Lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao

Alahady 17 Aogositra 2014

Alahady Faha – 20 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao » (Mt. 15: 28)

Voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny fa niteny mafy an’i Piera i Jesoa nanao hoe : « Ry kely finoana, nahoana no nisalasala hianao? » (Mt. 14: 31). Nambarantsika tamin’izay fa vokatry ny fisalasalana sy tahotra noho ny hakelin’ny finoana no nahatonga an’i Piera nilentika sy niantso mafy an’i Jesoa nanao hoe : Tompo ô! vonjeo aho. Amin’izao Alahady Faha – 20 tsotra Mandavan-taona izao kosa dia ny mifanohitra amin’izany no ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika. Raha niteny an’i Piera i Jesoa nanao hoe : « Ry kely finoana » araka ny voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny, dia ny mifanohitra amin’izany no ambarany androany amin’ilay vehivavy kananeana anankiray satria hoy izy hoe : « Ravehivavy, lehibe ny finoanao » (Mt. 15: 28). Finoana sy faharetana ary fitokisana araka izany no tena hevi-dehibe ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity satria izay finoana sy fitaharetana ary fitokisana izay no tao amin’ilay vehivavy kananeana ka nahatonga an’i Jesoa hamaly ny fitalahoany.

Ambaran’ity Evanjely ity fa « tamin’izany andro izany, i Jesoa, dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidona. Ary indro nisy vehivavy kananeana anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe : Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy ; fa tsy namaly azy Jesoa na dia indraim-bava aza » (Mt. 15: 21 – 23). Somary manaitra ihany ny mahita fa tsy namaly azy Jesoa na dia indraim-bava aza, tsy hoe tsy henony ny antsoantson’ity vehivavy ity satria araka ny ambaran’ny Evanjely « dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe : Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika » (Mt. 15: 23). Midika izany fa tena henon’i Jesoa tsara ny kiakiak’ilay vehivavy kananeana saingy tsy namaly izy mba hitsapany ny fitokisana sy faharetana ary finoana ananany. Tsy izany ihany fa rehefa niteny indray i Jesoa dia izao no navaliny azy « tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’Israely aho » (Mt. 15: 24).

Marina tokoa fa amin’ny maha kananeana ity vehivavy ity dia tsy anisan’ny taranak’Israely izy, saingy ambaran’ny Evanjely « fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe : Tompo ô! vonjeo aho! » (Mt. 15: 25). Manoloana io fitalahoana mafy dia mafy io anefa dia mbola valin-teny maharary indray no nomen’i Jesoa ity vehivavy ity. Hoy indrindra izy hoe : « Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa » (Mt. 15: 26). Amin’ny maha olombelona dia mafy tokoa ary mahatezitra tanteraka izany hoe ampitahina amin’ny amboa izany. Tsy nahakivy ity vehivavy kananeana ity anefa izany teny izany satria noho ny finoana lalina tao aminy dia fantany fa hamaly ny fangatahany i Jesoa ary manana anjara amin’ny asa famonjena nanirahan’ny Ray an’i Jesoa tety ambonin’ny tany izy. Noho ny finoana tao aminy tokoa no nilazan’ity vehivavy ity hoe : « Marina izany, Tompoko, nefa ny amboa kely mba mihinana ny sombitsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany » (Mt. 15: 27). Manoloana izany teny izany dia « namaly Jesoa ka nanao taminy hoe : Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao. Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy » (Mt. 15: 28).

Toa mahasorena na mahakivy tanteraka ny fahitana ny tenin’i Jesoa raha amin’ny maha olombelona nofo sy ra no andraisana ity Evanjely androany ity. Toa hita fa sady tsy mihaino izay fangatahana atao aminy izy no mbola manome valin-teny mandratra fo ihany koa. Isika olombelona anefa no mihevitra izany fa izy kosa dia efa fantany ny hataony fa fitsapana ihany no nataony ity vehivavy kananeana ity ary ataony amintsika ihany koa indraindray izany fitsapana izany rehefa mitalaho ny famindram-pony isika. Misy amintsika tokoa no kivy ary manapan-kevitra tsy hivavaka intsony rehefa tsy mahazo valim-bavaka araka izay irintsika. Tahaka ny nataon’ity vehivavy kananeana ity dia tena mila faharetana sy finoana ny fivavahana ka amin’ireny fotoana sarotra ireny indrindra no tsy maintsy anamafisana ny vavaka sy ny fitokisana tanteraka an’i Jesoa Mpamonjy. Tena mihaino ny vavaka ataontsika izy fa matoa izy tsy mamaly tahaka ny nataony tamin’ilay vehivavy kananeana dia satria tiany hanana faharetana isika ary tiany hanana fitokisana tanteraka fa afaka manome izay rehetra angatahintsika aminy izy.

Vakiteny I : Iz. 56, 1. 6 – 7

Tononkira : Sal. 67, 2 – 3. 5. 6. 8

Vakiteny II : Rom. 11, 13 – 15. 29 – 32

Evanjely : Mt. 15, 21 – 28

Manaraka izany dia hita ihany koa fa toa manavakavaka i Jesoa rehefa niteny fa « tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’Israely aho », indrindra moa ny filazany hoe : « Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa ». Tsy ny fanilikilihana ilay vehivavy kananeana no tena hevitra tian’i Jesoa hampitaina eto fa fitsapana fotsiny ihany ny faharetana sy ny fitokisana ary ny fioana tao aminy. Tonga hamonjy ny olona rehetra i Jesoa, porofon’izany dia nositraniny tamin’izany ora izany ihany ny zanaka vavin’ity vehivavy kananeana ity rehefa nahita ny finoana lalina nananany izy. Tsy manavakavaka na mizaha tavan’olona i Jesoa fa mandray ny olona rehetra, izany no nilazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa manao hoe : « Aminareo jentily no itenenako: amin’ny maha-Apostolin’ny jentily ahy, dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho, mba hahavelom-pialonana an’ireo tapako, ka hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao. Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao, hanao ahoana kosa ny fandraisana azy : tsy ho fitsanganana amin’ny maty va? satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra » (Rom. 11, 13 – 15. 29).

Tena tsy misy anenenana tokoa ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra, koa amin’izao Alahady Faha – 20 tsotra Mandavan-taona izao dia mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra mandrakariva isika mba hanana fifampitokisana eo amintsika samy isika sy amin’i Jesoa izay niantso antsika ho zanaky ny Ray, tamin’ny Batemy noraisintsika. Mitalaho ny fahasoavany ihany koa isika mba hanana faharetana amin’izay rehetra ataontsika, io tsy fanana faharetana io no mitarika antsika tsy hahatsapa ny tena fitiavany antsika. Raha tsy nanana faharetana ilay vehivavy kananeana dia tsy nositrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy. Tahaka izany ihany koa, raha tsy manana faharetana isika dia tsy ho afaka handray na oviana na oviana ny valim-bavaka angatahintsika amin’Izy Tompo. Farany moa dia mangataka ny fahasoavany isika mba hanana finoana lalina ka na misy aza ny teny maharary izay henontsika tahaka ny nataon’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity, dia tsy ho kivy fa hijoro hatrany ary hamaly amim-pitiavana izany teny maharary henontsika izany fa tsy hanana fahatezerana, amin’izay dia hiteny amintsika i Jesoa manao hoe : « aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao ».

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829