Alahady 02 martsa 2014
Alahady Faha-8 tsotra Mandavantaona (Taona A)
Vakiteny I : Iz. 49: 14 – 15
Tononkira : Sal. 62: 2 – 3, 6 – 7, 8 – 9
Vakiteny II : 1 Kor. 4: 1 – 5
Evanjely : Mt. 6: 24 – 34
Ny fiankinana amin’Andriamanitra Ray no hevi-dehibe ampianarin’i Jesoa amin’ny alalan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha-8 tsotra Mandavantaona izao. Mazava ny fampianarana omeny ary tsy nisalasala izy nilaza hoe : « Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola hianareo » (Mt. 6: 24). Voalohany indrindra dia tsy miteny i Jesoa hoe ratsy ny manam-bola na hoe aza mitady vola, fa ny nambarany dia hoe « tsy misy olona mahay manompo tompo roa » noho izany dia « tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola hianareo » hoy izy. Araka izany dia ny tsy tonkony hametrahana ny vola ho ambony ka ho tompoina tahaka an’Andriamanitra no tiany hampitandremana ireo nihaino azy ary ampitandremany antsika ihany koa satria ny fanompoana ny vola aman-karena sy ny fametrahana izany ho ambonin’ny zava-drehetra dia misakana antsika tsy hiankina amin’ilay Andriamanitra nahary antsika fa hatoky tena ka hihevitra fa tsy misy tsy vitan’ny herin’ny vola.
Ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity ary fa Andriamanitra Ray irery ihany no afaka miahy sy mamonjy antsika fa tsy ny vola aman-karena velively. Izany indrindra no nilazany fa tsy tonkony hanahy foana ny amin’izay hohanina na hosotroina isika fa hatoky mandrankariva ny fahasoavan’Andriamanitra izay miahy antsika isan’andro. « Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo? Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamboly ireny; kanefa lazaiko aminareo, fa na dia Salomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny. Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana? » (Mt. 6: 25 – 30).
Teny fampieritreretana tokoa ity fampianarana omen’i Jesoa ity ka anjarantsika tsirairay avy no mandinika sy mieritreritra mahakasika izay fitokisantsika an’Andriamanitra izay. Tsy misalasala mihitsy izy milaza fa kely finoana izay rehetra variana amin’ny fiahiana izao fiainana izao ka tsy mieritreritra afa-tsy izay hohanina sy hosotroina ary izay fitafiana hanaovana isan’andro. Raha raisina amin’ny maha olombelona aloha dia azo ambara fa tena sarotra tokoa ny mandray sy manatanteraka io fampianarana io. Ny tena mahasarotra azy dia ny fahatsapana fa toa amporisihin’i Jesoa tsy hiasa isika ary amporisihiny ihany koa tsy hiraraharaha ny famelomana ny aina satria fantantsika tsara fa ny vola no hozatry ny fiainana hoy ny fitenintsika mahazatra izay, ary raha tsy mihinana sy tsy mitafy tsara isika dia mazava ho azy fa ho faty, noho izany dia tonga ao antsaina avy hatrany ny fanontaniana mano hoe: ny hahafaty antsika ary ve izany no tadiavin’i Jesoa ka amporisihany antsika tsy hiraharaha izay hohanina sy hotafiana? Hoy mantsy izy hoe : « Noho izany, aza manahy hianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? Fa ny jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. » (Mt. 6: 31 – 32).
Ny hahavelona antsika no fanirian’i Jesoa saingy ny tena nanaovany ity fampianarana izay ambaran’ny Evanjely androany ity dia ny mba hampahatsiarovany antsika fa izay rehetra ananantsika na sakafo izany na zava-pisotro na fitafiana dia avy amin’Andriamanitra ihany ary izany indrindra no nilazany fa « fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany ». Tsy ny herintsika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahazoantsika izay rehetra ananantsika, noho izany dia tsimaintsy misaotra sy midera azy mandrankariva isika. Tsy afaka manana na inona na inona isika raha tsy omen’Andriamanitra antsika izany satria na io zavatra rehetra ataontsika sakafo io, na zava-maniry izany na biby, dia tsy afaka ny hisy raha tsy izy no mampisy azy, io fitafiana anaovantsika io dia tsy ho nisy raha tsy izy no nanome ny zava-maniry na ny biby ahafahana mahazo ireo ankora hahodina ho tonga lamba, eny fa na io aina izay kolokolointsika fatratra io aza dia mbola avy aminy ihany koa. Izay no antony nilazan’i Jesoa fa : « iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? ». (Mt. 6: 27). Noho izany dia ny fitodihantsika amin’Andriamanitra no tsimaintsy omen-danja alohan’ny fiahiana izao fiainana izao. Ka hoy i Jesoa hoe : « Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany hianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso hianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy » (Mt. 6: 33 – 34).
Misaotra an’i Jesoa isika androany mampahafantatra antsika ny maha zava-dehibe ny fiankinana amin’Andriamanitra Ray. Marina fa tena ilaina tokoa ny misakafo, ilaina ihany koa ny mitafy tsara sy mitady vola saingy tsy tokony hanompo azy ireny isika fa Andriamanitra irery ihany no tsimaintsy tompoina. Ireny zavatra ilaintsika ireny dia fitaovana ihany ary tsimaintsy hampiasaintsika hanompoana an’Andriamanitra fa tsy natao hireharehana na hifinkirana ka sanatria hahatonga antsika hanalavitra ilay Andrimanitra Mpahary ny zavatra rehetra. Izay ananantsika ihany koa dia tsy natao hifinkirana fa natao hanasoavana ny namana indrindra ireo ory sy mahantra tsy manan-kohanina na tsy manan-kitafiana. Miara-mivavaka ary isika mba hisokatra tokoa ny fontsika ka hiankina amin’Andriamanitra tanteraka fa tsy hanompo ny vola aman-karena izay zavatra mandalo ary tsy avy amintsika akory fa noho ny fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana ihany no ahazoantsika azy ireny. Enga anie izay fahasoavana omen’Andriamanitra izay no hanenika ny fiainantsika manontolo mba hahafahantsika manompo azy mandritra ny andro iainantsika, amin’izay dia ho tanteraka tokoa ny tenin’i Jesoa manao hoe: « Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany hianareo ho fanampiny ».
P. Louis Martin
Assomptionniste