Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?

Alahady 24 Aogositra 2014
Alahady Faha – 21 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ? » (Mt. 16: 13)

Nandritra ny Alahady roa nifanesy izay dia mahakasika ny finoana no hevi-dehibe nambaran’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika. Tsaroantsika tsara ny voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady Faha – 19 tsotra Mandavan-taona fa ny hakelin’ny finoana no nahatonga an’i Piera nilentika ka niantso mafy an’i Jesoa nanao hoe : Tompo ô! vonjeo aho. Saingy « niaraka tamin’izay naninji-tànana Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe : Ry kely finoana, nahoana no nisalasala hianao? » (Mt. 14: 31). Voalazan’ny Evanjely tamin’izay fa « rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona azy sy nitsaoka azy nanao hoe : Tena Zanak’Andriamanitra tokoa hianao » (Mt. 14: 32 – 33). Izay finoana an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra izay no tao amin’ilay vehivavy kananeana anankiray, izay nangataka fanasitranana ho an’ny zanany vavy, araka ny nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny, ka nilazan’i Jesoa taminy nanao hoe : « Ravehivavy, lehibe ny finoanao » (Mt. 15: 28). Manoloana izany rehetra izany dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe : Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?

Ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 21 tsotra Mandavan-taona izao tokoa fa « nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe : Sezarean’i Filipo Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe : Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona? Ary hoy ireo : Ny sasany manao hoe : Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany. Dia hoy Jesoa taminy : Fa hianareo kosa, ataonareo ho iza aho ? Namaly Simona Piera ka nanao hoe : Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona » (Mt. 16: 13 – 16). Taloha raha nisalasala i Piera ka nataon’i Jesoa hoe : « Ry kely finoana, nahoana no nisalasala hianao? », amin’ity Evanjely androany ity dia tsy nisalasala izy nilaza hoe : « Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona ». Mety noho izy nisalasala taloha araka izany no nahatonga azy nanao ity fiekem-pinoana lehibe ity satria raha tsaroantsika tsara, tamin’ny fotoana nampisalasala an’i Piera dia efa niteny tamin’i Jesoa ny mpianatra rehetra tao an-tsambo kely rehefa nanatona azy sy nitsaoka azy nanao hoe : « Tena Zanak’Andriamanitra tokoa hianao » (Mt. 14: 33).

Noho io fiekem-pinoana nataon’i Piera io « dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra » (Mt. 16: 17 – 19). Tsara ho marihina moa fa ity Evanjely androany ity dia efa naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady 29 Jiona lasa teo, izay nankalazana tamin’ny fomba manetriketrika ny fetin’ny Masindahy Piera sy Paoly Apostoly ary efa nifampizarantsika teto tamin’izay fa i Piera, noho ny finoana nekeny ampahibemaso, no notendren’i Jesoa ho vatolampy iorenan’ny Fiangonana. Izany indrindra no ambaran’ny fampianarana izay hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Amin’ny fiombonam-piadidian’ny Roa ambin’ny folo, i Simôna Piera no mitana ny toerana voalohany. Nanankinan’i Jesoa andraikitra tsy manam-paharoa izy. Noho ny fanambaràna avy amin’ny Ray no nahatonga an’i Piera niaiky hoe : “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Tamin’izay, hoy ny nambaran’ny Tompontsika taminy : “Ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako, ary ny Vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy” (Mt 16, 18). I Kristy, “Vato velona” (1 Pi 2, 4), no miantoka ho an’ny Fiangonany miorina eo ambonin’i Piera, amin’ny fandresena ny hery amam-pahefan’ny fahafatesana. I Piera, noho ny finoana nekeny ampahibemaso, dia haharitra ho vatolampin’ny Fiangonana tsy voahozongozona. Hanana andraikitra hitahiry izany finoana izany tsy ho lefy izy sy hanamafy ny finoan’ireo rahalahiny » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 552).

Mazava araka izany fa i Piera ilay nisalasala taloha ka nataon’i Jesoa hoe « Ry kely finoana, nahoana no nisalasala hianao? » (Mt. 14: 31), no vato fototra iorenan’ny Fiangonana ka nilazany hoe : « hianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy » (Mt 16, 18). Nomen’i Jesoa fahefana izy ka nataony hoe : « izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra » (Mt. 16: 19). Azo lazaina fa tamin’io fotoana io no nanomezan’i Jesoa ny fahefana rehetra nifandovana ato amin’ny Fiangonana ka ny Papa dimbin’i Piera sy ny Eveka dibin’ny Apostoly ary ny Pretra sy ny Diakra, mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo, izay nandray ny Sakramentan’ny Filaharana no miantoka ny fitohizan’ny fandovana izany fahefana izany. Mazava ho azy fa ny fahefana ananan’ny Eveka sy ny Pretra ary ny Diakra dia tsy fahefan’olombelona fa fahefana nolovana avy amin’i Jesoa Kristy izay nanankina izany hatramin’ny voalohany tamin’i Piera (vato). Noho izany dia tsy misy isalasalana fa ny fahefana rehetra ananan’ny Mpisorona ato amin’ny Fiangonana, rehefa mizara ny Sakramenta sy mitory ny Tenin’Andriamanitra dia tena avy amin’i Jesoa tanteraka fa ny Mpisorona dia mpisolo-tena fotsiny ihany.

Vakiteny I : Iz. 22, 19 – 23

Tononkira : Sal. 138, 1 – 2a. 2bc – 3. 6. 8bc

Vakiteny II : Rom. 11, 33 – 36

Evanjely : Mt. 16, 13 – 20

Manasa antsika ny Fiangonana amin’izao Alahady Faha – 21 tsotra Mandavan-taona izao hivavaka ho an’ny Eveka sy ny Pretra ary ny Diakra rehetra, mba hanatanteraka amim-pinoana ny andraikitra nifandovana ato amin’ny Fiangonana izay nakinin’i Jesoa tamin’i Piera tokoa izy ireo. Olombelona marefo ihany izy ireo ary tahaka an’i Piera dia mety ho kely finoana na mety hanana fisalasalana ihany koa aza, saingy i Jesoa no efa niantso azy ireo ary niteny hoe : « Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra » (Mt. 14: 27). Noho izany dia mila ny vavaka ataon’ny Kristianina rehetra izy ireo mba tena hatoky sy tsy hatahotra na hisalasala fa hiorim-paka tanteraka amin’i Jesoa Kristy zanak’Andriamanitra velona izay niantso sy naniraka ary nanome fahefana azy ireo hitarika ny olona rehetra ho voavonjy. Enga anie izay vavaka ataontsika rehetra izay no hanamafy orina hatrany ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ataon’ny Fiangonana, ka na eo aza ny zava-manahirana isan-karazany izay tsy maintsy atrehina amin’izao vanin’andro diavintsika izao, dia tsy hihemotra fa hiroso hatrany isika satria i Jesoa no efa niteny hoe : « eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako, ary ny Vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy” (Mt 16, 18).

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1075