Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran’ny ondry

Alahady 11 mey 2014

Alahady Fahaefatra amin’ny Paka (Taona A)

« Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran’ny ondry »
(Jo. 10: 7)

« Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampijanona ahy eo amin’ny vilona maitso izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka » (Sal. 23: 1 – 2). Io tononkiran’ny Salamo aroson’ny Fiangonana ho antsika androany io no manentana antsika handinika hatrany ny halehiben’ny fitavan’i Kristy, ilay Mpiandry ondry tsara, izay nahafoy ny ainy ho an’ny ondriny araka ny voalazany manao hoe: « Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry » (Jo. 10 : 11 – 13). Iarahan-tsika mahalala moa fa ny Alahady Fahaefatra amin’ny Paka no ankalazaintsika androany, tahaka ny isan-taona dia ity Alahady ity no ankalazana ny fetin’ny Mpiandry ondry tsara izay anasana antsika indrindra hivavaka hoan’ireo antsoin’Andriamanitra manonkana ho mpisorona ka ho mpiandry ondry misolo tena an’i Kristy dia ny Eveka sy ny Pretra. Araka izany dia ny Evanjely izay anambaran’i Jesoa ny tenany ho « varavaran’ny ondry », no aroson’ny Fiangonana hodinihitsika androany.

Amin’izao Alahady Fahaefatra amin’ny Paka izao tokoa no ampianaran’ny Fiangonana antsika fa i Jesoa no ilay tena Mpiandry ondry tsara, izy ny varavaran’ny ondry izay tsimaintsy idirantsika satria izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana izay mitarika antsika ho voavonjy ka raha tsy mandalo aminy, izay varavana tokana tsimaintsy andalovana isika dia tsy ho voavonjy araka ny ambarany manao hoe:  « Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran’ny ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no varavarana. Raha izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be » (Jo. 10 : 7 – 10). Araka ny voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely ity dia mazava tokoa fa Izy irery ihany no tena varavarana idirantsika amin’ny famonjena izay ahafahantsika manana ny fiainana mandrankizay satria ny mpangalatra hoy Izy no « tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be ».

Ny hanantsika ny fiainana tokoa no fanirian’i Jesoa ka nanolorany ny tenany hijaly sy ho faty mba hisolo heloka antsika olombelona mpanota. Na eo aza anefa izay fanirian’i Jesoa izay sy ny fanoloran-tena nataony dia mila ezaka avy amintsika ihany koa ny fahazoana ny famonjena. Koa raha tena tiantsika ny ho voavonjy dia tsimaintsy mibebaka isika araka ny fampianaran’i Md Piera sy ireo Apostoly namany, izay ambaran’ny vakiteny voalohany aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Koa amin’izany àry, aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona, ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apostoly namany: Inona àry, ry rahalahy, no hataonay? Dia hoy Piera tamin’izy ireo: Mibebaha, ary aoka samy hatao batemy amin’ny anaran’i Jesoa-Kritsy hianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo. Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rahefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa. Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity » (Asa. 2: 36 – 40).

Vakiteny I : Asa. 2: 14, 36 – 41

Tononkira : Sal. 23: 1 – 3, 3b – 4, 5, 6

Vakiteny II : 1 Pi. 2: 20 – 25

Evanjely : Jo. 10: 1 – 10

Araka io fampianarana voalazan’i Piera sy ireo Apostoly namany io ary dia ny fandraisana ny Batemy amin’ny anaran’i Jesoa-Kritsy no ahazoana ny famelana ny fahotana, tsy ho an’ireo izay nihaino azy ireo ihany fa « ho an’izay rehetra any lavitra any, rahefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa », dia isika izany. Ny fandraisana ny Batemy noho izany no lalan-tokana ahafahan’izay mino an’ Jesoa Kristy mahazo ny famelana ny fahotana hahafahana miditra amin’ny fiainana mandrankizay. Ny Fiangonana rahateo dia tsy mahafantatra fomba hafa afa-tsy ny Batemy mba hiantohana ny fidirana any amin’ny hasambarana mandrakizay araka ny fampianarana omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika. « Ny Tenan’Izy Tompo mihitsy no manamafy fa ilaina ho amin’ny famonjena ny Batemy. Koa nandidy ny mpianany Izy hitory ny Evanjely sy hanao batemy ny firenen-drehetra. Ilaina amin’ny famonjena ny Batemy ho an’ireo izay nitorìna ny Evanjely sy izay afaka mangataka io sakramenta io. Tsy mahafantatra fomba hafa afa-tsy ny Batemy ny Fiangonana mba hiantohana ny fidirana any amin’ny hasambarana mandrakizay; izany no antony itandremany tsy hanao an-tsirambina ny iraka noraisiny avy amin’ny Tompo mba hahatonga izay rehetra mety hatao batemy ho “ateraka amin’ny rano sy ny Fanahy”. Nakamban’Andriamanitra amin’ny sakramentan’ny Batemy ny famonjena, nefa ny Tenan’Izy Andriamanitra tsy voafatotry ny sakramentany » (Jereo ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha-1257).

Tsy azo lavina ny fampianaran’ny Fiangonana fa tena ilaina amin’ny famonjena tokoa ny Batemy ho an’ireo izay nitorìna ny Evanjely sy izay afaka mangataka io sakramenta io. Saingy mipetraka mandrankariva ny fanontaniana hoe : Dia ahoana izany ireo Razam-bentsika efa maty izay tena nanam-pinoana tokoa nefa tsy natao batemy satria mbola tsy nahalala an’i Jesoa Kristy ilay varavaran’ny ondry ? Tahaka izany ihany koa ireo tsy Kristianina nefa mitady an’Andriamanitra amin-kitsim-po sy miezaka hanatanteraka ny sitrapony na dia tsy mahalala Azy aza, amin’ny alalan’ny fiainana ao anatin’ny fahamarinana sy amin’ny fanaovana asa soa isan-karazany. Ny amin’izany dia mazava ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha-1258 izay milaza fa « hatramin’ny ela ny Fiangonana no mitana ny finoana tsy voahozongozona fa ireo izay niharan’ny fahafatesana noho ny finoana, tsy nandray akory ny Batemy, dia vita batemy tamin’ny alalan’ny fahafatesan’izy ireo ho an’i Kristy sy miaraka Aminy. Io Batemy amin’ny ra io, toy ny faniriana ny Batemy, dia mitondra ny vokatry ny Batemy, na dia tsy sakramenta aza ». Noho izany « ireo izay niharan’ny fahafatesana noho ny finoana, ireo katekomena ary ny olona rehetra izay mitady an’Andriamanitra amin-kitsim-po sy miezaka hanatanteraka ny sitrapony, noho ny tosi-kerim-pamporisikin’ny fahasoavana, nefa tsy mahalala ny Fiangonana, dia mety ho voavonjy na dia tsy nandray ny Batemy aza izy ireo » (Jereo ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha-1281).

Miara-misaotra an’Andriamanitra isika amin’izao fankalazana ny fetin’ny Mpiandry ondry tsara izao fa anisan’ny natsoin’i Jesoa ho andian’ondriny tamin’ny alalan’ny Batemy noraisintsika. Izy tokoa no ilay tena Mpiandry ondry tsara sady mahatoky ka arahintsika ondry fiandriny araka ny voalazany rahateo amin’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana androany manao hoe : « Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy; fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry. Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy. Rahefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony » (Jo. 10 : 1 – 5). Ny Eveka dimbin’ny Apostoly sy ny Pretra miara-miasa amin’ny Eveka no manohy ny asa maha mpiandry ondry, koa miara-mivavaka isika androany mba homen’Andriamanitra mpiandry ondry masina sy maro, araka io oha-piainana nomen’i Kristy io, na eo aza ny fahalemana maha olombelona izay mety hita eo amin’ny fiainan’izy ireo indraindray. Tonkony hotsaroantsika mandrakariva fa tsy asan’olombelona ny asan’ny Eveka sy ny Pretra fa asan’i Kristy Loha soloiny tena ka manana adidy isika rehetra hivavaka ho azy ireo mba tena ho i Kristy Mpiandry ondry tsara tokoa no hotahafin’izy ireo amin’ny fanantanterahana ny adidy sy andraikitra nanirahana azy ireo ka hahatonga azy ireo harahin’ny olona tahaka an’i Kristy izay mitarika ny ondry sy mialoha azy satria mahalala ny feony izy ireo fa tsy sanatria ny Eveka na ny Pretra indray no hanjary mpangalatra sy jiolahy, tahaka ny olon-kafa ka tsy arahin’ny olona, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony, araka ny voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.069