Asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo

Alahady 12 oktobra 2014

Alahady Faha – 28 tsotra Mandavan-taona (Taona A)


 

« Koa mandehana hianareo any amin’ny fihaonan-dàlana, ary asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo » (Mt. 22, 9)

 

Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa tao anatin’ny Alahady telo nifanesy izay dia ny fanoharan’i Jesoa ny fanjakan’ny lanitra amin’ny tanim-boaloboka no nambaran’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika. Mbola mitohy hatrany ny fanomezan’i Jesoa fanoharana mahakasika ny fanjakan’ny lanitra ka amin’izao Alahady Faha – 28 tsotra Mandavan-taona izao dia tsy tamin’ny tanim-boaloboka intsony no nanoharany ny fanjakan’ny lanitra fa amin’ny alalan’ny fanasana lehibe nataon’ andriamanjaka anankiray tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy. Araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity dia « niteny indray Jesoa nanao fanoharana tamin’ireo hoe : Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy, ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe : Lazao amin’ny nasaina hoe : Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin’ny fampakaram-bady hianareo. Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony ; ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny. Dia hoy izy tamin’ny ankiziny : Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika. Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany » (Mt. 22, 1 – 8).

Eto dia ny vahoaka voafidy, izany hoe ny taranak’Israely rehetra no oharin’i Jesoa amin’ny olona nasaina ho tonga amin’ny fampakaram-bady kanefa tsy tonga fa samy nahita fialan-tsiny daholo. Maro ireo Mpaminany nifandimby nirahin’Andriamanitra hanambara ny fanjakan’ny lanitra tamin’ny vahoaka Israely fa tsy nisy nohenoin’izy ireo izany, ary tamin’ny farany moa dia i Jesoa Zanany mihitsy no nirahiny hanambra izany fanjakan’ny lanitra izany fa mbola tsy nohenoin’izy ireo hatrany. Tsy vitan’ny hoe tsy nohenoina fotsiny izy fa nosamborin’izy ireo ary novonoina ka maty, saingy amin’ny maha Andriamanitra azy dia tsy resin’ny fasana izy fa nitsangana tamin’ny maty ka inoantsika fa io Jesoa io tokoa no Mpamonjy nirahin’Andriamanitra ho tonga teto an-tany saingy tsy nandray azy ny zanak’Israely izay niara-nonina taminy, indrindra moa ny lohandohan’ny mpisorona sy loholona rehetra tamin’izany fotoana izany, araka ny efa voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny ny amin’ny fanoharana mahakasika ny tanim-boaloboka nahofan’ilay tompon-trano anankiray tamin’ny mpiasa.

Manaraka izany dia notohizin’ny Jesoa ny fanoharana nataony mahakasika ity fanasana amin’ny fampakaram-bady ity ka nilazany fa rehefa tezitra ilay mpanjaka nony nandre fa tsy nisy nanaiky ho tonga ireo nasaina dia naniraka ny ankiziny izy mba handeha eny amin’ny fihaonan-dàlana ka hanasa izay rehetra hitany. « Koa mandehana hianareo any amin’ny fihaonan-dàlana, ary asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo. Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana. Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, dia hoy izy taminy : Ry sakaiza, nahoana hianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady ? Fa sina ilay olona ; ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony : Afatory ny tongotra aman-tànany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina » (Mt. 22, 9 – 14).

Vakiteny I : Iz. 25, 6 – 10a

Tononkira : Sal. 23, 1 – 3a. 3b – 4. 5. 6

Vakiteny II : Fi. 4, 12 – 14. 19 – 20

Evanjely : Mt. 22, 1 – 14

Mazava araka ity fanoharana naton’i Jesoa ity fa isika rehetra no asainy handray anjara amin’ny hafaliam-be any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ny mpino rehetra maneran-tany no ohariny amin’ny olona nameno ny tranon’ilay andriamanjaka nanao fanasana. Hitantsika amin’izany fa tena tsy manavakavaka tokoa Andriamanitra fa asainy hiara-paly amin’ny fampakaram-badin’ny zanany daholo ny olona rehetra. Izany hoe samy asainy daholo isika rehetra handray anjara amin’ny hafaliam-be izay omaniny ho antsika any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Tsy honohono fa tena zava-misy tokoa ny fanjakan’ny lanitra matoa i Jesoa tena Andriamanitra tokoa no manao fanoharana manambara izany. Noho izany raha tiantsika ny handova izany fanjakan’ny lanitra izany miaraka aminy dia tsy maintsy manaiky ny fanasany isika ary manantona sy mandray azy satria izy no lalan-tokana ahafahantsika mizotra makany amin’ny Ray. Jesoa mihitsy no nirahin’Andriamanitra mba hamonjy sy hanavotra antsika ka hanangona antsika avy amin’ny lafivalon’ny tany, tahaka ireo akizy nirahin’ny andriamanjaka ho eny amin’ny fihaonan-dàlana rehetra mba hanangona ny olona handray anjara amin’ny fampakaram-badin’ny zanany.

Na eo aza anefa izay fanetren-tena nanan’i Jesoa izay, ka nahatonga azy hanaiky hidina ety ambonin’ny tany mba hanovotra antsika dia tsy afaka ny hanery antsika izy fa mamela antsika hisafidy malalaka na hanaiky na handà ny fanasana ataony isika. Hitantsika ny zava-nisy tamin’ireto ankizy nirahin’ilay andriamanjaka ireto, tsy afaka nanery ny olona nasaina izy ireo fa niantso azy ireo fotsiny ihany ka izay nanaiky no nadray anjara tamin’ny fihinanam-be tao amin’ny fanasana fa izay tsy nanaiky kosa dia tavela tany ivelany ary ireo izay nisambotra sy namono ny ankiziny kosa dia nanirahan’ilay andriamanjaka ny miaramilany mba handringana sy handoro ny tanànan’izy ireo. Dia ho tahaka izany ihany koa izay rehetra tsy manaiky ny antso ataon’i Jesoa dia ho tavela ary tsy ho anisan’ny hanana anjara amin’ny hasambarana mandrakizay izay efa omanin’Andriamanitra Ray ho an’ireo izay manaiky ny Teniny. Tsy ampy anaefa ny manaiky fotsiny fa mila manana toetra mendrika izany antson’i Jesoa izany izay rehetra mamaly ny fanasany.

Efa nanaiky io fanasany io isika rehetra tamin’ny Batemy noraisintsika, saingy ilaina dia ilaina ny manana toetra mendrika sy mifanaraka amin’izany fa tsy hoe vita Batemy dia ampy izay. Raha tsy izany dia ho tahaka ilay lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady isika ka hariana any amin’ny maizina any ivelany, any amin’ny toerana misy ny fitomaniana sy fikitroha-nify. Miara-mivavaka ary isika androany mba tena ho mendrika ny fanasan’i Jesoa antsika tokoa isika mba ho afaka handova ny fanjakan’ny lanitra miaraka aminy. Miantso antsika isan’andro izy ka anjarantsika ny mamaly izany antso izany amin’ny alalan’ny fahazotoantsika mivavaka sy mihaino ny Teniny ary mandray ny Vatana aman-drany ao amin’ny Eokaristia Masina. Enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra no hiaraka amintsika isan’andro mba hahafahantsika mamaly amim-pitokiana izany antso izany, tsy manary antsika izy fa manome izay rehetra ilaintsika araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe : « Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’ny Kristy Jesoa izany » (Filipiana toko 4, 19).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0565