Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy

Alahady 07 Septambra 2014
Alahady Faha – 23 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

Ny lanjan’ny fifamelan-keloka sy ny maha zava-dehibe ny Sakramentan’ny Fampihavanana no fampianarana omen’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 23 tsotra Mandavan-taona izao. Voalohany indrindra dia ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity fa : « raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy ; ka rahefa mitokana hianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao ; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikàna » (Mt. 18, 15 – 17). Zavatra fahita matetika eo anivon’ny fiarahamonina ny fifamaliana sy ny fifanafintohinana ka miteraka tsy fifankatiavana eo amin’ny mpiara-monina. Ny zava-misy anefa dia samy tsy misy miaky ho diso fa samy  te-hanamarin-tena ka mihevi-tena ho manana ny marina ary manilika amin’ny hafa ny hadisoana. Ny fifanantonana sy ny fifampiresahana ihany no vaha olana tokana amin’izany ka izay no nampianaran’i Jesoa antsika amin’ity Evanjely ity ny dingana tokony arahina rehefa misy ny hadisoana mila fananarana.

Ny mahazatra antsika rehefa misy ny hadisoana ataon’ny olona iray dia ilay nanao hadisoana no andrasana hifona sy hanatona ary hangata-pamelana amin’izay hadisoana vitany. Ny an’i Jesoa kosa dia ny mifanohitra amin’izany no ampianariny. Tsy ilay nanao hadisoana no manatona fa ilay niharan’ny hadisoana no manao dingana voalohany. Mazava ny ambarany eto manao hoe : « raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy ; ka rahefa mitokana hianareo, dia asehoy azy ny hadisoany » (Mt. 18, 15). Tsy fanamelohana ilay nanao hadisoana no antony anatonana azy sy iangaviana azy mba hitokana fa fanampiana azy hahalala ny hadisoana nataony. Manoloana izany dia manana adidy ilay nanao hadisoana hiaky heloka ka hangata-pamelana amin’ny hadisoana natao. Io fahaizana mananatra amim-pitiavana ka mahasahy miteny ny marina rehefa misy ny hadisoana ataon’ny hafa io, ary ny fahaizana miaky heloka ka mangata-pamelana rehefa diso no fototry ny fampihavanana sy famelan-keloka.

Ho an’ny Fiangonana dia amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana no ahafahana manao izany. Io Sakramenta io mantsy no famatarana hita maso fa mihavana amin’Andriamanitra isika ary mihavana amin’izay nanaovantsika hadisoana sy nanao hadisoana tamintsika ihany koa. Voalaza mazava amin’ity Envanjely androany ity fa i Jesoa mihitsy no nanome fahefana ny mpianatra hamela heloka. Hoy izy hoe : « Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra ; ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin’ny tany dia ho voavaha any an-danitra » (Mt. 18, 18). Raha tsaroantsika ny Evanjely tamin’ny Alahady Faha – 21 tsotra Mandavan-taona dia efa nomen’i Jesoa an’i Piera io fahefana io tamin’ny nilazany hoe : «Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra » (Mt. 16: 19). Amin’ity Evanjely androany ity kosa dia ny mpianatra rehetra no nandray io fahefana avy amin’i Jesoa io ka izy ireo no nampita izany fahefana izany ho an’ny Eveka dimbin’ny Apostoly sy ny Pretra miara-miasa amin’izy ireo.

Vakiteny I : Ez. 33, 7 – 9

Tononkira : Sal. 95, 1 – 2. 6 – 7. 8 – 9

Vakiteny II : Rom. 13, 8 – 10

Evanjely : Mt. 18, 15 – 20

Mazava araka izany fa i Jesoa mihitsy no namorona ny Sakramentan’ny Fampihavanana satria araka ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika dia « tamin’ny nanomezan’ny Tompo ny anjara fahefan’ny Tenany manokana hamela ny fahotana, ho an’ny apôstôly, no nanomezany azy ireo koa ny fahefana hampihavana ny mpanota amin’ny Fiangonana. Izany halehiben’ ny lahasan’izy ireo momba ny Fiangonana izany dia voambara indrindra tamin’ny teny manetriketrika nataon’i Kristy tamin’i Simôna Piera hoe : “Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra ; izay rehetra hofehezinao eto an-tany dia ho voafehy any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao eto an-tany dia ho voavaha any an-danitra” (Mt 16, 19). Izany adidy aman’andraikitra iray ihany hamehy sy hamaha izay nomena an’i Piera izany dia nomena koa ho an’ny fiombonam-piadidian’ireo apôstôly miray amin’ny filohan’izy ireo (Mt 18, 18 ; 28,16-20) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1444). Manaraka izany dia io Katesizin’ny Fiangonana Katolika io ihany koa no manazava amintsika ny hevitry ny teny hoe « mamehy sy mamaha ». Ambarany araka izany fa « ny teny hoe mamehy sy mamaha dia midika hoe : ilay izay horoahinareo tsy ho ao amin’ny fiombonanareo, dia ho voaroaka tsy ho ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra ; ilay izay horaisinareo indray ho ao amin’ny fiombonanareo, dia horaisin’Andriamanitra koa ho ao amin’ny Azy. Tsy azo sarahina amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra ny fampihavanana amin’ny Fiangonana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1445).

Marina tokoa fa tena tsy azo sarahina amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra ny fampihavanana amin’ny Fiangonana. Izany hoe, tsy afa-misaraka ny fihavanana amin’Andriamanitra sy ny namana. Ny tena tiana hambara amin’izany dia mazava fa tsy azo sarahina ny fangatahana famelan-keloka amin’Andriamanitra sy ny fifamelan-keloka eo amintsika samy isika ka izay nanao hadisoana hahay hiaky heloka amim-panetren-tena satria « ny heloka ibabohana hono mody rariny ». Tahaka izany, izay niharan’ny hadisoana kosa tsy hiziriziry fa hanatona ary hananatra amim-pitiavana fa « tsy hijery arina an-tava » ary hahay mamela heloka. Ny fanaovantsika izany no hahatanteraka ny fahendren-dRazantsika manao hoe : « ny fitia mifamaly mahatsara fihavanana ».

Filaminana, fiadanam-po ary fitiavana no vokatry ny fahaizana mifampihaino sy mifamela heloka ka izany no nilazan’i Md Paoly amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana ; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. Satria ny hoe : Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsiriri-javatr’olona, mbami’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy ao amin’ny teny hoe : Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany » (Rom. 13, 8 – 10). Enga anie izay fitiavana izay no hameno ny fotsika amin’izao Alahady Faha – 23 tsotra Mandavan-taona izao, ka hahafahantsika mamela heloka ny namana sy miaky heloka ihany koa ary mangataka ny famelan-keloka rehefa manao hadisoana. Miara-mitodika amin’i Jesoa ary isika mba hitarihany lalana antsika satria mino isika fa miaraka amintsika isan’andro Izy araka ny voalazany manao hoe : « Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany aho » (Mt. 18, 20).

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854