Alahady 16 martsa 2014
Alahady Faharoa amin’ny Karemy (Taona A)
« Dia niova tarehy teo anatrehany izy » (Mt. 17: 2)
Isaky ny Alahady Faharoa amin’ny Karemy dia ny Evanjely mitantara ny niovan’i Jesoa tarehy no aroson’ny Fiangonana ho antsika isan-taona. Amin’izao taona A izao dia ny voalaza ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio no voatondro ho vakiana androany. Efa voalazantsika tamin’ny Alahady heriny fa ny Karemy dia fotoan-dehibe fiomanana amin’ny Paka izay ankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny mistery nanavotan’i Jesoa antsika ka nanolorany ny tenany ho faty teo ambony Hazofijaliana fa nitsangan-kovelona tamin’ny andro fahatelo. Ho fanomanana ny mpianatra hiatrika izany mistery lehibe izany no nahatonga an’i Jesoa hiova tarehy teo anatrehan’i Piera sy Jakôba ary Joany araka ny voalazan’ny Evanjely androany. « Rahefa afaka henemana taorian’izany, nalain’i Jesoa Piera sy Jakoba ary Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehany izy; ka ny tavany nampirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana. Ary indreo niseho tamin’izy ireo Moizy sy Elia niresaka tamin’i Jesoa » ” (Mt 17: 1 – 3). Voalaza amin’ity Evanjely ity fa « afaka henemana taorian’izany », no niovan’i Jesoa tarehy. Ny tiana ho lazaina eto dia ny “henemana” taorian’ny nilazan’i Jesoa voalohany tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, hijaly sy hovonoina, fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo (jereo Mt 16 : 21 – 23).
Vakiteny I : Jen. 12: 1 – 4a
Tononkira : Sal. 33: 4 – 5, 18 – 19, 20, 22
Vakiteny II : 2 Tim. 1: 8b – 10
Evanjely : Mt. 17: 1 – 9
Araka ny fampianaran’ny Fiangonana tokoa dia tsy afa-misaraka io fanambaran’i Jesoa voalohany ny hijaliany io sy ny fiovany tarehy satria araka ny voalaza ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika dia : « Hatramin’ny andro nieken’i Piera fa i Jesoa no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona, no “nanomboka namboraka tamin’ireto mpianany ilay Mpampianatra fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, hijaly any (…) hovonoina, fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo” (Mt 16, 21) : nandà izany filazana izany i Piera, tsy nahazo loatra an’izany kosa ireo hafa. Tao anatin’izany toe-javatra izany no nametrahana ny sombin-tantara mifono mistery momba ny Fiovàn-tarehin’i Jesoa, tany an-tendrombohitra avo iray, teo anatrehan’ireo vavolombelona anankitelo nofidiny : i Piera, i Jakôba ary i Joany. Ny tarehin’i Jesoa sy ny fitafiany nanjary nanjelanjelatry ny fahazavana, i Môizy sy i Elia niseho, sy “nilaza ny hialan’i Jesoa eto an-tany izay tsy maintsy hotanteraka any Jerosalema” (Lk 9, 31). Nisy rahona nanarona azy ireo sy feo avy any an-danitra nanambara hoe : “Ity no Zanako, ilay Nofidiko ; henoy Izy » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 554). Hitantsika araka izany fa tena fanomanana ny fon’ny mpianatra hiatrika ny misterin’ny Paka tokoa no nampisehoan’i Jesoa ny voninahiny teo anatrehan’izy ireo tamin’ny niovany tarehy.
Azo lazaina ary fa io mistery momba ny Fiovàn-tarehin’i Jesoa io no fiandohan’ny Paka araka ny fampianarana hitantsika hatrany ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika. « Ny Batemy no fiandohan’ny fiainana ampahibemaso ; ny Fiovàn-tarehy kosa no fiandohan’ny Paka. Tamin’ny Batemin’i Jesoa “no naseho ny misterin’ny fanavaozana voalohany antsika” : ny Batemintsika ; ny Fiovàn-tarehy “no sakramentan’ny fanavaozana faharoa” : ny fananganana ny vatantsika ho velona. Manomboka izao isika no mandray anjara amin’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay miasa ao amin’ny sakramentan’ny Vatan’i Kristy. Ny Fiovàn-tarehy no manome antsika ny santatry ny fahatongavan’i Kristy amim-boninahitra “izay hanova ny vatantsika tsinontsinona mba hampitovy endrika izany amin’ny Vatany be voninahitra” (Filip 3, 21). Kanefa mampahatsiaro antsika koa izany fa “amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy idirantsika ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Asa 14,21) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 556). Mazava araka izany fa : « Ny hampahery ny finoan’ireo apôstôly ho amin’ny fijaliana no kendren’ ny Fiovàn-tarehin’i Kristy : ny fiakarana tany an-“tendrombohitra avo” no manomana ny fiakarana any an-tampon’i Kalvery. Asehon’i Kristy, Lohan’ny Fiangonana, izay raketin’ny Vatany sy mamirapiratra ao amin’ ny sakramenta : “ny fanantenana ny Voninahitra” (Kôl 1,27) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 568).
Mety maro amintsika no mametra-panontaniana hoe : Inona marina no tena hevitry ny mistery momba ny Fiovàn-tarehin’i Jesoa? Ho famaliana izany fanontaniana izany no nanolorantsika io fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io mba hahafahantsika mahazo tsara fa ny Fiovàn-tarehy no fiandohan’ny Paka satria araka ny voalaza amin’izany fampianaran’ny Fiangonana izany dia « ny Fiovàn-tarehy “no sakramentan’ny fanavaozana faharoa” : ny fananganana ny vatantsika ho velona. Manomboka izao isika no mandray anjara amin’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay miasa ao amin’ny sakramentan’ny Vatan’i Kristy ». Izany indrindra no antony anomezan’ny Fiangonana antsika ity Evanjely ity amin’izao Alahady Faharoa amin’ny Karemy, satria araka ny efa nambarantsika dia fotoan-dehibe fiomanana amin’ny Paka ny Karemy ka ny fiovan’i Jesoa tarehy dia mampiseho mazava tsara amintsika fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa izy saingy nanolo-tena hijaly sy ho faty mba ho famonjena antsika olombelona mpanota. Porofo manambara izany, ilay feo avy amin’ny rahona araka ny voalazan’ny Evanjely androany. « Fa raha mbola niteny izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy izy. Nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra. Fa nanatona azy Jeso, dia nanohina azy, ka nanao taminy hoe: Mitsangàna, fa aza matahotra. Nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona afa-tsy Jesoa irery » (Mt 17: 5 – 8).
Amin’izao Karemy izao dia manasa antsika ihany koa i Jesoa hiova tarehy mba ho mendrika hankalaza ny Paka satria « ny Fiovàn-tarehy no manome antsika ny santatry ny fahatongavan’i Kristy amim-boninahitra “izay hanova ny vatantsika tsinontsinona mba hampitovy endrika izany amin’ny Vatany be voninahitra” (Filip 3, 21) ». Marina fa tsy afaka ny hiova tarehy tahaka an’i Jesoa isika fa ny anasany antsika dia ny fiovan-toetra amin’ny fialana amin’ireo fahazaran-dratsy mpahazo antsika ka hihavao sy hibebaka marina tokoa. Amin’ny alan’ny fanaovana asa fitiava-namana sy fahazotoana mivavaka ary fandraisana ny sakramentan’ny Fampihavanana no ahafahantsika manatanteraka izany. Azo atao dia azo atao ny miova toetra ary azo hararaotina tsara izao Karemy izao mba hanaovana an’izay; amin’izay dia ho hitan’ny olona taratra amin’ny fiainantsika an-davanandro tokoa ny fiovana entin’izany fankalazana ny Karemy izany. Maro ireo toetra izay maha ratsy tarehy antsika eo anivon’ny fiarahamonina tahaka ny fimamoana be loatra, fitenenan-dratsy, fiavonavonana, fifosana ny namana sy ireo toetra maro hafa tsy ho voatanisa eto daholo. Ireny rehetra ireny no fiovan-tarehy anasan’i Jesoa antsika amin’izao Karemy izao koa mangataka ny fahasoavany isika mba hanampy antsika amin’izany, hahafahany manova ny vatantsika tsinontsinona mba hampitovy endrika izany amin’ny Vatany be voninahitra” (Filip 3, 21).
P. Louis Martin
Assomptionniste