Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra

Alahady 10 Aogositra 2014

Alahady Faha – 19 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra » (Mt. 14: 27)

Araka ny efa nambara teto tamin’ny Alahady heriny dia matetika i Jesoa no mitokana samy irery any an’efitra rehefa avy nitory ny Vaovao Mahafalin’ny fanjakan’ny lanitra na rehefa avy mandroaka demony na manasitrana marary. Tsy izany ihany fa rehefa avy manatanteraka fahagagana lehibe izy dia mitokana samy irery mba hivavaka ka miresaka sy misaotra Ilay Ray naniraka azy. Io fitokanan’i Jesoa mba hivavaka io no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 19 tsotra Mandavan-taona izao. Ambaran’ity Evanjely ity fa rehefa avy nanao fahagagana tamin’ny nampitomboany ny mofo dimy sy hazandrano roa i Jesoa dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana. « Dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha azy ambara-pandravany ny vahoaka ; ary rahefa nampirava ny vahoaka izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana ; ka nony alina ny andro, dia izy irery no teo » (Mt. 14: 22 – 23).

Fampianarana ho antsika ity nataon’i Jesoa ity ary manome ohatra ho tahafintsika izy. Indraindray tokoa mantsy rehefa mahomby amin’ny zavatra atao isika na tafita amin’ny tanjona irina dia manadino ny mitokana mba haka fotoana hivavahana sy hisaorana an’Andriamanitra izay loharano ipoiran’ny fahombiazana rehetra. Ohatra akaiky amin’izany ny fiatrehan’ny mpianatra ireo fanadinana isan-karazany amin’izao fotoana izao. Firifiry moa no midodododo mivavaka sy mangataka tsodrano amin’ny Pretra mialohan’ny hiatrehana fanadianana, fa rehefa vita izany ka afaka soa aman-tsara dia mba firy amin’ireny nidodododo nangataka tsodrano ireny no miverina indray ka miteny amin’ny Pretra hoe afaka soa aman-tsara izahay ka tonga hivavaka sy hisaotra an’Andriamanitra. Ohatra ihany izany, ary tsy ny rehetra akory no manao izany fa tena maro tokoa ireo manolotra Lamesa fisaorana sy manao raki-boady mihitsy aza mba ho fisaorana an’Andriamanitra rehefa mahazo fahasoavana. Tahaka ny nataon’i Jesoa rehefa avy nampitombo ny mofo dimy sy ny hazandrano roa ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana, dia manasa antsika ihany koa izy mba hahay hisaotra sy hidera an’Andriamanitra amin’ireo soa maro omeny antsika isan’andro.

Vakiteny I : 1 Mpan. 19: 9a, 11 – 13a

Tononkira : Sal. 85:9ab – 10, 11 – 12, 13 – 14

Vakiteny II : Rom. 9: 1 – 5

Evanjely : Mt. 14: 22 – 33

Ambaran’ity Evanjely androany ity moa fa i Jesoa irery no niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka fa ny mpianatra kosa dia nodidiany hiakatra an-tsambo kely ary efa nandeha nialoha fa tsy niaraka taminy. Saingy « tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina, fa nanoha rivotra. Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano Jesoa ka nankeo amin’izy ireo. Fa nony nahita azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: Matoatoa io, sady niantsoantso izy noho ny tahony. Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Jesoa nanao hoe : Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra » (Mt. 14: 24 – 27). Araka ny voalazan’ity Evanjely ity ary dia mazava ho azy fa nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina ny sambo kely nitondra ny mpianatra satria tsy tafaraka tamin’izy ireo i Jesoa. Tahaka izany ihany koa ny fiainantsika an-davan’andro rehefa tsy miaraka amin’i Jesoa isika. Maro tokoa ny rivotra mifofofofo ka manoha ny fiainantsika matetika, eo ihany koa ireo karazana onjan-drano isan-karazany izay mampihilangilana antsika ka mahatonga antsika ho rendrika indraindray, koa raha tiantsika ny ho tafita dia tsy maintsy miaraka amin’i Jesoa mandrankariva isika satria izy no miteny amintsika isan’andro manao hoe : « Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra ».

Tena tsy misy na inona na inona tokony hatahorana tokoa rehefa matoky an’i Jesoa isika. Noho izany dia tsy tokony hanao tahaka an’i Piera isika fa tsy maintsy matoky tanteraka an’i Jesoa izay niantso antsika ho zanak’Andriamanitra tamin’ny Batemy noraisintsika ka mahatonga antsika ho zanaka mpandova miaraka aminy. Voalazan’ity Evanjely ity ihany koa fa rehefa niteny i Jesoa nanao hoe : « Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra », dia « namaly Piera nanao hoe : Raha hianao ary ; Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho. Avia, hoy izy. Dia nidina avy eny an-tsambo Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa. Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy ; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe : Tompo ô! vonjeo aho. Niaraka tamin’izay naninji-tànana Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe : Ry kely finoana, nahoana no nisalasala hianao? » (Mt. 14: 28 – 31). Ny fisalasalana sy ny tahotra noho ny hakelin’ny finoana no nahatonga an’i Piera nilentika ka niantso mafy an’i Jesoa nanao hoe : Tompo ô! vonjeo aho.

Io fisalasalana sy tahotra noho ny hakelin’ny finoana io ihany koa no mahatonga antsika hilentika indraindray ka manadino fa miaraka amintsika mandrankariva i Jesoa ary tsy mandao antsika. Eo fona izy miantso antsika ary miteny amintsika manao hoe : « Avia », tahaka ny nataony tamin’i Piera. Indrisy anefa fa noho isika mbola kely finoana dia matetika no tsy mandre ny feony ary tsy mahita azy maninji-tànana sy mitondra antsika amin’ny lala-mahitsy tokony hizorana. Koa amin’izao Alahady Faha – 19 tsotra Mandavan-taona izao dia mitalaho mandrankariva ny famindram-pony isika, ka rehefa misedra onjan-drano na sakanan’ny rivotra manoha izay mety miseho amin’ny endrika samy hafa amin’ny fiainantsika andavan’andro, dia tsy hisalasala isika ny hiantso hoe : Tompo ô! vonjeo aho. Tahaka ny nataony tamin’ny mpianatra dia tsy mamela antsika ho rendrika i Jesoa rehefa ahilangilan’ny onjan-drano, koa misaotra azy mandrankariva isika. Tsy mamela antsika ho irery izy satria tia antsika ary ny hamonjy antsika no nanirahan’Andriamanitra Ray azy, koa tsy amim-pisalasalana fa amim-pinoana tanteraka no iarahantsika amin’ny mpianatra midera azy manao hoe : « Tena Zanak’Andriamanitra tokoa hianao » (Mt. 14: 33).

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102