Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray

Alahady 06 aprily 2014
Alahady Fahadimy amin’ny Karemy

 

« Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray »

(Jo. 11: 25)

Mankalaza ny Alahady Fahadimy amin’ny Karemy isika androany. Azo ambara araka izany fa tsy ho ela intsony dia hifarana ny Karemy satria amin’ny herin’ny androany isika dia efa hankalaza ny Alahadin’ny Sampankazo ; midika izany fa efa akaiky ny Paka izay fotoan-dehibe ahatsiarovantsika ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Manomana sahady ny fo amam-panahintsika hiatrika izany fotoan-dehibe izany ny Fiangonana ka ireo Tenin’Andriamanitra mahakasika ny fitsanganan-ko velona no omeny hodinihitsika anio. Voalazan’ny Vakiteny Voalohany fa Andriamanitra mihitsy no niteny tamin’Israely manao hoe : « Indro aho hanokatra ny fasanareo, hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô, ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’Israely » (Ez. 37: 12). Ambaran’Andriamaintra ao amin’io Bokin’i Ezekiela Mpaminany io fa « hataoko ao anatinareo ny fanahiko, dia ho velona hianareo » (Ez. 37: 14). Tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy izany faminaniana izany ka ilazan’i Md Paoly hoe : « Fa hianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’ny Kristy, dia tsy azy izy ; fa raha ao anatinareo ny Kristy ; na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo » (Rom. 8: 9 – 11). Mazava ho azy fa io fanokafana ny fasana voalazan’i Ezekiela Mpaminany io sy ny famelomana ny vatana mety maty ambaran’i Md Paoly no hamafisin’ny Evanjely izay mitantara indrindra ny nanaganan’i Jesoa an’i Lazara ho velona.

Voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa nanana fitiavana manonkana an’i Marta sy Maria rahavaviny ary Lazara i Jesoa. Azo lazaina fa nifandray am-po tokoa izy ireo ka izany no antony tsy nisalasan’ireto anabavin’i Lazara ireto nandefa iraka nilaza tamin’i Jesoa fa marary izy. « Nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazara avy any Betania, vohitr’i Maria sy Marta rahavaviny. Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany ; ary Lazara anadahiny no narary. Dia naniraka tany amin’i Jesoa ireto anabaviny hilaza hoe : Tompo, marary ilay tianao. Nony ren’i Jesoa izany dia hoy izy : Aretina tsy ho fahafatesana ity, fa ho voninahitr’Andriamanitra, sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra. Ary tian’i Jesoa i Marta sy Maria rahavaviny ary Lazara » (Jo. 11: 1 – 5). Tsy nandeha avy hatrany anefa izy ary ambaran’i Evanjely fa maty ary efa nilevina hefarana i Lazara vao tonga i Jesoa. « Nefa nony reny hoe marary Lazara, dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany izy. Nony afaka izany vao hoy izy tamin’ny mpianany : Andeha isika ho any Jodea indray… Nony voalazany izany dia nampiany hoe : Matory Lazara sakaizantsika, fa ndeha hamoha azy aho. Ka hoy ny mpianany : Raha matory izy, Tompoko, dia ho sitrana. Ny fahafatesany no nolazain’i Jesoa, nefa torimaso tsotra izao kosa no nampoizin’izy ireo. Izay Jesoa vao nilaza tsotra tamin’izy ireo hoe : Maty Lazara, ary noho hianareo dia faly aho satria tsy tao, mba hinoanareo ; koa andeha isika hankany aminy.… Nony tonga tany Jesoa, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy » (Jo. 11: 6 – 7, 11 – 15, 17).

Fantatr’i Marta sy Maria rahavaviny fa mahay manasitrana i Jesoa ka izany no nilazan’izy ireo taminy fa raha nandeha avy hatrany izy ka tonga ara-potoana dia tsy maty i Lazara. « Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy Jesoa, dia nandeha nitsena azy izy, fa Maria no nijanona tao an-trano. Dia hoy Marta tamin’i Jesoa: Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra anao. Hoy Jesoa taminy : Hitsangana ny anadahinao. Fa hoy Marta taminy : Fantatro fa hitsangana izy amin’ny farandro fitsanganan’ny maty. Hoy Jesoa taminy : Izaho no fananganana sy fiainana ; izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ; ary izay rehetra velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao? Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa hianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao. Ary rahefa nilaza izany izy, dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe : Ao ny Tompo, ka miantso anao izy… Maria kosa, nony tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesoa ka nahita azy, dia niankohoka tamin’ny tongony sy nanao taminy hoe : Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Nony nahita azy nitomany Jesoa sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa, dia nandevy ny fony ary nientana iray ihany ny tenany rehetra. Aiza no nandevenanareo azy, hoy izy? Dia hoy ireo taminy: Andeha hianao hizaha, Tompoko. Ary nitomany Jesoa. Dia hoy ny Jody : Akory ity haben’ny fitiavany azy! » (Jo. 11: 20 – 28, 32 – 36).

Hita fa samy nanome tsiny an’i Jesoa izy mirahavavy ireto tamin’ny nilazan’izy ireo hoe : « Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko » (Jo. 11: 21, 32). Mafy tokoa ny fahoriana nidona tamin’izy ireo ka tsy tsapan’izy ireo fa Zanak’Andriamanitra i Jesoa ka sady mahay manasitrana no afaka mananga amin’ny maty ihany koa. Fantatr’i Jesoa rahateo ny hataony sady efa nolazany fa « aretina tsy ho fahafatesana ity, fa ho voninahitr’Andriamanitra, sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra » (Jo. 11: 4). Noho izany dia « lasa izy nankeo amin’ny fasana, izay zohy norakofana vato. Esory ny vato, hoy izy. Ka hoy Marta anabavin’ny maty taminy : Efa maimbo izy, Tompoko, fa efa hefarana izay. Ary hoy Jesoa taminy : Tsy efa voalazako taminao va fa raha mino hianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra? Dia nesorina ny vato, ka niandrandra Jesoa sy nanao hoe : Misaotra anao aho, Raiko, satria efa nihaino ahy hianao. Raha izaho, dia fantatro fa mihaino ahy mandrakariva hianao ; fa noho ireto vahoaka manodidina ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa hianao no naniraka ahy. Rahefa nilaza izany izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe : Mivoaha, ry Lazara. Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty, ny tongotra aman-tànany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Dia hoy Jesoa tamin’ny olona: Vahao izy ka avelao handeha. Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy Marta sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino azy » (Jo. 11: 38 – 45).

Tahaka an’i Marta sy Maria rahavaviny dia matetika ihany koa isika no manome tsiny an’i Jesoa rehefa misedra fahorina na zava-tsarotra sy manahirana eo amin’ny fiainana. Indraindray aza dia misy mihintsy no lasa tsy mivavaka sy tsy mino ny fisiany intsony satria mieritreritra fa raha tena eo tokoa i Jesoa dia tsy tokony hisy ny fahoriana mianjady amintsika olombelona. Diso hevitra anefa isika raha manao izany satria ireny fahoriana mianjady amintsika ireny dia efa voalahatra ary tsy azontsika ialana. Ny fahafatesana ihany koa dia lalana tsimaintsy andalovana, ka na mafy sy mangidy aza ny miatrika azy dia tsimaintsy matoky mandrankariva an’i Jesoa isika satria izy no efa niteny hoe: « Izaho no fananganana sy fiainana ; izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ; ary izay rehetra velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay » (Jo. 11: 25). Ekena fa tsy misy tsy mitomany manoloana ny fahafatesana, eny fa na i Jesoa aza dia nitomany nanoloana ny fahafatesan’i Lazara (Jo. 11: 35), saingy ho antsika izay mino dia tokony ho tsaroantsika mandrankariva fa lalana tsimaintsy andalovana ny fahafatesana mba hahafahana mahazo ny hasambarana mandrakizay satria izay mino hoy Jesoa dia tsy ho faty mandrakizay. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Fahadimy amin’ny Karemy izao mba tena hihamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa ka na amin’ny mora na amin’ny sarotra dia hatoky ny fitiavany mandrankariva isika ka hiteny tahaka an’i Marta manao hoe : « Eny, Tompoko, mino aho fa hianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao ». Eo foana izy ary miaraka amintsika isan’andro kao ankino aminy ny fiainantsika satria tsy ho very mandeha na oviana na oviana izay rehetra mifefy aminy sy matoky ny fitiavany.

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0506