Alahady 22 Jiona 2014
Fankalazana ny Vatana Masin’i Kristy (Taona A)
« Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra » (Jo. 6 : 51)
Tahaka ny isa-taona dia ankalazain’ny Fiangonana amin’ny fomba manetriketrika ny fetin’ny Sakramenta Masina. Misy moa no efa nahavita izany tamin’ny Alakamisy lasa teo satria amin’ny toerana sasantsasany, tahaka ny Roma, dia ny Alakamisy manaraka ny fankalazana ny Trinite Masina no ankalazana ny fetin’ny Sakramenta Masina ; fa amin’ny toerana maro kosa, tahaka ny aty Madagasikara, dia ny Alahady manaraka ny fankalazana ny Trinite Masina no ankalazana izany fety lehibe izany. Noho izany dia ireo Tenin’Andriamanitra voatondro amin’ny fankalazana io fetin’ny Sakramenta Masina io no horaisintsika ka hifampizarana eto. Fotoan-dehibe ho antsika tokoa izao fankalazana ny fetin’ny Sakramenta Masina izao satria i Kristy ilay mamelona antsika amin’ny Vatany sy ny Rany ao amin’ny Eokaristia no mampiombona antsika ary manasa antsika hiray aina aminy mba hahatonga antsika ho velona mandrakizay. Izany indrindra no voalazan’i Jesoa amin’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe: « Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao » (Jo. 6 : 51 – 52).
Vakiteny I : Det. 8: 2 -3, 14b – 16a
Tononkira : Sal. 147: 12 – 13, 14 – 15, 19 – 20
Vakiteny II : 1 Kor. 10: 16 – 17
Evanjely : Jo. 6: 51 – 59
Araka ny voalazan’ny Evanjely moa « dia nifanditra ny Jody nanao hoe : Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina? Fa hoy Jesoa tamin’izy ireo: Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona hianareo sy tsy misotro ny rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako » (Jo. 6 : 54 – 56). Raha raisina amin’ny fihevitr’olombelona aloha dia sarotra ny hino io teny voalazan’i Jesoa io ary tena rariny tokoa raha nifanditra ny Jody ka nanao hoe : Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina? Nihevitra mantsy izy ireo fa tena ny nofo aman-dra amin’ny maha olombelona azy no homen’i Jesoa hohanina. Raha izay tokoa mantsy no izy dia tsy misy afaka hanaiky izany satria raha mbola olombelona manaja ny maha olona ihany dia tsy fihinana ny nofon’olombelona, izany hoe tsy misy olona afaka hamono olona iray ka handrasarasa izany mba ho hahanina tahaka ny atao amin’ny omby sy ny biby isan-karazany.
Ny filazan’i Jesoa fa « tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako », dia tsy midika fa ilay vatana maha olombelona azy no hovonoina sy horasarasaina ka hozaraina amin’ny olona mba hohanina, fa ny vatana tiany hambara dia ilay Sakramentan’ny Eokaristia izay iraisantsika aina aminy ka miseho amin’ny endriky ny mofo. Izany no nilazany hoe : « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka ahy, izaho koa dia velona amin’ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana ahy. Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay » (Jo. 6 : 57 – 59). Amin’ny alalan’ny fandraisana ny Eokaristia izany no ahafahantsika mandray an’i Jesoa velona ka isaky ny mandray azy isika dia mahazo aina vaovao satria tahaka ny maha velona azy ao amin’ny Ray no hahavelona antsika ihany koa ao aminy. Ambarany mazava tsara fa ny fandraisantsika azy no hahatonga antsika ho velona mandrakizay.
Mbola maro anefa no misalasala ary tsy mino sy tsy matoky fa tena Vatana sy Ran’i Jesoa velona tokoa no raisina amin’ny Eokaristia. Na ho antsika mino aza dia mbola misy ihany koa no manao azy io ho toy ny fahazarana fotsiny, ka izany no mahatonga ny Fiangonana hankalaza manokana izao fetin’ny Sakramenta Masina izao mba hanamafisana hatrany ny fampianarana nifandovana nandritra ny taona nifandimby fa tena Vatana sy Ran’i Jesoa tokoa no raisintsika amin’ny endriky ny mofo sy ny divay satria « eo anivon’ny fankalazana ny Eokaristia, dia misy ny mofo sy ny divay, izay nanjary Vatana sy Ran’i Kristy, amin’ny alalan’ny tenin’i Kristy sy amin’ny alalan’ny fiantsoana ny Fanahy Masina. Manaraka ny didin’ny Tompo ny Fiangonana ka manohy amin’ny fanaovana hatrany izay nataony ny andro mialohan’ny fijaliany, ho fahatsiarovana Azy, mandra-piveriny amim-boninahitra: “Nandray mofo Izy … ” “Nandray ny kalisy feno divay Izy…” Amin’ny fahatongavana amim-pomba mistery ho Vatana sy ho Ran’ i Kristy, ny famantaran’ny mofo sy ny divay dia manohy maneho koa ny hatsaran’ny zavaboary. Araka izany, amin’ny Fanolorana no isaorantsika ny Mpahary, noho ny mofo sy ny divay vokatry “ny asa tanan’ny olombelona”, nefa “vokatry ny tany” sy “ny voaloboka” aloha, fanomezan’ ny Mpahary. Hitan’ny Fiangonana amin’ny fihetsik’i Melkisedeka, Mpanjaka sady mpisorona, izay “nitondra mofo sy divay” (Jen 14,18), ny tandindon’ny fanatitra natolotry ny tenany » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1333).
Mazava ny fampianaran’ny Fiangonana fa eo anivon’ny fankalazana ny Eokaristia, dia manjary Vatana sy Ran’i Kristy tokoa ny mofo sy ny divay, amin’ny alalan’ny tenin’i Kristy sy amin’ny alalan’ny fiantsoana ny Fanahy Masina ataon’ny Pretra. Araka izany dia tsy ny Pretra no manamasina ny mofo sy ny divay ho zary Vatana sy Ran’i Kristy fa ny « Tenan’i Kristy mihitsy, Mpisorombe mandrakizay amin’ny Fanekem- pihavanana Vaovao, izay miasa amin’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, no manolotra ny sorona eokaristika. Ary mbola io Kristy io ihany izay tena misy eo marina tokoa amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, no fanatitry ny sorona eokaristika » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1410). Tsy misy isalasalana ary tsy azo lavina fa tena Vatana sy Ran’i Kristy tokoa no raisintsika satria araka ny voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1413 dia « amin’ny fankamasinana no tanteraka ny fiovam-pisia-maha-izy ny mofo sy ny divay ho Vatana aman-dRan’i Kristy. Izy Kristy mihitsy, velona sy be voninahitra, tsy hita mivantana amin’ny endriky ny mofo sy ny divay voahasina, no misy eo amin’ny fomba marina tokoa, tena izy tokoa ary ara-pisia-maha-izy tokoa ny Vatany sy ny Rany, miaraka amin’ny fanahiny sy ny maha-Andriamanitra Azy ». Noho izany dia amim-pinoana lehibe tokoa no andraisantsika an’i Jesoa izay velona mandrakizay ao amin’ny Sakramenta Masina ary ankalazaintsika androany. Andeha ary isika hitalaho mandrakariva ny fahasoavany mba hahafahantsika mandray azy ao anatin’ny fahamendrehana tanteraka satria isaky ny mandray azy isika dia tsy isika intsony no velona fa izy no velona ao anatintsika araka ny volazany amin’ny Evanjely androany manao hoe : « Velona ny Ray naniraka ahy, izaho koa dia velona amin’ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana ahy ».
P. Louis Martin
Assomptionniste