Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao

Alahady 21 desambra 2014
Alahady Fahaefatra amin’ny amin’ny Fiaviana (Taona B)


 

« Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao, ka hiteraka Zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany » (Lk. 1: 30)

Mankalaza ny Alahady Fahaefatra amin’ny Fiaviana isika androany. Ity no Alahady farany amin’izao Fiaviana izao satria andro vitsivitsy sisa dia ho tonga ilay andro lehibe hankalazantsika ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia milaza mazava amintsika fa tena tonga nofo tokoa ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny niterahan’i Masina Maria azy. Ambaran’ity Evanjely ity tokoa fa « tamin’izany andro izany, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: “Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao ; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao”. Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany » (Lk. 1: 26 – 29). Io fiarahaban’ny Anjely Gabriely io no porofo manambara fa tena tonga olombelona tokoa i Jesoa ary naka nofo tao an-kibon’i Maria. Tsy angano na tantara noforonina no ambaran’ity Evanjely ity fa tena zava-nisy marina tokoa mba hilazana amintsika fa ny fahatsiarovana isan-taona ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia tsy fombafomba fotsiny fa tena fototra iorenan’ny finoantsika.

Mino tokoa isika fa i Jesoa nanaiky ho tonga olombelona no ahazoantsika ny famonjena. Tsy ho afaka hitondra izany famonjena izany anefa izy raha tsy miditra amin’ny fiainantsika ka mitovy endrika amintsika. Io fidiran’i Jesoa amin’ny fiainantsika olombelona io no nahatongavany ho nofo tao an-kibon’i Maria, noho izany dia nateraka tahaka ny olombelona rehetra izy fa tsy tonga ho azy amin’izao na hoe namboarina avy amin’ny zavatra hafa. Tena olombelona marina tokoa i Jesoa ary ny filazan’ny Anjely Gabriely fa i Maria no hiteraka azy no manambara mazava amintsika izany. Voalazan’ity Evanjely androany ity fa « hoy ny Anjely taminy : “Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao, ka hiteraka Zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany. Ho lehibe Izy ka hatao hoe : Zanaky ny Avo indrindra ; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany” » (Lk. 1: 30 – 33).

Mazava araka io fanambaran’ny Anjely Gabriely io fa hiteraka Zazalahy i Maria, fa tsy hoe hisy zazalahy homena anao ka mba hankinina aminao ny fitaizana azy. Tsy zazalahy tongatonga ho azy izany no nambaran’ny Anjely tamin’i Maria fa olona tsy maintsy hateraka ary voalazany mazava tsara fa « Jesoa no hataony Anarany ». Tsy i Maria na i Jôsefa no namorona ny anarana hoe « Jesoa » fa ny Anjely izay irak’Andriamanitra no nilaza izany mialoha. Porofo izany fa tena avy amin’Andriamanitra tokoa izy no nanaiky hatera-behivavy ary ho tonga olombelona nofo sy rà tahaka ny olombelona rehetra. Manoloana io fanambaran’ny Anjely io dia velom-panontaniana i Maria ny amin’ny hahatongavan’izany satria fantany tsara ny toe-batany fa virjiny izy ary mbola tsy nahalala lahy, araka ny voalazan’ny Evanjely. « Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely : “Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho?” Hoy ny Anjely namaly azy : “Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao ; noho izany dia hatao hoe: Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao » (Lk. 1: 34 – 35).

Hitantsika miharihary amin’ity filazan’ny Anjely ity ary fa tena Andriamanitra ihany koa i Jesoa, ny Fanahy Masina no tonga tao amin’i Maria ary hoy ny Anjely taminy : « Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao ». Tena olombelona feno i Jesoa satria nateraka izy fa tsy natao. Tena Andriamanitra ihany koa satria avy amin’Andriamanitra fa tsy tonga araka ny nofo tahaka ny olombelona rehetra. Io maha olombelona sy maha Andriamanitra marina an’i Jesoa io no ambarantsika ombieny ombieny rehefa manao ny vavaka Fiekem-pinoana isika ka milaza hoe : « Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana, Zanaka lahitokan’Andriamanitra, nateraky ny Ray talohan’ny taona rehetra. Andriamanitra avy amin’Andriamanitra. Fahazavana avy amin’ny fahazavana. Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, nateraka Izy fa tsy natao. Iray fomba amin’ny Ray, ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra. Isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy noho ny herin’ny Fanahy Masina. Ka tonga olombelona ».

Vakiteny I : 2 Sam. 7: 1 - 5, 8b – 12, 14a, 16

Tononkira : Sal. 89: 2 – 3, 4 – 5, 27, 29

Vakiteny II : Rom. 16: 25 – 27

Evanjely : Lk. 1: 26 – 38

Voalazan’ny Evanjely androany moa fa niteny tamin’i Maria ihany koa ny Anjely nanao hoe : « indro i Elizabeta rahavavinao fa efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao » (Lk. 1: 36 – 37). Tena marina ny voalazan’ny Anjely satria dia tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao tokoa ary izany no nahatonga an’i Maria namaly hoe : « Inty aho ankizy vavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao » (Lk. 1: 38). Vao avy niteny izany izy dia niala teo aminy ny Anjely araka ny voalazan’ity Evanjely ity. Hitantsika eto fa na i Maria aza dia nanana fisalasalana nanoloana ny filazan’ny Anjely taminy fa izy no ho Renin’ny Mpamonjy. Izay fisalasalana izay anefa tsy nisakana azy tsy hanaiky satria azony tsara fa tsy misy tsy ho hain’Andriamanitra atao ka rehefa miankina sy matoky azy dia tsy misy atahorana. Tsy misy afaka hisakana ny fandaharan’Andriamanitra rahateo ka izany no nahatonga an’i Maria nanaiky amim-pinoana na dia fantany aza fa tsy mora ho azy ny hanatanteraka io adidy lehibe ankinina aminy io.

Amin’izao Alahady farany amin’ny Fiaviana izao dia manasa antsika ihany koa ny Fiangonana hatoky mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra manoloana ireo zava-tsarotra isankarazany izay tsy maintsy atrehintsika amin’ny fiainana andavan’andro. Tsy misy tsy ho hain’Andriamanitra atao ka rehefa miankina aminy isika dia mahazo toky fa hahatotosa izay adidy apetrany amintsika tsirairay avy. Miara-misaotra an’Andriamanitra ary isika amin’izao fiomanantsika hankalaza ny Noely izao satria raha tsy nandefa an’i Jesoa Zanany ho tonga olombelona mitovy amintsika izy dia tsy ho nahazo ny famonjena isika. Fotoan-dehibe ho antsika tokoa ny Noely ka manasa antsika ny Fiangonana mba hiomana tsara amin’izany araka ny fanentanana omena antsika mialohan’ny ranombavaky ny mpino androany manao hoe : « Ry kristianina havana, amin’izao isika efa somebiseby hankalaza ny fetin’ny Noely izao, asondroty any amin’Andriamanitra ny fo amam-panahintsika, hangataka aminy mba tsy ho ambakan’ny fiomanana ivelany ataontsika, ny fiomanana anaty handraisana an’i Jesoa vonjintsika sy fiainantsika ». Enga anie samy hiezaka amin’izay fiomanana anaty izay tokoa isika mba ho mendrika ny handray an’i Jesoa amin’ny fo madio sy afa-pahotana ka hiteraka azy indray ao am-potsika amin’ny alalan’ny fandraisana amim-pinoana ny Eokaristia Masina.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105