Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny?

Alahady 31 Aogositra 2014 
Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? » (Mt. 16: 26)

Nambaran’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny fa « nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe : Sezarean’i Filipo Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe : Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona? Ary hoy ireo : Ny sasany manao hoe : Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany. Dia hoy Jesoa taminy : Fa hianareo kosa, ataonareo ho iza aho ? Namaly Simona Piera ka nanao hoe : Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona » (Mt. 16: 13 – 16). Noho io fiekem-pinoana nataon’i Piera io « dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra » (Mt. 16: 17 – 19). Mbola mitohy amin’izao Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona izao io resaka nifanaovan’i Jesoa sy ny mpianatra io ka i Piera hatrany no mamaly izany resaka ataon’i Jesoa izany.

Tsy i Piera ihany fa ny mpianatra rehetra no nino sy niaky fa i Jesoa tokoa no « Kristy zanak’Andriamanitra velona ». Noho izay finoana tao amin’ny mpianatra izay dia tsy nisalasala i Jesoa nilaza tamin’izy ireo ny tsy maintsy hijaliany sy hahafatesany ary hitsanganany amin’ny maty mba hahatanteraka ny iraka maha zanak’Andriamanitra velona azy. Mazava ny voalazan’ity Evanjely androany ity fa « Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema izy, ary ho ampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty rahefa afaka hateloana » (Mt. 16: 21). Tsy azon’ireo mpianatra ireo anefa io filazan’i Jesoa mahakasika ny tsy maintsy hijaliany io ka dia nisolo tena azy ireo i Piera namaly izany resaka izany. « Ary naka azy hitanila kely Piera ka niteny azy mafy hoe : Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany! Fa nihodina izy ka nilaza tamin’i Piera hoe : Mialà amiko, ry Satana! manafintohina ahy ity hianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona » (Mt. 16: 22 – 23).

Vakiteny I : Jer. 20, 7 – 9

Tononkira : Sal. 63, 2. 3 – 4.5 – 6. 8 – 9

Vakiteny II : Rom. 12, 1 – 2

Evanjely : Mt. 16, 21 – 27

Araka ny voalazan’ny Evanjely henontsika tamin’ny Alahady heriny dia nidera ny fiekem-pinoana nataon’i Piera i Jesoa ka niteny taminy nanao hoe : « Sambatra hianao, ry Simona zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra ». Amin’ity Evanjely androany ity kosa dia ny mifanohitra amin’izany no teny nambaran’i Jesoa taminy, hoy Izy hoe : « Mialà amiko, ry Satana! manafintohina ahy ity hianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona ». Io fivadibadihana amin’ny teny atao io dia anisan’ny kilema tena mahazo antsika olombelona matetika ihany koa. Azo lazaina fa tena misolo tena ny maha olona antsika tokoa i Piera amin’ity Evanjely ity. Noho izany dia isika mihitsy no tian’i Jesoa homena fananarana eto satria na mazoto mivavaka sy tena manam-pinonana aza isika dia mbola hita eny foana ny kilema sy ny fahalemena isan-karazany.

Hita miharihary fa na teo aza ny fiekem-pinoana lehibe nataon’i Piera dia tsy nihambahamba i Jesoa niteny taminy nanao hoe: « Mialà amiko, ry Satana! manafintohina ahy ity hianao ». Eto ny teny « Satana » dia midika hoe mpisakana ny sitrapon’Andriamanitra, tsy manaiky ny fandaharan’Andriamanitra ary mpanafintohina. Efa mazava ny fandaharan’Andriamanitra ho an’i Jesoa fa tsy maintsy hijaly sy ho faty ary hitsangan-ko velona izy mba hahafahany manatanteraka ny famonjena, tsy nanaiky izany anefa i Piera ary vonona hatramin’ny farany ny hisakana ny hahatongavan’izany ka izay no niantsoan’i Jesoa azy hoe Satana. Mazava tokoa fa ny fanekena ny fijaliana no lalana mitondra amin’ny famonjena ka izany no nilazan’i Jesoa hoe : « Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy. Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony izy » (Mt. 16: 24 – 27).

Tsy misy ady hevitra fa mazava io voalazan’i Jesoa io, raha tiantsika ny ho voavonjy dia tsy misy afa-tsy ny fandavan-tena sy ny fitondrana ny hazo fijaliana manaraka an’i Jesoa no lalana mitondra amin’izany. Maro tokoa no mihevitra fa ny fiadanana sy ny filaminana ary ny fananana ny ampy amin’izao fiainana izao no hasambarana. Ambaran’i Jesoa mazava tsara anefa fa « inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? ». Io famonjena ny fanahy io no antony ivavahantsika sy andraisantsika matetika ny sakramenta, indrindra ny Eokaristia, koa miara-mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra isika amin’izao Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona izao mba tena ho vonona handà ny tenantsika tokoa, sy hitondra ny hazofijaliana, ka hanaraka an’i Jesoa nanaiky hijaly sy ho faty nefa nitsangana tamin’ny maty ho famonjena antsika. Mazava fa tsy ny fijaliana sy ny fahafatesana ihany no nambaran’i Jesoa fa ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa, noho izany dia tokony ho tsaroantsika mandrakariva fa raha manasa antsika handà tena sy hitondra ny hazofijaliana izy dia mampanantena ihany koa ny fitsanganan-ko velona, izany hoe ny hasambarana mandrakizay.

Noho izany, na eo aza ireo fijaliana mianjady amintsika amin’ny fiainana an-davan’andro dia tsy maintsy tsaroantsika fa miaraka amintsika mandrakariva i Jesoa ary mampanantena fiadanana sy hafaliana ary hasambarana lavorary ho antsika araka ny voalazany manao hoe : « Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony izy » (Mt. 16: 27). Mba hahamendrika antsika handray ny Zanak’olona, izay ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy dia manasa antsika i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe : « Koa mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahany; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitra-pon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahany no lavorary » (Rom. 12, 1 – 2). Enga anie mba samy handray ity fangatahan’i Md Paoly ity isika tsirairay avy ka hanolotra ny tenantsika amin’izy Tompo tokoa amin’ny alalan’ny fandavan-tena sy fitondrana ny hazofijaliana ary hanaraka azy fa tsy hanaraka an’izao tontolo izao.

 

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0871