13: 33 – 37

Hitantsika amin’io fampianarana omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io fa tena fiomanana amin’ny fahatongavan’i Jesoa fanindroany tokoa ny fankalazana ny Fiaviana ka mifanaraka amin’izany indrindra ireo Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana ho antsika mandritra ny Alahady efatra iomanantsika amin’ny Noely. Ambaran’ny Evanjely amin’izao Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana izao ary ny fampianaran’i Jesoa izay manasa ny mpianany mba hitandrina sy hiambina, ary hivavaha, fa tsy fantatrareo hoy izy, izay hiavian’ny fotoana. « Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana : tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina. Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory ianareo. Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena” » (Mk. 13: 33 – 37).

Mazava araka ny voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely ity fa tena fotoana fiomanana amin’ny fahatongavany tokoa ny fankalazantsika isan-taona ny Fiavina. Tsy misy mahalala io fotoana hiaviany io anefa fa araka ny voalazany dia « ho tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina ». Tena averimberin’i Jesoa matetika tokoa ny teny hoe « Miambena » mba hahafahan’ny mpianatra tsy hovariana na hatory fa hovonona lalandava handray azy amim-boninahitra amin’ny fotoana hahatongavany, izay tsy misy mahalala «na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina » Ny nambarany dia ny hoe : « miambena àry, fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory ianareo ». Tsy ny mpianatra ihany fa isika vita Batemy rehetra no asain’i Jesoa hiambina sy hovonona lalandava eo ampiandrasana io fiaviany amim-boninahitra io araka ny voalazany manao hoe : « ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin’ny olona rehetra ». Mazava ihany koa ny teniny manao hoe : « mitandrena, miambena, ary mivavaha ». Noho izany dia tsy maintsy mitandrina sy miambina ary mivavaka lalandava isika mba ho mendrika handray azy na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.

Maro ny fomba azontsika atao mba hiandrasana amim-pitoniana izany fiavian’i Jesoa  amim-boninahitra izany. Ny tena fiomanana tsara indrindra araka ny didy napetrany dia ny fitandremana manoloana ny fahazaran-dratsy sy ny kilema isan-karazany mpahazo antsika. Mazava hoa azy fa amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fiovan-toetra no ahafahantsika manatanteraka izany. Fotoana natao hitandremana amin’ny ratsy tokoa ny fankalazana isan-taona ny Fiaviana koa manasa antsika ny Fiangonana mba tsy hisalasala hanantona amim-panetren-tena ny Sakramentan’ny Fampihavavana. Io no lalan-tokana ahafahantsika mandray ny famindram-po sy famelan-keloka avy amin’Andriamanitra Ray izay nandefa ny Zanany hamonjy antsika. Ny fandraisana ny Sakramentan’ny Fampihavavana no fomba tsara indrindra hahafahantsika mitandrina sy miambina ary hiandry amim-pinoana ny fiavian’i Jesoa amim-boninahitra indray.

Mamporisika antsika hivavaka ihany koa i Jesoa amin’ity Evanjely adroany ity ka raha sanatria misy ny antony samy hafa tsy ahafahana manatona ny Sakramentan’ny Fampihavavana, dia izay vavaka izay no tsy maintsy hamafisina ka mangataka ny fahasoavany mba ho afaka amin’ny sampona isan-karazany izay misakana antsika tsy handray ny famelan-keloka avy aminy amin’ny alalan’io Sakramentan’ny Fampihavavana io. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana izao mba tena hitandrina sy hiambina marina tokoa amin’ny alalan’ny fahatsiarovantsika tena fa mpanota ka hangataka ny famelan-keloka avy amin’Izy Tompo hahamendrika antsika handray azy isan’andro sy hahafahantsika miomana tsara amin’ny fitsenana azy rehefa tonga izay fotoana hiverenany amim-boninahitra izay.

Ity Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana ity ihany koa moa no anokafan’ny Fiangonana ny taonan’ny Fiainana Voatokana, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny fankalazana ny andro natokana ho an’ny fiainana voatokana amin’ny 2 febroary 2016. Noho izany dia miara-mivavaka isika ho an’ireo rehetra mamaly ny antson’Andriamanitra amin’izany fiainana voatokana izany mba hahafahan’izy ireo miaina amim-pitiavana sy an-kalalahana tanteraka ny fahatrana sy ny fahadiovana ary ny fanekena tahaka an’i Kristy izay ohatra velona tahafin’izy ireo. Mivavaka ihany koa isika mba ho maro ireo vonona hamaly ny antson’Andriamanitra amin’ny fiainana voatokana satria izy ireny no fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanoloran-tena tanteraka amin’Andriamanitra.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0643