Hosana ho an’ny Zanak’i Davida

Alahady 13 aprily 2014
Alahadin’ny Sampankazo (Taona A)

« Hosana ho an’ny Zanak’i Davida. Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’ny Tompo! Hosana any amin’ny avo indrindra » (Mt. 21: 9)

Ny fahatsiarovana ny nidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema no ankalazaintsika androany, izany hoe ny Alahadin’ny Sampankazo araka ny mahazatra antsika. Tahaka ny isa-taona dia misy anankiroa ny Evanjely vakiana androany, dia ny Evanjely izay vakiana mandritra ny fitsofan-drano ny sampankazo sy ny Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy. Ampahatsiahivina antsika fa amin’izao taona A izao dia ny Evanjely nosoratan’i Md Matio no  aroson’ny Fiangonana ho antsika, noho izany dia ny fitantarana ny nidiran’i Jesoa tao Jerosalema araka ny hita ao amin’i Md Matio no vakiana amintsika androany aorian’ny fitsofan-drano ny sampankazo. Tahaka ny nataon’i vahoaka tao Jerosalema izay nihoby an’i Jesoa ho Mesia sy Mpanjaka ary Mpaminany tamin’ny alalan’ny fanofahofana rantsan-kazo dia mitondra sampankazo ihany koa isika androany mba hampisehoantsika amin’ny fomba hita maso ny fioana an’i Jesoa ho Mpanjakan’izao tontolo izao. Io maha Mpanjaka an’i Jesoa io indrindra no efa nambaran’ny Mpaminany fahiny araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity. « Ary tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka ity teny nolazain’ny mpaminany ity hoe: Lazao amin’ny zanakavavin’i Siona hoe: Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao, malemy fanahy sady mitaingina ampondra, dia zanak’ampondra mitondra jioga » (Mt. 21: 4 – 5).

Vakiteny I : Iz. 50: 4 – 7
Tononkira : Sal. 22: 8 – 9, 17 – 18a, 19 – 20, 23 – 24
Vakiteny II : Fi. 2: 6 – 11
Evanjely :  Mt. 21: 1 – 11 (Fitsofandranano ny sampankazo)
Mt. 26: 14 – 75, 27: 1 – 66

 

Mazava ny voalazan’io Evanjely io fa tsy Mpanjaka toy ny mahazatra araka ny fihevitr’olombelona no nisehoan’i Jesoa teo anivon’ny olona fa Mpanjaka manetry tena sy malemy fanahy. Tamin’ny andron’i Jesoa tokoa mantsy dia soavaly sy kalesy no itaingenan’ny mpanjaka, fa ny azy kosa dia ampondra no mba nitaingenany. Tamin’izany fotoana izany dia ny olon-tsotra sy ny mahantra no mampiasa ampondra hatao fitaovam-pitanterana sy ho fitaovam-piasana ka mba hampisehoan’i Jesoa fa Mesia sy Mpanjaka tonga hamonjy ny madinika sy ny mahantra izy dia nitaingina ampondra rehefa niditra amim-boninahitra tao Jerosalema. Ambonin’izany dia tsy ampondra azy akory no nampiasany fa mbola ampondran’olona no nasainy nindramin’ny mpianatra. « Ary rahefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo, ka tonga tao Betifage anilan’ny tendrombohitry ny Oliva, dia naniraka mpianatra roalahy Jesoa ka nilazany hoe : Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy, ary rahefa mby ao hianareo dia hahita ampondravavy mifatotra sy ny zanany eo aminy : vahao izy, dia ento atý amiko ; ka raha tahiny misy miteny anareo, dia ilazao hoe : Misy ilan’ny Tompo azy ; dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay izy… Dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nasain’i Jeso nataony, dia nentiny ny ampondra sy ny zanany ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia nitaingina teo Jesoa » (Mt. 21: 1 – 3, 6 – 7).

Araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity moa dia maro ny vahoaka no nihoby azy ary nanambara fa izy tokoa no ilay Mpanjaka taranak’i Davida ary Mpaminany, avy any Nazareta any Galilea. « Be ny vahoaka namelatra ny fitafiany teny amin’ny làlana ; ny sasany kosa naka rantsan-kazo dia nampihahaka azy teny an-dàlana koa ; ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka azy, samy niantso nanao hoe : Hosana ho an’ny Zanak’i Davida. Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’ny Tompo! Hosana any amin’ny avo indrindra. Ary nony efa tonga tao Jerosalema izy, dia taitra avokoa ny tao an-tanàna ka nanao hoe : Iza moa izao? Ary ny vahoaka nilaza hoe : Izy no Jesoa mpaminany, avy any Nazareta any Galilea » (Mt. 21: 8 – 11). Mazava eto fa tena Mesia sy Mpanjaka ary Mpaminany tokoa i Jesoa, izany indrindra no hazavain’ny fampianarana ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Fomba ahoana no andraisan’i Jerosalema ny Mesiany ? Nodifian’i Jesoa hatrany aloha ny fitadiavan’ny vahoaka hanao Azy ho mpanjaka, fa nifidy ny fotoana Izy ary nanomana tamin’ny an-tsipiriany ny fidirany amin’ny maha-Mesia Azy tao an-tanànan’i “Davida rainy” (Lk 1,32). Nohobìna ho zanak’i Davida Izy, ilay mitondra ny famonjena (Hosanna dia midika hoe : “vonjeo re !”, “omeo ny famonjena !”). Ary niditra tao an-Tanànany ilay “Mpanjakan’ny Voninahitra” (Sal 24,7-10), “nitaingina zanak’ampondra” (Zak 9,9) : Tsy tamin’ny hafetsena na herisetra no nandreseny ny Zanakavavin’i Siôna, sary an’ohatra ny Fiangonany, fa tamin’ny fanetren- tena izay mampiseho ny Marina. Izany no nahatonga ny ankizy sy ny “mahantran’Andriamanitra” tamin’izany andro izany, ho fototra iorenan’ny Fanjakany, izay nihoby Azy toy ny nanambaràn’ny anjely Azy tamin’ny mpiandry ondry. Ny fihobian’izy ireo hoe : “Hosoavina anie ilay avy amin’ ny anaran’ny Tompo” (Sal 118,26), dia averin’ny Fiangonana amin’ny “Masina! Masina! Masina!” (Sanctus) amin’ny litorzian’ny Eokaristia, ho fanorenana ny tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 559).

Ny fidiran’i Jesoa tao Jerosalema izany no tena nahalalan’ny olona ny maha Mesia sy Mpanjaka ary Mpaminany azy, noho izany io fidirany tao Jerosalema io no mampiseho miharihary ny fahatongavan’ny Fanjakan’ny lanitra izay hotanterahiny amin’ny Paka tamin’ny nanolorany ny tenany hampijaliana sy ho faty fa hitsangan-kovelona amin’ny andro fahatelo ka ny fankalazana izany amin’ ny Alahadin’ny Sampankazo, no anombohan’ny litorzian’ny Fiangonana ny Herinandro Masina lehibe. Izany no mahatonga ny Fiangonana hanome antsika androany ny Evanjely izay mitantara ny Fiajalian’i Jesoa Kristy mba hanomana ny fontsika sahady handinika fa ny fijaliana sy ny fahafatesan’ i Jesoa no loharano ipoiran’ny famonjena izay tanteraka sy lavorary tamin’ny nitsanganany ho velona ka nanomezany aim-baovao izay rehetra mino sy mandray azy. Azo lazaina ary fa tsy afa-misaraka ny nidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema sy ny nanonolorany ny tenany hijaly sy ho faty teo amin’ny Hazofijaliana. Tena Mesia sy Mpanjaka tokoa izy ary nambaran’i Jesoa mazava tsara izay maha Mpanjaka azy izay rehefa nanontanian’i Platy izy. « Dia tonga teo anatrehan’ny governora Jesoa ka nanontanin’ny governora hoe : Hianao va no mpanjakan’ny Jody? Voalazanao, hoy Jesoa taminy » (Mt. 27: 11). Tsy tahaka ny mpanjaka rehetra anefa izy fa Mpanajaka malemy fanahy sy manetry tena ka nanaiky ny fampijaliana azy ka niaritra ny eson’ny miaramila izay niantso azy ho mpanjaka ihany koa tamin’io fampijaliana azy io. « Ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo, dia nasatrony ny lohany, sady nampitaniny volotara ny tànany an-kavanana ; rahefa izany dia nandohalika an-kila teo anatrehany izy ary naneso azy hoe : Arahaba, ry mpanjakan’ny Jody » (Mt. 27: 29).

Hita taratra amin’izao fankalazana ny Sampankazo izao anefa ny fivadibadihana nisy teo amin’ny vahoaka. Raha nihoby an’i Jesoa ho Mpanjaka izy ireo tamin’ny nidirany tao Jerosalema, dia izy ireo ihany koa no niantsoantso sy niangavy an’i Pilaty mba hamantsika azy eo amin’ny Hazofijaliana. « Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an’ Barabasy sy hampamono an’i Jesoa. Dia niteny indray ny governora nanao hoe : Iza no tianareo halefako ho anareo amin’izy roa lahy? Barabasy, hoy izy ireo. Ary hoy Pilaty taminy : Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa, izay atao hoe Kristy? Aoka hofantsihana amin’ny hazo fijaliana izy, hoy izy rehetra. Fa inona àry no ratsy nataony e? hoy ny governora. Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe : Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy » (Mt. 27: 20 – 23). Tena zavatra fahita amin’ny fiainana andavan’andro tokoa io fivadibadihana amin’ny teny omena io. Tena fahita tokoa ny olona tia mandokadoka rehefa te-hitady tombontsoa nefa io olona io ihany no manaratsy sy manenjika rehefa azony izay tadiaviny na rehefa tsy mahazo fahafaham-po ihany koa. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahadin’ny Sampankazo izao mba ho marina sy hahatoky amin’ny teny omena ka ho taka an’i Jesoa tsy nivadika hatramin’ny farany fa nanatanteraka ny sitra-pon’Andriamanitra Ray izay naniraka azy hamonjy antsika olombelona mpanota tamin’ny alalan’ny fanolorany ny tenany hampijaliana sy ho faty teo amin’ny Hazofijaliana. Enga anie izao fankalazana ny Herinandro Masina atombontsika androany izao hanamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa Zanak’Andriamanitra, tonga hamonjy antsika mba hahafahantsika ihany koa miteny tsy amim-pisalasalana tahaka ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa nanao hoe : « Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io » (Mt. 27: 54).


P. Louis Martin
Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097