Ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa

Alahady 03 Aogositra 2014

Alahady Faha – 18 tsotra Mandavan-taona (Taona A)


 

« Ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nitso-drano » (Mt. 14: 19)

Tao anatin’ny Alahady maromaro izay dia ireo fanoharana samihafa nataon’i Jesoa mahakasika ny fanjakan’ny lanitra no nambaran’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika. Amin’izao Alahady Faha – 18 tsotra Mandavan-taona izao kosa dia ny Evanjely izay mitantara ny nampitomboan’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa no aroso ho dinihintsika. Voalazan’ity Evanjely androany ity fa « nony nandre izany Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an’efitra » (Mt. 14: 13). Matetika i Jesoa no mitokana samy irery any an’efitra rehefa avy nitory ny Vaovao Mahafalin’ny fanjakan’ny lanitra na rehefa avy mandroaka demony na manasitrana marary. Tsy hiala sasatra akory no diany any an’efitra fa mba hivavaka, ka miresaka mivantana amin’Ilay Ray naniraka Azy. Tsy niafina fa fantatry ny olona rehetra ny toerana falehan’i Jesoa ka « rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy » (Mt. 14: 13).

Vakiteny I : Iz. 55: 1 – 3

Tononkira : Sal. 145: 8 – 9, 15 – 16, 17 – 18

Vakiteny II : Rom. 8: 35, 37 – 39

Evanjely : Mt. 14: 13 – 21

Tsy nahalala sasatra fa tena nidodododo tokoa ireto vahoaka ireo nanaraka an’i Jesoa mba hihaino ny fampianarana ataony sy hositraniny amin’ireo aretina isan-karazany. Araka ny voalazan’ity Evanjely ity dia nangoraka azy ireo i Jesoa rehefa nahita izany fidodododoan’izy ireo nanaraka azy izany. « Rahefa niala tao an-tsambo izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy » (Mt. 14: 14). Tsy niala teo aminy ireto vahoka ireto na hariva aza ny andro ka izany no nahatonga ny mpianatra hiangavy azy mba handefa ny olona hiala ny tany efitra mba hividy hanina eny amin’ny tanana manodidina. Fantatr’i Jesoa rahateo ny hataony ka tsy nanaiky izany fangatahan’ny mpianatra izany izy. Ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa : « nony hariva ny andro, dia nanatona azy ny mpianany nanao hoe : Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro ; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra. Fa hoy Jesoa taminy : Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina. Dia hoy ireo taminy : Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay. Ento atý amiko izany, hoy izy taminy. Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nitso-drano ; ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo. Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy » (Mt. 14: 15 – 21).

Maromaro ny fampianarana azontsika raisina avy amin’ity Evanjely androany ity. Voalohany indrindra dia ny fangorahan’i Jesoa ireo vahoaka maro be nidodododo nanaraka azy. Noho izay fangorahany azy ireo izay dia nositraniny izay narary ary tsy navelany nody maina izy ireo fa nomeny sakafo. Tahaka izany no ataony amintsika rehefa midodododo manaraka azy isika, indrindra rehefa mamonjy Lamesa na mamonjy ny fotoam-pivavahana isan’Alahady. Ny hihaino ny fampianaran’i Jesoa no tena nahatonga ireo vahoaka ireo nanaraka azy tany an’efitra ka sady nitory ny Vaovao Mahafaly tamin’izy ireo izany i Jesoa no nanome sakafo azy ireo. Izany no ataony amintsika rehefa mamonjy Lamesa isika. Sady mihaino ny tenin’Andrimanitra isika no mandray ny Eokaristia izay sakafo mahavelona mandrakizay. Azo lazaina fa tandindon’ny Eokaristia sahady ny nampitomboan’i Jesoa ny mofo dimy tany an’efitra. Noho izany dia tsy tokony hisalasala isika hanara-dia an’i Jesoa ka hazoto mivavaka indrindra isan’Alahady. Mety misy ireo mieritreritra fa fandanian’andro ny mivavaka satria fotoana tokony hiasana na hitadiavana izay hohanina isan’andro nefa laniana amin’ny vavaka izay tsy mamokatra akory. Hadisoan-kevitra izany satria mangoraka mandrakariva izay manaraka azy i Jesoa ary manome hanina izay maharitra mihaino ny fampianarany ka izany no antony anasana antsika hazoto mivavaka sy mihaino ny Tenin’Andriamanitra ary mandray ny Eokaristia sy ireo Sakramenta samihafa izay zarain’ny Fiangonana ho antsika. Marina fa tsy manao fahagagana tahaka ny fampitomboana ny mofo dimy sy hazandrano roa tany an’efitra intsony izy, saingy ireo fahasoavana maro omeny antsika isan’andro no ahatsapantsika fa tena mangoraka antsika tokoa izy.

Ny fampianarana faharoa azontsika raisina amin’ity Evanjely androany ity dia ny fiangavian’i Jesoa ny mpinatra hanome sakafo ireo vahoaka maro be ireo. Rehefa niteny izy ireo hoe ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra, dia namaly azy ireo i Jesoa nanao hoe : « Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina ». Nomen’i Jesoa adidy sy andraikitra ireo mpianatra ireo mba hanome hanina ny vahoaka ka izany no nahatonga azy ireo hiteny hoe : « Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay ». Ankehitriny dia ny Eveka izay dimbin’ny Apostoly sy ny Pretra miara miasa aminy no anankinan’i Jesoa io adidy sy andraikitra hanome hanina ny vahoaka io amin’ny alalan’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra izay sakafo mahavelona tokoa, sy main’ny alalan’ny fizarana ny Sakramenta, ary ny ambony indrindra amin’izany dia ny Eokaristia izay andraisana mivantana an’i Jesoa Mofon’ny fiainana.

Baiko no nomen’i Jesoa ny mpianatra rehefa niteny izy hoe : « Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina ». Io baiko io ihany koa no omeny antsika mpisorona izay nofidiny hamahana ny vahoakany ankehitriny, noho izany dia tsy maintsy miezaka mandrakariva isika hanatanteraka izany baiko izany. Indraindray mety variana amin’ny zavatra hafa isika ka manadino fa ny famahanana ny vahoakan’Andriamanitra no adidy napetrak’i Jesoa amintsika voalohany indrindra, koa ity Evanjely androany ity dia fampahatsiahivana antsika indray fa ny fiaraha-miasa amin’i Jesoa amin’ny alalan’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy fizarana ny Sakramenta indrindra ny Eokaristia, ary ny fandraisana ny olona rehetra amim-pitiavana no adidy mipetraka amintsika voalohany indrindra. Azo lazaina fa sady fampianarana ho antsika vahoakan’Andriamanitra rehetra tsy hisalasala hanaraka-dia an’i Jesoa, no fampianarana ihany koa ho an’ireo dimbin’ny Apostoly dia ny Eveka sy ny Pretra ary ny mpanao raharaha masina rehetra mba hanao ny asa nanirahana azy ireo amim-pitiavana no ambaran’ity Evanjely androany ity. Koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady Faha – 18 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hanara-dia an’i Jesoa tokoa amin’ny fahazotoana mivavaka sy mihaino ny Teniny ary mihinana ny sakafo omeny dia ny Tenany izay raisintsika ao amin’ny Eokaristia.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0945