Dia nentiny ho any Jerosalema izy mba hatolotra amin’ny Tompo

Alahady 02 febroary 2014

Fankalazana ny Nanolorana ny Tompo (Taona A)

 

 

Ny nanolorana an’i Jesoa tao an-tempoly no ankalazaintsika androany. Azo lazaina fa miavaka amin’ny Alahady rehetra izy ity satria raha ny mahazatra dia ny Alahady Fahaefatra tsotra Mandavantaona no tokony hankalazaina, saingy noho izy mifanandrify amin’ny faha 02 febroary izay natokan’ny Fiangonana isan-taona hankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny Nanolorana ny Tompo dia ireo Tenin’Andriamanitra voatondro ho an’ity fety lehibe ity no aroso antsika androany fa tsy izay voatondro ho an’ny Alahady Fahaefatra tsotra Mandavantaona. Manana ny lanjany manokana ity andro anio ity satria fantantsika fa isaky ny faha 02 febroary no ankalazana ny fetin’ny Jiro Masina izay anambarana fa tena fahazavan’izao tontolo izao tokoa i Kristy ka tonga hanilo ny olona rehetra ao anatin’ny haizin’ny fahotana. Fa anisan’ny mampiavaka ity fety androany ity ihany koa ny fanasan’ny Fiangonana antsika hivavaka bebe kokoa ho an’ireo rehetra manolon-tena hanara-dia an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanokanam-piainana ho an’Andriamanitra dia ireo antsointsika mahazatra hoe Relijiozy sy ireo izay manokan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny fomba hafa eken’ny Fiangonana na dia tsy Relijiozy aza. Ny Lalàn’ny Fiangonana moa no mamariparitra mazava mahakasika izany ka tsy hidirantsika lalina fa ny hifampizarantsika eto dia ny Tenin’Andriamanitra izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fety nanolorana an’i Jesoa tao an-tempoly izao.

 Araka izany dia ambaran’ny Evanjely androany fa netin’ny ray aman-dreniny ho any Jerosalema Jesoa mba hatolotra amin’ny Tompo araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàna Jody. Midika izany fa tenana nanaraka ny fomba amam-panao Jody tanteraka izy ary nanaraka tsy nisy fepetra ireo lalàna rehetra nifehy ny fiarahamonina nisy azy. « Ary rahefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Moizy, dia nentiny ho any Jerosalema izy mba hatolotra amin’ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe : Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo, ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa, araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo » (Lk. 2: 22 – 24). Raha amin’ny maha Andriamanitra azy dia tsy nilain’i Jesoa ny fanolorana azy tao an-tempoly saingy mba hampisehoanay fa tena olombelona mitovy amintsika tokoa izy dia nanaiky ho eo ambanin’ny lalàna, izany hoe, ilay tompon’ny lalàna no nanaiky ho fehezin’ny lalàna mba hampisehoana amintsika fa tsy tonga handrava ny lalàna tokoa izy fa tonga handavorary sy hanatsara izany.

Mety maro amintsika no hanontany hoe : inona marina moa no tena dikan’ity fety androany ity ? Azo heverina fa samy hanana ny valin-teniny ny tsirairay saingy raha ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika no raisina dia mazava fa tena ny misterin’ny fiainana’i Jesoa mihitsy no ambaran’ity Fankalazana ity satria tsy afa-misaraka amin’ny mistery nahatongavany ho nofo ny fanoloran-tena nataony teo amin’ny Hazofijaliana ka namoizany ny ainy mba ho fanavontana antsika olombelona mpanota. « Ny fanolorana an’i Jesoa tao an-Tempoly, no mampiseho Azy ho ilay Voalohan-Teraka ho an’ny Tompo. Niaraka tamin’i Simeôna sy i Ana, ny fiandrasana rehetra tao amin’i Israely no tonga nihaona tamin’ny Mpamonjy azy (izany no iantsoan’ny lovam-pampianarana bizantinina an’ity zava- niseho ity). I Jesoa dia fantatra ho ilay Mesia nandrasana fatratra, “ fahazavan’ny firenena” sy “voninahitr’i Israely”, ary koa “famantarana hotoherina”. Ny sabatry ny fahoriana nolazaina mialoha tamin’i Maria dia manambara an’ilay fanoloran-tena hafa, lavorary sy tokana, eo amin’ny Hazofijaliana, izay hanome ny famonjena nomanin’Andriamanitra teo imason’ny firenena rehetra » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 529).

Araka ny voalazan’ity fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ity dia i Jesoa tokoa no “fahazavan’ny firenena” ka izany no antony ankalazana ihany koa ny fetin’ny Jiro Masina androany. Raha tsaroantsika tamin’ny Noely antoandro dia io Jesoa fahazavana io no nambaran’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika. Voalaza tamin’izay fa Izy no ilay Fahazavana tonga mba hanafaka ny olona hiala tao anatin’ny haizin’ny fahotana saingy araka ny voalazan’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany dia tsy nandray izany fahazavana izany ny olona. « Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao. Teo amin’izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. Tonga tao amin’ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy » (Jo. 1: 9 – 11). Koa ho fampahatsiahivana antsika indrindra an’izay maha fahazavana an’i Jesoa izay no antony ankalazana manokana ity fety androany ity ka anamasinana ny jiro tahaka ny fanaontsika ihany koa amin’ny fankalazana ny Alina Masina amin’ny Paka.

Izay maha fazavana an’i Jesoa izay ihany koa no nambaran’i Simeona rehefa nentin’ny Fanahy Masina hankao amin’ny tempoly izy ka nivavaka sy nidera an’Andriamanitra fa nahita maso ny Mpamonjy an’izao tontolo izao. Tamin’io fotoana io ihany koa no efa nanambarany ny fijaliana tsimaintsy hiaretan’i Jesoa, midika izany fa tena tsy afa-misaraka tokoa ny misterin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy izay ankalazana ny fahatongavany ho nofo sy ny misterin’ny Paka izay fankalazana ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona. Ity fety nanolorana an’i Jesoa tao an-Tempoly ity no mampiseho miharihary ny fifandraisan’ireo mistery roa tsy azo sarahina ireo ka nahatonga an’i Simeona nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe: « Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny jentily sady voninahitr’Israely olonao » (Lk. 2: 29 – 32). Ambaran’ity Evanjely androany ity fa « gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy. Ary nitso-drano azy ireo Simeona, ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe: Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’Israely ary ho famantarana hotoerina, ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra mba hiseho ny hevitry ny fo maro. » (Lk. 2: 33 – 35).

Tahaka an’i Simeona dia misaotra an’Andriamanitra ihany koa isika tamin’ny nanomezany antsika ny Mpamonjy izay nanolotra ny tenany ho fanavotana antsika ho afaka amin’ny fahotana. Io Jesoa natolotra tao an-tempoly io tokoa no fahazavana mitari-dalana sy manilo ny dian-tsika, koa misaotra azy isika noho ny fitiavany antsika. Na Andriamanitra, nanana ny voninahitra sy ny fiandrianany aza izy, dia nietry tena ho tonga olombelona mitovy amintsika ary nanolotra ny tenany ho faty mba ho famonjena antsika ho afaka tao anatin’ny aizin’ny fahotana, koa rariny raha manolotra ny tenantsika miaraka aminy ihany koa isika androany mba tena ho mendrika ny ho zanak’Andriamanitra marina tokoa tamin’ny Batemy izay noraisintsika. Enga anie izao fankalazana ny fetin’ny Jiro Masina izao hanampy antsika rehetra handini-tena ka hahatonga antsika ihany koa ho fahazavana eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy araka ny fampianaran’i Jesoa antsika manao hoe : « Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao : tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra » (Mt. 5: 14 – 16).

 

 

P. Louis Martin

 

 

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108