Ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny

Alahady 12 janoary 2014
Fankalazana ny Batemin’ny Tompo (Taona A)

 

Ny nanaovana batemy an’i Jesoa no ankalazaintsika anio, midika izany fa ity no Alahady amaranana ny fankalazana ny Noely izay nibanjinantsika ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Tsy tamin’izao Noely izao ihany anefa fa hatramin’ny Alahady Voalohany amin’ny Fiaviana mihitsy isika no asain’ny Fiangonana handika lalina io Mistery Lehibe nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo io ka ity Alahady fankalazana ny Batemin’ny Tompo ity no mamarana izany. Raha tsorina dia tahaka ny teteza-mita mampitohy ny fahazazan’i Jesoa sy ny fiantombohan’ny fiainany ampahibemaso izao fankalazana ataontsika izao. Teteza-mita iampitantsika amin’ny Alahady tsotra mandavantaona ihany koa satria ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo dia sady famaranana ny Noely, no Alahady tsotra voalohany mandavantaona, araka ny fandaharana Litorjika, iombonan’ny Fiangonana Katolika maneran-tany.

Ny fankalazana ny Noely no mifarana fa ny fandinihantsika ny Misterin’ny fiainan’i Jesoa dia mitohy hatrany nanomboka tamin’izao fankalazana ny Batemin’ny Tompo izao ka hatramin’ny fitsanganany ho velona araka ny fijoroana ho vavolom-belona nataon’i Piera izay ambaran’ny Vakiteny faharoa izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian’ny batemy notorin’i Joany: dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon’ny demony, satria nomba azy Andriamanitra. Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny izy, nahantony tamin’ny hazo ; nefa natsangan’Andriamanitra kosa izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinanan sy nisotro taminy; rahefa nitsangana tamin’ny maty izy » (Asa. 10: 37 – 41).

Azo ambara eto fa tsy afa-misaraka ny Batemin’i Jesoa sy ny fanekena ny iraka maha Mpanompo mijaly azy. Izany rahateo no fanazavana omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mahakasika ny antony nahatonga an’i Jesoa hatao batemy na dia Zanak’Andriamanitra tsy azom-pahotana aza Izy. « Ny Batemin’i Jesoa, ho Azy, no fanekena sy fisantarana ny iraka maha Mpanompo mijaly Azy. Nanaiky ho anisan’ny mpanota Izy ; efa “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” Izy (Jo 1,29) ; nataony mialoha sahady ny “batemin’ny” fahafatesany handatsahany ny rany. Tonga sahady Izy “hanatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Mt 3,15), izany hoe hankato manontolo ny sitrapon’ny Rainy : nekeny amim-pitiavana io batemim-pahafatesana io ho famelana ny fahotantsika. Tamin’io fanekena io no namalian’ny feon’ny Ray izay nankasitraka manontolo ny Zanany. Ny Fanahy, izay ananan’i Jesoa tanteraka hatramin’ny niforonany tao am-bohoka, no tonga “nitoetra” teo amboniny. Izy no ho loharanon’izany ho an’ny olombelona rehetra. Tamin’ ny Bateminy no “nisokatra ny lanitra” (Mt 3,16) izay nohidian’ny fahotan’i Adama ; ary nohamasinin’ny fidinan’i Jesoa sy ny Fanahy ny rano, izay fambara ny fahariana vaovao » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 536).

Tena zava-dehibe tokoa ny nanaovana batemy an’i Jesoa satria io no manambara fa nandray ny fahefana avy amin’ny Ray izy ary vonona ny hanatanteraka ny asa nanirahana azy hatramin’ny farany. Efa nifampizarantsika tamin’ny Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana fa ny batemim-pibebahana ho famelana ny fahotana no nataon’i Joany. Voalazan’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana tamin’izany fa « nankany aminy daholo Jerosalema sy Jodea rehetra mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany ; ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin’ny ony Jordany » (Mt. 3: 6). Noho izany, amin’ny maha Andrimanitra azy dia tsy nilain’i Jesoa ny nataon’i Joany batemy satria tsy nanota izy, izay rahateo no antony nandavan’i Joany hanao batemy azy araka ny voalaza ao amin’ny Evanjely androany, saingy mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra araka ny fiangavian’i Jesoa dia nanaiky ihany izy ny hanao batemy azy. « Ary tamin’izany dia tonga avy tany Galilea Jesoa ka nanatona an’i Joany teo amoron’i Jordany mba hataony batemy; fa nandà Joany nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batemy, ka hianao indray va no mankaty amiko? Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra. Dia nanaiky izy » (Mt. 3 : 13 – 15).

Mazava ny voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely ity fa mba hahafahany manatanteraka ny fahamarinana rehetra no antony nandraisany ny batemy nataon’i Joany. Midika izany fa io nanaovana batemy azy io no fiantombohan’ny fiainany ampahibemaso ka nisehoany miharihary fa Izy no Zanak’Andriamanitra tonga hamonjy ny olombelona mpanota araka ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika. « Ny fiantombohan’ny fiainan’i Jesoa ampahibemaso, dia ny nanaovan’i Joany batemy Azy tao Jordany. Nitory “batemim-pibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 3,3) i Joany. Mpanota sesehena, poblikanina sy miaramila, Farisianina sy Sadôseanina ary mpivaro-tena, no tonga hataony batemy. “Tamin’izay, niseho i Jesoa.” Ilay Mpanao batemy moa niahotra, i Jesoa kosa nikiry : nandray ny Batemy Izy. Tamin’izay ny Fanahy Masina, niendri- batana toa voromahailala, nidina nankeo ambonin’i Jesoa, ary nisy feo avy an-danitra nanambara hoe : “Izy ity no Zanako malalako” (Mt 3,13 – 17). Izany no fisehoan’i (“Epifania”) Jesoa ho Mesian’i Israely sy Zanak’Andriamanitra » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 535).

Azo ambara fa tena fotoan-dehibe ho antsika tokoa izao ankalazana ny Batemin’ny Tompo izao satria manambara miharihary fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa satria ny feon’Andriamanitra avy any an-danitra mihitsy no nanambara izany ary ireo izay nanatri-maso io fotoana nanaovana batemy azy io dia nadre izany feo izany araka ny voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Nony vita batemy Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin’izay, ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny. Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay ankasitrahako indrindra » (Mt. 3 : 16 – 17). Mampahatsiaro ihany koa ny lanjan’ny Sakramentan’ny Batemy izay raisintsika ity fety lehibe androany ity satria araka ny fampianaran’ny Fiangonana dia amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Batemy ny kristianina no mitovy amin’i Jesoa ka tonga zanaka malalan’ny Ray sy “hiaina ny fiainam-baovao” (Rôm 6, 4).

Izany fampinanarana izany moa dia hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika izay manambara fa : « Tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Batemy ny kristianina no mitovy amin’i Jesoa izay nampihatra mialoha ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, tamin’ny alalan’ny Bateminy ; tsy maintsy miditra ao amin’io misterin’ny fanetrena tena ambany dia ambany sy ny fibebahana io izy, tsy maintsy midina ao anaty rano miaraka amin’i Jesoa, mba hiakatra miaraka Aminy avy ao, ka ateraky ny rano sy ny Fanahy mba ho tonga zanaka malalan’ny Ray sy “hiaina ny fiainam-baovao” (Rôm 6, 4), ao amin’ny Zanaka : Milevena isika miaraka amin’i Kristy amin’ny Batemy, mba hitsangan-ko velona miaraka Aminy ; midina isika miaraka Aminy, mba hasandratra miaraka Aminy ; miakara isika miaraka Aminy, mba homem-boninahitra ao Aminy. Izay rehetra niseho tao amin’i Kristy dia mampahafantatra antsika fa aorian’ny fandroana amin’ny rano, midina eo ambonintsika ny Fanahy Masina avy any an-tampon’ny lanitra ary voatsangana ho zanaka amin’ny Feon’ny Ray isika, ka tonga zanak’Andriamanitra » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 537). Araka ny voalazan’ity fampianaran’ny Fiangonana ity dia mazava ary tsy misy isalasalana fa tenena zanak’Andriamanitra tokoa isika tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Batemy noraisintsika. Lehibe tokoa ny fitiavany ka na olombelona mpanota aza isika dia raisiny ho zanany rehefa manantona azy amim-pinoana. Miara-mivavaka ary isika androany mba tena hiaina marina tokoa ny maha zanak’Andriamanitra antsika ka hiditra ao amin’ny misterin’ny fibebahana sy ny fanetrena tena ambany dia ambany tahaka ny nataon’i Jesoa izay nanome ohatra velona hotahafintsika.

Vakiteny I : Iz. 42:1-4,6-7,
Vakiteny II : Asa. 10:34-38,
Evanjely : Mt. 3:13-17,


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1219