Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao

Alahady 15 Jiona 2014
Fankalazana ny Trinite Masina (Taona A)

« Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay » (Jo. 3 : 16)

Araka ny voalazantsika tamin’ny Alahady heriny dia tsy isalasana fa tena misy tokoa ny Fanahy Masina ary tena nidina tamin’ny Apostoly tamin’ny andron’ny Pantekôty. Izany no mahatonga antsika hilaza amin’ny vavaka Fiekem-pinoana ataontsika manao hoe : « Izaho mino ny Fanahy Masina. Tompo Loharanon’aina avy amin’ny Ray sy ny Zanaka. Tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka». Io finoana ny Fanahy Masina; Tompo Loharanon’aina avy amin’ny Ray sy ny Zanaka io no hamafisintsika androany amin’ny Fankalazana ny Trinite Masina. Toy ny isa-taona tokoa dia ny Alahady manaraka ny Pantekôty no ankalazana ny Trinite Masina ka ampahatsiahivan’ny Fiangonana antsika amin’ny fomba manokana ny fiombonana tsy azo sarahina misy ao amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, izay Andriamanitra tokana Olona Telo. Amin’ny maha olombelona dia sarotra amin’ny saintsika no hahatakatra sy hahazo izany, mazava ho azy fa tsy isika olombelona no namorona ny hoe Andriamanitra dia tokana Olona Telo. Izy Andriamanitra ihany no nanambara ny tenany ary nampahafantatra antsika io misterin’ny Trinite Masina io.

Tena mistery tokoa ny Trinite Masina, eto dia tsy hoe zavatra tsy fantatra na tsy azo inoana araka ny fahazoantsika azy mahazatra ny hevitry ny teny hoe “mistery” fa ilay mistery mitaky ny mba hinoan’ny mpino ny Trinite Masina ka hankalazany Azy ao anatin’ny fifandraisana sady maharitra no an’ny tsirairay miaraka amin’Andriamanitra velona sy marina. Efa nambarantsika teto ihany tamin’ny taona lasa ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny maha mistery ny Trinite Masina koa ampahatsiahivina antsika ary fa: « Ny Trinite dia misterin’ny finoana amin’ny dikany ara-bakiteny, iray amin’ ireo “mistery miafina ao amin’Andriamanitra, izay tsy mety ho fantatra raha tsy nambara avy any ambony”. Marina fa namela mariky ny fisiana maha-Trinite Azy Andriamanitra tamin’ny tsanganasam-pahariany sy tamin’ny Fanambaràny nandritra ny Testamenta Taloha. Kanefa ny halalin’ny Fisian’ny Tenany maha-Trinite Masina Azy dia anisan’ny mistery tsy takatra amin’ny fahalalan’ny saina fotsiny izao, ary na dia tamin’ny finoan’i Israely talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy ny fanirahana ny Fanahy Masina aza » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 237).

Vakiteny I : Eks. 34: 4b – 6, 8 – 9

Tononkira : Dn. 3: 52, 53, 54, 55, 56

Vakiteny II : 2 Kor. 13: 11 – 13

Evanjely : Jo. 3: 16 – 18

Manaraka izany dia efa nohazavaintsika ihany koa fa io misterin’ny Trinite Masina io no mistery ambony indrindra ary loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana. « Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany. Io izany no loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana, fahazavana izay mitsilo azy ireo. Io no fampianarana fototra indrindra sy tsy azo avela indrindra amin’ny “ambaratongam-pahamarinan’ny finoana”. “Ny tantaram-pamonjena manontolo dia tsy hafa, fa tantaran’ny fanabeazan’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fomba maro sy amin’ny alalan’ny sain’ny olombelona, momba ny Tenany marina sy tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, manambara tena sy mamerim-pihavanana ary miray amin’ny olombelona izay nibirioka noho ny fahotana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 234). Araka ireo fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ireo ary dia mazava ary tsy azo lavina fa tena fototra iorenan’ny finoantsika tokoa ny Trinite Masina ka izany no ankalazantsika azy amin’ny fomba amanokana anio.

Marina fa tsy manome fanazavana mahakasika io misterin’ny Trinite Masina io ny Tenin’Andriamanitra izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany, saingy ny filazan’ny Evanjely fa noho ny fitiavan’Andriamanitra antsika no nandefasany ny Zanany hamonjy antsika dia porofo manambara fa tena iray ary tsy azo sarahina tokoa ny Ray sy ny Zanaka. Mazava ny voalazan’ny Evanjely androany manao hoe : « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay » (Jo. 3 : 16). Araka ny voalazan’io Evanjely io ary dia hanana ny fiainana mandrakizay izay mino ny Zanaka satria « Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. Izay mino azy dia tsy tsaraina : fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana » (Jo. 3 : 17 - 18). Ny finoana ny Trinite Masina izany no lalana mitondra antsika amin’ny famonjena satria tsy afa-misaraka ny finoana an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Izay tsy mino ny Zanaka dia tsy afaka hino ny Ray izay naniraka azy sy ny Fanahy Masina izay nanaloka an’i Masina Maria ka nahatonga azy ho olombelona niara-nonina tamintsika.

Iray ihany Andriamanitra ary fitiavana iray no mamantotra ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ka io fitiavana io no nahatonga ny Zanaka ho tonga nofo mba hamonjy antsika olombelona mpanota. Izay fitiavana izay no nampianarin’i Jesoa antsika, izany no mahatonga an’i Md Paoly hilaza amin’ny vakiteny faharoa aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « Farany, ry rahalahy, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana » (2 Kor. 13: 11). Ny finoana ny Trinite Masina izany no porofo manambara fa eo amintsika tokoa ilay Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana ka mahatonga antsika ho lavorary, hifanala alahelo, hiray saina ary hihavana tsara. Mazava araka izany fa raha tena manam-pinoana isika dia tsimaintsy mampiseho izany amin’ny alalan’ny asa fitiava-namana, izany hoe, mifanampy sy mihavana ary mifankatia marina tokoa eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy. Amin’izay dia ho tanteraka amintsika ny tsodrano nataon’i Md Paoly amin’ny vakiteny androany manao hoe : « Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa-Kristy Tompo, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina! » (2 Kor. 13: 13). Enga anie izao fankalazana ny Trinite Masina androany izao hanamafy hatrany ny finoantsika an’ilay Andriamanitra tokana Olona telo ka hahatonga antsika hahatsapa ny fitiavany ary hifampizara izany fitiavany izany amin’ny manodidina antsika, eny fa na ireo izay heverintsika ho fahavalo aza satria ny fitiavana nampifamantotra ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no nampitainy tamintsika tamin’ny alalan’ny Jesoa tonga nofo, izay nandidy antsika hifankatia ihany koa.

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0988