Alahady 30 martsa 2014
Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy (Taona A)
Vakiteny I : 1 Sam. 16: 1b, 6 – 7, 10 – 13a
Tononkira : Sal. 23: 1 – 3a, 3b - 4, 5, 6
Vakiteny II : Ef. 5: 8 – 14
Evanjely : Jo. 9: 1 – 41
« Fa izao ihany no fantatro : jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny »
(Jo. 9: 25)
Ny resaka nifanaovan’i Jesoa sy ilay vehivavy Samaritana no voalazan’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny. Tamin’izany no nilazan’io vehivavy Samaritana io hoe : « Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy) ; ka rahefa tonga izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra » (Jo. 4: 25). Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe : « Izaho izay miresaka aminao izao no izy » (Jo. 4: 25). Hitantsika araka izany fa i Jesoa mihitsy no nanambara ny tenany fa Mesia, izay atao hoe Kristy. Tsy tamin’ireo olona ambony na mpitondra fivavahana Jody no nanambarany izany fa tamin’ilay vehivavy Samaritana, izay sady tsy Jody no tsy nifankahazo tamin’ny Jody akory. Amin’izao Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy izao dia mbola io fanambaran’i Jesoa ny tenany io no voalazan’ny Evanjely izay mitantara indrindra ny nampahiratan’i Jesoa an’ilay lehilahy teraka jamba ka nilazany fa Izy no Zanak’Andriamanitra. Io filazan’i Jesoa ny maha Zanak’Andriamanitra azy tamin’ilay jamba nositraniny io dia mbola manamafy hatrany fa tsy nanambara ny tenany tamin’ireo olona ambony na mpitondra fivavahana Jody izy fa tamin’ireo olona heverin’ny fiarahamonina ho tsy mendrika na mpanota mihintsy aza.
Teo amin’ny fiarahamonina Jody tokoa dia voalaza ombieny ombieny fa ireo aretina samihafa mpahazo ny olona dia vokatry ny fahotana daholo. Tsy mahagaga ary raha nanontany an’i Jesoa ny mpianany mahakasika ny antony nahatonga ity lehilahy iray ity ho teraka jamba. « Ary nony nandalo Jesoa, dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba, ka hoy ny mpianany nanontany azy: Raby, iza moa no nanota, io lehilahy io sa ny rainy aman-dreniny, no teraka jamba izy? Jesoa namaly hoe : Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny, fa mba hisehoan’ny asan’Andriamanitra eo aminy no antony » (Jo. 9: 1 – 3). Ny hamonjy ny olona rehetra sy hampiseho izay asan’Andriamanitra izay tokoa no nahatongavan’i Jesoa ka nanasitranany ilay lehilahy teraka jamba ary nilazany hoe : « Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka ahy aho raha mbola antoandro : fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana. Raha mbola amin’izao tontolo izao aho, dia fahazavan’izao tontolo izao » (Jo. 9: 4 – 5). Nony avy nilaza izany izy araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity, « dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rorany, nahosony ny mason’ilay jamba, dia hoy izy taminy: Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Siloe (izany hoe, Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra » (Jo. 9: 6 – 7).
Gaga ny olona nony nahita ilay lehilahy teraka jamba lasa nahiratra ka nanontany azy izay fomba nahatonga izao fahasitranana izao. « Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano taminy, sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe: Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka? Dia hoy ny sasany : Izy io. Fa hoy kosa ny sasany: Tsia, fa olo-mitovy aminy. Ary hoy kosa izy: Izaho no izy. Ka nanao ahoana, hoy ireo taminy, no nahiratan’ny masonao? Dia hoy izy : Ilay lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta, nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe : Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Siloe, dia lasa aho nanasa, ka nahiratra » (Jo. 9: 8 – 11). Manoloana ity fahagagana lehibe ity dia tsy faly tamin’i Jesoa ny Farisiana ary nanendrikendrika azy ho anisan’ny mpanota satria tsy nitandrina ny andro sabata. Efa fantatsika rahateo fa matetika no misy fifamaliana eo amin’i Jesoa sy ny Farisiana mahakasiaka ny fanajana ny sabata ka izany no nahatonga azy ireo hanadihady ilay lehilahy nositranin’i Jesoa tamin’ny andro sabata. « Dia nentiny tany amin’ny Farisiana ilay jamba taloha, fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta sy nampahiratany ny masony. Nanontany azy indray àry ny Farisiana izay nahiratany, ka hoy ny navaliny azy : Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho. Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisiana nanao hoe: Tsy Andriamanitra no nihavian’izany Lehilahy izany, fa tsy mitandrina ny sabata izy. Fa ny sasany kosa nanao hoe : Hataon’ny mpanota ahoana no fahavita fahagagana toy izany? Koa nisara-kevitra izy ireo » (Jo. 9: 13 – 16).
Manoloana io fisarahan-kevitra nisy teo amin’ny Farisiana io dia nanontany ilay jamba sitrana izy ireo ny amin’izay heviny mahakasika an’i Jesoa nanasitrana azy. « Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba : Mba ahoana kosa no filazanao azy, fa nampahiratra ny masonao izy? Ka hoy ralehilahy : Mpaminany izy » (Jo. 9: 17). Tsy afa-po tamin’io valin-teny io anefa ireo Farisiana ireo fa nitady izay fomba rehetra handresen-dahatra ity lehilahy ity fa tsy Mpaminany izany i Jesoa fa mpanota. « Dia nantsoin’ireo indray ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe : Andriamanitra no omeo voninahitra ; fa raha iny Lehilahy iny, dia fantatray fa mpanota. Ka hoy ny navaliny azy: Tsy fantatro na mpanota izy na tsia, fa izao ihany no fantatro: jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny » (Jo. 9: 24). Nihamafy hatrany moa ny fanontaniana nataon’ireo Farisiana ireo ka rehefa tsy naharesy lahatra ilay lehilahy jamba taloha izy ireo dia nandroaka azy. « Dia hoy izy ireo taminy : Inona no nataony taminao? Nanao ahoana sy ahoana avy no nampahiratany ny masonao? Ka hoy ny navaliny azy ireo : Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo akory ; ka ahoana indray no itiavanareo handre? Te-ho tonga mpianany koa va hianareo? Dia notevatevain’ireo izy sy nataony hoe : Ialahy no mpianany, fa raha izahay kosa dia mpianatr’i Moizy. Moizy fantatray fa nitenenan’Andriamanitra, fa iny kosa tsy fantatray akory izay nihaviany. Namaly ralehilahy ka nanao hoe : Ity indray no mahagaga, fa tsy fantatrareo izay nihaviany, nefa izy no nampahiratra ny masoko. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota ; fa izay manompo azy sy manao ny sitra-pony no henoiny. Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re fa nampahiratra ny teraka jamba ; ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona akory. Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe : Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve no mampianatra anay! Sady noroahiny izy » (Jo. 9: 26 – 34).
Ny Farisiana anefa no nandroaka an’ilay jamba taloha fa i Jesoa kosa nandray azy tamim-pitiavana ka nankahery azy ary nampahalala azy ilay tena Zanak’Andriamanitra marina. « Ren’i Jeso fa hoe noroahin-dry zareo izy, ka nony hitany dia nilazany hoe : Mino ny Zanak’Andriamanitra va hianao? Namaly izy ka nanao hoe : Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako azy? Dia hoy Jeso taminy : Efa hitanao izy, ary izay miteny aminao no izy. Ka hoy izy : Mino aho, Tompoko; sady niankohoka nitsaoka azy izy » (Jo. 9: 35 – 38). Hitantsika amin’izao fa mandray mandrankariva ireo ataon’ny firahamonina ho tsinontsinona i Jesoa. Tamin’izy ireo no nanambarany fa Izy no Mesia dia ilay Kristy Zanan’Andriamanitra. Hitantsika izany tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ilay vehivavy Samaritana voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny. Mbola izany rahateo no voalazan’ny Evanjely androany tamin’ny alalan’ny resaka nifanovany tamin’ity lehilahy teraka jamba ka nositraniny ity. Tsy ny Farisiana izay mpitondra fivavahana Jody no nilazany ny maha Andriamanitra azy fa ireto olona tsotra sy heverina ho mpanota ary tsy mendrika ireto.
Mahatsiaro tena fa mpanota ihany koa isika ka mangataka ny famelan-keloka avy amin’i Jesoa amin’izao Karemy izao. Maro ireo karazana fahajambana mahazo antsika ka tsimaintsy angatahana ny fanasitranana avy aminy. Isika izao no jamban’ny fitiavan-tena sy ny fanilikilihana ny hafa tahaka ny nataon’ny Farisiana, isika izao no jamban’ny vola sy ny voninahitra ka tsy mahita intsony ny fahorian’ny hafa ary manosihosy ny madinika. Isika izao ihany koa no jamban’ny fifandirana sy tsy fahaizana mihaino ny hafa. Eny maro ireo karazana fahajambana izay mety mahazo antsika fa tsy ho voatanisa eto daholo ka anjaran’ny tsirairay no mandini-tena. Saingy izao fotoan’ny Karemy izao no andro fibebahana, izao no andro fiovana koa mangataka an’i Jesoa isika mba hampahiratra ny masom-panahintsika satria hoy izy amin’ity Evanjely androany ity manao hoe : « Fanavahana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra » (Jo. 9: 39). Enga anie ny fahiratana no homeny antsika fa tsy sanatria ny fahajambana satria rehefa ampahiratiny ny masontsika dia afaka hibanjina ny voninahiny isika dia ny fitsanganany ho velona izay ankalazaintsika tsy ho ela amin’ny Paka.
P. Louis Martin
Assomptionniste