Alahady 13 Jolay 2014
Alahady Faha – 15 tsotra Mandavan-taona (Taona A)
« Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa » (Mat. 13: 23)
Ao anatin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavan-taona tanteraka isika. Anio dia ny Alahady Faha–15 tsotra Mandavan-taona no ankalazaintsika ka anomezan’ny Fiangonana antsika indrindra ny fanoharana nataon’i Jesoa mahakasika ny voa nafafy. Ambaran’ny Evanjely izay aroso antsika androany tokoa fa : « Tamin’izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina. Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana izy nanao hoe : Indro nivoaka hamafy ny mpamafy ; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dàlana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy ; ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany ; kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy ; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa : ao ny tonga avo zato heny, ao ny enim-polo, ary ao ny telo-polo. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino » (Mat. 13: 1 – 9).
Matetika dia amin’ny alalan’ny fanoharana no ampitan’i Jesoa ny fampianarana ataony fa tsy amin’ny alalan’ny fanaovana toriteny miezinezina na kabary tsara lahatra. Ny tena antony anaovany izany dia satria ireny fanoharana ireny no mora azo ary takatry ny olona rehetra. Voalazan’ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity mazava tsara rahateo ny valin-teny nomen’i Jesoa ny mpianatra mahakasika ny antony mahatonga azy hanao fanoharana rehefa miteny amin’ny olona. « Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe : Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? Namaly izy ka nanao taminy hoe : Satria hianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany » (Mat. 13: 10 – 11). Teny fampieritreretana ho an’ny mpianatra ity nataon’i Jesoa ity ary tokony hampieritreritra ihany koa ireo nantsoiny manonkana hanohy ny asany amin’ny alalan’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra. Izy ireo tokoa no dimbin’ny mpianatr’i Jesoa hanambara amin’ny vita Batemy rehetra ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Araka izany dia adidy lehibe mipetraka amin’izy ireo ny fitorina ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba tsotra sy mazava ho an’ny olona rehetra izay tsy mba nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra araka ny volazan’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity.
Vakiteny I : Iz. 55: 10 – 11
Tononkira : Sal. 65: 10abcd, 10e – 11, 12 – 13, 14
Vakiteny II : Rom. 8: 18 – 23
Evanjely : Mt. 13: 1 – 23
Manaraka izany dia i Jesoa ihany no manazava amintsika ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy. Ambaran’ity Evanjely ity fa niteny tamin’ny mpianatra i Jesoa manao hoe : « Koa henoy ary ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy » (Mat. 13: 18). Voalohany indrindra, ambarany fa : « Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony : dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be » (Mat. 13: 19). Maro tokoa ireo mandre ny Tenin’Andriamanitra nefa noho ny antony samy hafa dia tsy latsaka ao am-po izany Teny izany ka mora voarebierebin’ilay ratsy izay tsy mitsahatra maka fanahy sy manelingelina antsika amin’ny fiainana andavan’andro. Eto dia manana adidy isika rehetra hanao ezaka amin’ny fandatsahana ao am-po ny Tenin’Andriamanitra satria raha tsy miorim-paka ao am-pontsika io Tenin’Andriamanitra io dia ilay ratsy no handray ny toerany ka hanjaka ao am-pontsika ary hitarika antsika amin’ny fanaovan-dratsy. Izany ezaka izany anefa dia mandeha ila raha toa ka tsy mazava amintsika izay tian’Andriamanitra hambara amin’ny alalan’ny Teniny, koa adidin’ireo izay manana andraikitra manonkana amin’izany no manao ny fomba rehetra mba tena ho latsaka ao am-pon’ny olona tokoa ny Tenin’Andriamanitra izay vakiana sy torina amin’ny fombam-pivavahana samihafa, indrindra amin’ny fankalazana ny Eokaristia Masina.
Hazavain’i Jesoa ihany koa fa : « ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay, nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela ; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy » (Mat. 13: 20 – 21). Mila faharetana ny fandraisana sy fiainana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiainantsika andavan’andro. Indraindray tokoa ireny fahoriana sy fanenjehana mahazo antsika ireny dia lasa misakana antsika tsy hihaino sy handray ny Tenin’Andriamanitra, koa anjaran’ny tsirairay no manao ezaka mba tsy ho kivy manoloana ireny fahoriana sy fanenjehana ireny. Indraindray ihany koa nanefa dia isika samy isika ihany, indrindra ireo izay manana adidy hitory ny Tenin’Andriamanitra, no mahatonga ny olona sasany ho tafintohina ka mitarika azy ireny ho kivy ary hiala amin’ny finoana mihitsy aza. Noho izany dia mila mitandrina mandrakariva isika amin’izay teny ambarantsika sy amin’izay fihetsika sy toetra ataontsika mba tsy hisian’ny fifanafintohinana satria izy ireny matetika no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra tsy hiorim-paka sy tsy haharitra ao am-pon’ny olona araka ny fanazavana omen’i Jesoa.
Amin’ny alalan’ity Evanjely androany ity dia hazavain’i Jesoa fa : « Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy » (Mat. 13: 22). Tena sakana lehibe amin’ny fivelomana ny Tenin’Andriamanitra tokoa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ka ampitandreman’i Jesoa antsika mafy dia mafy. Marina fa tena ilaina tokoa ny vola aman-karena ary manana adidy amin’ny fiahiana ny fiainana andavan’andro isika saingy tsy tokony hisakana antsika tsy handray sy hiaina ny Tenin’Andriamanitra izany fa vao maika aza tokony hanampy antsika hihavao sy hihalavorary mandrakariva. Matetika tokoa rehefa variana loatra amin’ny fiahiana ny fiainana sy amin’ny fitadiavan-karena isika dia lasa manadino an’Andriamanitra ka na ny mivavaka Alahady fotsiny ihany aza dia tsy atao intsony satria lasa tsy mahafoy fotoana hihainoana ny Tenin’Andriamanitra fa lasa manenjika fotoana amin’ny fiahiana ny fiainana.
Farany dia ambaran’i Jesoa mazava tsara fa : « ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy ; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo heny » (Mat. 13: 22). Adidy miandry antsika rehetra tokoa ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra ka hampamoa izany telo-polo heny na enim-polo heny ary zato hery arakaraky ny fanomezam-pahasoavana raisintsika tsirairay avy. Amin’izao Alahady Faha–15 tsotra Mandavan-taona izao ary dia miara-mivavaka isika mba hanomezan’i Jesoa antsika ny hery sy ny fahasoavana ka hisy vokany eo amin’ny fiainantsika andavan’andro tokoa ny Tenin’Andriamanitra izay vakintsika sy henointsika amin’ny fankalazana samy hafa ataontsika. Mety maro ireo zavatra manahirana antsika ka mahatonga antsika tsy ho afaka handray ny Tenin’Andriamanitra araka ny tokony ho izy saingy hoy Md Paoly hoe : « ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika » (Rom. 8: 18). Noho izany dia tsy tokony hisalasala isika hanankina ny fiainanantsika manontolo amin’Izy Tompo.
P. Louis Martin
Assomptionniste