Dia niseho tany an’efitra i Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka

Alahady 07 desambra 2014
Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana (Taona B)

« Dia niseho tany an’efitra i Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka » (Mk. 1, 4)

Ny Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana no ankalazaintsika androany, midika izany fa miroso miandalana isika amin’ny fanomanana ny fankalazana ny Noely, izay fety ahatsiarovana manokana ny nahatongavan’ny Mpamonjy. Mifanaraka amin’izany fiomanana izany indrindra ireo Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Voalazan’Izaia Mpaminany ao amin’ny Vakiteny voalohany fa « Hoy ny Andriamanitrareo : “Ampionony, ampionony ny vahoakako”. Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo, ny indroa heny valin’ny fahotany. Injany misy feo miantso hoe : “Misavà lalana any an’efitra, ho an’ny Tompo, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika. Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra ; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry ; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba » (Iz. 40, 1 – 4). Io faminaniana nataon’Izaia Mpaminany io no tanteraka amin’ny fahatongavan’i Joany Batista araka ny ambaran’ny Evanjely androany manao hoe : « Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra. Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia Mpaminany hoe : “Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny lalanao; injay misy feo miantso any an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany”, dia niseho tany an’efitra i Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka » (Mk. 1, 1 – 4).

Ambaran’ny Evanjely mazava tsara eto fa niseho tany an’efitra i Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka mba ho fanatanterahana ny antson’Izaia Mpaminany manao hoe : « Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany ». Fotoana fibebahana tokoa izao fankalazantsika ny Fiaviana izao, fotoana anamboarana ny lalan’ny Tompo sy anitsiana ny halehany amin’ny alalan’ny fifamelan-keloka sy fanetren-tena ary fitiavana marina tokoa. Araka ny ambaran’Izaia Mpaminany dia « aoka ny lohasaha rehetra hasandratra », izany hoe manasa antsika io Tenin’Andriamanitra io hifanampy sy hifankatia marina tokoa fa tsy sanatria hifanambanimbany na hanao tsindrio fa lavo ireo osa sy malemy. Iarahantsika mahalala tokoa fa mbola maro amin’izao vanin’andro iainantsika izao ireo iharan’ny faneriterena samy hafa, mbola maro no iharan’ny fanararaotana na mivantana izany na ankolaka. Mbola maro ihany koa ireo miaritra fahoriana sy fijalina noho ny fanilikilihana sy fanavakavahana ary fanambanimbaniana samihafa. Anisan’ny naverimberin’ny Papa François tato anatin’ny andro maromaro izao ny ady tsy maintsy atao anoherana ny fanandevozana amin’ny endriny vaovao ka izao fotoanan’ny Fiaviana izao indrindra no anasan’ny Fiangonana antsika tsirairay avy mba handinin-tena sy hanao ezaka bebe kokoa hifanantona sy hifanasoa ary hifamela heloka ihany koa.

Vakiteny I : Iz. 40, 1 – 5. 9 – 11

Tononkira : Sal. 85, 9ab – 10. 11 – 12. 13 – 14

Vakiteny II : 2 Pi. 3, 8 – 14

Evanjely : Mk. 1, 1 – 8

Mila fanetren-tena ny fanatanterahana izany ka araka ny voalazan’Izaia Mpaminany hatrany dia aoka « ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry ; ny avo hanjary tany lemaka ; ary ny vato mideza ho lembalemba ». Ny fizahozahoana sy fireharehana ho mahavita azy no ambaran’Izaia ho tendrombohitra aman-kavoana tsy maintsy haetry. Ny fitiavam-boninahitra sy fahefana ka mihevi-tena ho ambony mandrankariva no avo hanjary tany lemaka satria ny fananam-pahefana dia tsy natao hamoretana ny hafa fa natao indrindra hanompoana sy hitivana ny mpiara-belona. Ny manam-pahefana sy manam-boninahitra isan-tokony, eny fa hatramin’ireo nomena andraikitra ao amin’ny Fiangonana no asain’ny Tenin’Andriamanitra handini-tena amin’izao Fiaviana izao, ka raha misy mihevi-tena ho « avo » dia tsy maintsy miezaka ho zary « lemaka » ka hanana ny toe-panahy manetry tena tahaka an’i Jesoa izay tonga hanompo fa tsy hotompoina. Ary farany, ny vato mideza izay tsy maintsy ho lasa lembalemba araka ny voalazan’Izaia Mpaminany dia ny fifankahalana sy fiavonavoanana izay tahaka ny vato misakana antsika tsy hifankatia sy tsy hifanantona fa samy haka ho azy ka zary miteraka fifanavankavahana izay miseho amin’ny endrika maro isankarazany.

Manaraka izany, araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia maro ireo olona tonga nanatona an’i Joany Batista satria dia « nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo, rehefa niaiky ny fahotany » (Mk. 1, 5). Mazava ho azy fa ireo olona rehetra ireo dia nanatona an’i Joany Batista mba handray ny batemim-pibebahana ho famelan-keloka rehefa niaiky ny fahotany. Ny fotoanan’ny Fiaviana no anasan’ny Fiangonana antsika handray izany fibebahana izany. Efa madio isika ary efa afaka ny fahotantsika tamin’ny Batemy noraisintsika, saingy amin’ny maha olombelona malemy sy osa antsika dia tsy maintsy manantona ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika mba handray ny famelan-keloka amin’ireo fahotana vitantsika. Tena Sakramenta manome antsika ny famelan-keloka tanteraka ny Sakramentan’ny Fampihavanana ka tsy tokony hisalasala isika handray izany. Tsy Sakramenta mahamenatra io ary tsy fanamelohan-tena ihany koa fa Sakramentan’ny Fitiavana izay mampihavana antsika amin’Andriamanitra sy amin’ny namana. Ny fandraisna io Sakramenta io no fotoana saro-bidy indrindra ahafahantsika miaiky ny fahotantsika ka rehefa mandray ny famelan-keloka amin’ny alalan’ny Vavaka ataon’ny Pretra isika dia azo antoka ary tsy misy isalasalana kely akory fa tena voavela tokoa ny helon-tsika rehetra.

Miara-mivavaka isika amin’izao Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana izao mba hahanana fanetren-tena marina tokoa ka ho afaka hitia sy handray ny olona rehetra, indrindra ireo madinika sy osa indrindra. Miara-mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra ihany koa isika mba ho vonona hiaky ny fahotantsika tokoa ka hanantona amim-pinoana ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Mitaky adidy sy andraikitra lehibe avy amin’ny Pretra ny fanatanterahana izany koa manasa antsika Pretra rehetra ny Fiangonana androany mba haka tahaka an’i Joany Batista amin’ny fahavononana handray ny olona rehetra tsy misy avakavaka. Tsy nahalala sasatra i Joany Batista fa nanao amim-pitiavana ny asa nanirahan’Andriamanitra azy ka isika Pretra ihany koa dia asain’ny Fiangonana hanao tahaka izany amin’izao fiomanana amin’ny Noely izao.

Hitantsika ihany koa fa tsy novariana tamin’ny resaka fitafiana sy sakafo izy fa araka ny voalazan’ny Evanjely dia « volon-drameva no nitafian’i Joany, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no fihinany ». Tahaka izany ihany koa isika rehetra, tokony ny fibebahana sy ny fivavahana no hataontsika loha laharana amin’izao fiomanana amin’ny Noely izao fa tsy tokony ho variana loatra amin’ny fitatadiavana fitafiana sy fanomanana sakafo isankarazany. Amin’izao vanin’andro ankehitriny izao mantsy dia saika varina amin’ny fihetsiketsehana ety ivelany fotsiny ny ankamaroan’ny olona ka zary hadino ny tena hevitry ny Noely dia ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo ka ny fahazotoana mivavaka sy mandray ny Sakramenta, indrindra ny Sakramentan’ny Fampihavana no fiomanana tsara indrindra amin’izany araka ny voalazan’i Taratasy faharoan’i Md. Piera ao amin’ny Vakiteny Faharoa manao hoe : « Ry hava-malala, izao zavatra iray loha izao no aoka ho fantatrareo : amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro. Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo » (2 Pi. 3, 8 – 9).



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

Hevitra mandeha

Tiaro ( 11/12/2014 14:03)
Mahafinaritra, mamelombelombelon'aina aty am-piasana indray na dia reraky ny asa ary.

Misaotra,

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1355