Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo

Alahady 20 aprily 2014

Alahadin’ny Paka (Taona A)

Nandresy ny Tompontsika: mifalia isika, mihirà ny fandreseny ; nandresy ny Tompontsika : maty ihany fa velona indray. Izany no tononkira fanaontsika isan-taona rehefa mankalaza ny Paka ary na aiza na aiza misy antsika raha vao tsy manao izany tononkira izany dia tahaka ny tsy nankalaza ny Paka. Midika izany fa tena fotoan-dehibe ho antsika Krisitianina tokoa ny fankalazana ny Paka satria ahatsiarovantsika ny fandresen’i Jesoa ny fahafatesana ka namohany ny varavaran’ny Lanitra mba hidirantsika any amin’ny fiainana mandrankizay. Io fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty io no loharanom-pamonjena ho antsika mino azy ka raha tsy nitsangan-ko velona izy dia tsy ho afaka ny hitsangan-ko velona ho any amin’ny hasambarana mandrankizay ihany koa isika rehefa miala eto amin’ity tany fandalovana ity. Izany no nilazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe: « Fa maty hianareo, ary miara-miafina amin’ny Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo ; fa rahefa hiseho ny Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa hianareo » (Kol. 3: 3 – 4).

Efa nifampizarantsika teto tamin’ny taona lasa fa indraindray mampandinika, ary toa tsy mampino ny mieritreritra fa ny zanak’Andriamanitra no nanaiky hampijaliana sy hovonoino ho faty mba hisolo heloka antsika. Izany no mahatonga ny Fiangonana hampianatra fa Mistery lehibe ny Paka, izany hoe, zavatra marina saingy tsy takatry ny sain’olombelona fantarina ka raha tsy manam-pinoana dia tsy hahazo velively ny hevitra tiany hambara. Mistery lehibe tokoa ny Paka satria fotoana saro-bidy ahatsapantsika fa ny nahafoizan’i Jesoa ny ainy sy ny nitsanganany tamin’ny maty no fototra ahazoantsika ny famonjena. Azo lazaina araka izany fa ny Paka no fety lehibe indrindra ankalazain’ny Fiangonana ka izany no antony ilazana fa io no « Fety fara tampon’ny fety rehetra » araka ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Noho izany, tsy fety fotsiny eo anivon’ny hafa ny Paka : izy no “Fety fara tampon’ny fety rehetra”, “Manetriketrika indrindra amin’ny manetriketrika”, tahaka ny Eokaristia izay sakramentan’ireo sakramenta (ilay Sakramenta lehibe). “Ilay alahady Lehibe” no iantsoan’i Md Athanase azy, tahaka ny Herinandro Masina antsoin’ny any Atsinanana hoe “Herinandro lehibe”. Ny misterin’ny Fitsanganan-ko velona, izay tamin’izany no nandravan’i Kristy ny fahafatesana, no maninteraka ny fotoana tranainintsika tamin’ny fahefany mahery, mandra-pahatonga ny zavatra rehetra ho eo ambany fahefany » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1169).

Mety misy amintsika ihany koa no mametra-panontaniana mahakasika ny antony mampiovaova ny daty fankalazana ny Paka fa tsy tahaka ny Noely izay ankalazaina isaky ny 25 Desambra. Ho an’ireo izay mbola tsy mahalala ary dia indro omena antsika ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika izay manazava amintsika fa : « Tamin’ny Kônsilin’i Nicée (taona 325) ny Fiangonana rehetra dia nifanara-kevitra fa ny Paka kristianina dia ho ankalazaina ny Alahady izay manaraka ny volana fenomanana (14 Nisan), aorian’ny andro itovian’ny halavan’ny andro sy alina amin’ny lohataona. Noho ny tsy fitovian’ny fomba fikajiana ny 14 Nisan, tsy mifanojo lalandava ny datin’ny Paka ao amin’ny Fiangonana Tandrefana sy ny Tatsinanana. Izany no mahatonga ireo Fiangonana ireo ankehitriny, mikaroka fifanarahana, mba hahatongavana indray amin’ny fankalazana ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona amin’ny daty iraisana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1170). Araka ny voalazan’io fampianarana io dia mazava fa ny Alahady manaraka ny volana fenomanana, aorian’ny andro itovian’ny halavan’ny andro sy alina amin’ny lohataona araka ny fizaran-taona aty amin’ny ilan-tany avaratra no ankalazana ny Paka isa-taona. Tsy zavatra noforonina na namboamboarina fotsiny izany fa tena voa-marina ara-tantara satria ireo vavolombelona nanatri-maso no manambara fa tamin’io vanim-potoana io tokoa no nisehoan’izany nitsanganan’i Jesoa ho velona izany.

Mazava ho azy fa tsy tantara noforonina ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty fa tena zava-nisy marina tokoa. Ireo Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana ho antsika androany no milaza amintsika mazava tsara fa tena nitsangan-ko velona i Jesoa. Ambaranan’ny Evanjely androany tokoa fa i Maria Madelenina sy ireo vehivavy masina, tonga hamita ny fanosorana zava-manitra ny vatan’i Jesoa, izay nalevina maimaika noho ny fahatongavan’ny Sabata ny harivan’ny Zomà Masina, no voalohany nahita fa tsy tao am-pasana intsony ny Tompo. « Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato. Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe: Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy » (Jo. 20: 1 – 2). Araka izany, ny vehivavy no voalohany mpampita ny hafatry ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ho an’ny tenan’ireo apôstôly. Midika izany fa manana anjara toerana lehibe tamin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ny vehivavy ary mbola mitana hatrany izany anjara toerana izany amin’ny fomba maro samihafa eo anivon’ny Fiangonana ankehitriny.

Nanaraka izany, dia lasa ihany koa ny Mpianatra nankany amin’ny fasana ka nahita ary nino fa tena nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, ka i Piera aloha, avy eo ilay mpianatra anankiray ary izy ireo no nilaza tamin’ireo mpianatra hafa izany Vaovao Mahafaly izany. « Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana. Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana terý. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino » (Jo. 20: 3 – 8).

Tena hita miharihary eto fa i Piera izay nantsoin’i Jesoa manonkana hanamafy ny finoan’ny rahalahiny no nahita talohan’izy ireo an’ilay Nitsangan-ko velona. Izany no nahatonga azy hijoro ho vavolombelona miharihary araka ny voalazan’ny Vakiteny voalohany androany manao hoe : « Dia niloa-bava Piera ka nanao hoe : Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra: Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian’ny batemy notorin’i Joany : dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon’ny demony, satria nomba azy Andriamanitra. Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny izy nahantony tamin’ny hazo ; nefa natsangan’Andriamanitra kosa izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinana sy nisotro taminy; rahefa nitsangana tamin’ny maty izy » (Asa. 10: 34a, 37 – 41).

Tena « Fety fara tampon’ny fety rehetra » tokoa ny Paka koa miara-mivavaka isika androany mba hihamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa nitsangan-ko velona ka nandresy ny fahafatesana mba hofamonjena antsika mpanota. Fotoana ihany koa izao handinihantsika ny tenantsika tsirairay avy satria tahaka an’i Jesoa dia mety maro ihany koa ny fisedrana sy fijaliana andalovantsika. Zavatra tsimaitsy andalovana ireny tahaka an’i Jesoa niaritra ny fijaliana sy nandalo ny fahafatesana nefa nitsangana tamin’ny maty ary nitondra aina vaovao ho antsika. Fankaherezana ho antsika izany ka na eo aza ireo zava-tsarotra sy fijaliana ianantsika isan’andro dia mahazo hery isika manana an’i Jesoa fa tsimaintsy handresy miaraka aminy satria izy no efa nandresy ny fahafatesana. Amin’ny maha « Fety fara tampon’ny fety rehetra » ny Paka ary dia amin-kafaliana lehibe tokoa no ifampiarahabantsika androany. Enga anie i Jesoa nandresy ny fahafatesana hanome antsika ihany koa fendresana eo ampiatrehena izay mety ho zavatra manahirana samihafa miseho amin’ny fiainantsika andavan’andro. Nandresy ny Tompontsika : mifalia isika, mihirà ny fandreseny Aleloia, Aleloia !



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189