Alahady 28 Septambra 2014
Alahady Faha – 26 tsotra Mandavan-taona (Taona A)
« Andeha, anaka, miasa any amin’ny tanim-boaloboko anio » (Mt. 21, 28)
Mitohy hatrany ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay milaza ny fanoharana nataon’i Jesoa mahakasika ny fanjakan’ny lanitra. Tamin’ny Alahady heriny dia ny fanoharana mahakasika ilay lehilahy tompon-trano iray, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony no nambara tamintsika. Mbola fanoharana mahakasika fanirahana hiasa any amin’ny tanim-boaloboka hatrany no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho atsika amin’izao Alahady Faha – 26 tsotra Mandavan-taona izao. Ambaran’i Jesoa amin’ity fanoharana ity fa : « nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe : Andeha, anaka, miasa any amin’ny tanim-boaloboko anio. Tsy handeha aho, hoy izy ; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Handeha aho, tompoko, hoy io ; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy? Ny lahimatoa, hoy ireo » (Mt. 21, 28– 31).
Araka ny efa nambarantsika dia oharin’i Jesoa amin’ny tanim-boaloboka ny fanjakan’ny lanitra. Marina fa miresaka ny fanjakan’ny lanitra mboa ho avy izy, saingy tokony ho tsaroantsika mandrakariva fa ny tanim-boaloboka eto dia entina ihany koa hanoharana ny Fiangonana izay anirahana ny vita batemy rehetra mba hanao asa sy handray andraikitra araka izay tandrify ny tsirairay. Mazava ny fanontanian’i Jesoa eto manao hoe : Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy? Tsotra ihany koa ny valin-teny nomen’ireo izay nihaino azy nanao hoe : « Ny lahimatoa, hoy ireo ». Raha dinihina dia samy tsy nisy nanao ny sitra-pon’ny rainy izy roa lahy ireto satria ny iray voalohany tsy nanaiky aloha fa rehefa nandinika izy dia nanenina ka nandeha ihany. Ny faharoa kosa dia nanaiky kanefa tsy nandeha. Raha ny tokony ho izy dia izay nanaiky sy nandeha nanatanteraka ny niangaviana taminy no tena manaiky ka raha nanao izany ny iray tamin’izy roa lahy ireto dia izay no tena nanao ny sitra-pon’ny rainy.
Matoa anefa nataon’i Jesoa ity fanoharana ity dia manana fampianarana tiana hampitaina izy. Araka izany dia izao no navalin’i Jesoa an’ireo nihaino azy sy nilaza fa ilay lahimatoa no nanao ny sitrapon’ny rainy. « Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra ; fa tonga teo aminareo tamin’ny làlan’ny fahamarinana Jonasy, nefa hianareo tsy nino azy ; fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no nino azy ; ary hianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy ». Araka ity fanazavana nataon’i Jesoa ity dia mazava fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no nohariny tamin’ilay zanaka lahimatoa nirahin-drainy hiasa any amin’ny tanim-boaloboka saingy tsy nanaiky avy hatrany, kanefa rehefa tonga saina izy dia nanenina ka lasa nandeha ihany. Ireo vahoaka voafidy kosa no noharin’i Jesoa tamin’ilay zanaka faharoa. Mazoto mivavaka izy ireo ary milaza fa mino an’Andriamanitra kanefa tsy mitandrina ny didiny, izay ilay zanaka manaiky eo imason’ny rainy kanefa tsy nandeha niasa tany amin’ny tanim-boalobony akory.
Miantefa amintsika vita batemy rehetra ihany koa ity fanoharana nataon’i Jesoa ambaran’ny Evanjely androany ity. Isika no antsoin’Andriamanitra Ray hiasa any amin’ny tanim-boalobony ka nilazany hoe : « andeha, anaka, miasa any amin’ny tanim-boaloboko anio » (Mt. 21, 28). Samy manana ny valin-teny omeny ny tsirairay fa ny tena tsara dia ny manaiky avy hatrany ary mandeha tsy misy hatak’andro. Maro ny fomba ahafahantsika manantanteraka izany, eo aloha ny fahazotoana mivavaka sy mandray ny Sakramenta samihafa izay fomba mivantana amaliantsika ny antson’Andriamanitra miatefa amintsika amin’ny maha Kristianina antsika. Eo ihany koa ny fanaovana ny adidy isan-karazany, indrindra ny fandraisana andraikitra mivantana amin’ny asam-pamonjena iantsoan’ny Fiangonana antsika tsirairay avy. Farany moa dia anisan’ny fanekena ny antson’Andriamanitra Ray hiasa any amin’ny tanim-boalobony ihany koa ny fifankatiavana, fifanampiana ary fifampitsimbinana eo amintsika samy isika, koa raha tiantsika ny handova ny fanjakan’Andriamanitra dia ny famaliana sy fanekena ary fanatanterahana avy hatrany ny antsony no lalan-tokana mitondra antsika amin’izany.
Vakiteny I : Ez. 18, 25 – 28
Tononkira : Sal. 25, 4bc - 5. 6 – 7.8 – 9
Vakiteny II : Fi. 2, 1 – 11
Evanjely : Mt. 21, 28 – 32
Indraindray anefa dia tahaka ilay zanaka lahimatoa ihany isika, toa misalasala na mandà mihitsy aza izay antson’Andriamanitra izay ka mihalangalana tsy mandray andraikitra eo anivon’ny Fiangonana misy antsika. Misy fotoana aza toa kamokamo mivavaka na tsy mazoto mandray Sakramenta, indrindra moa ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Amin’ireny fotoana ireny indrindra isika no tsy maintsy tonga saina ary manenina ka tahaka ilay zanaka lahimato na dia tsy nanaiky aza tamin’ny voalohany dia nandeha ihany nanatanteraka ny fiangavian’ny rainy azy. Ny poblikàna sy ny vehivavy janga no olona heverin’ny Jody fa mpanota indrindra ary tsy tokony handova ny fanjakan’Andriamanitra, saingy maro tamin’izy ireny no nibebaka ka ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely ity fa « ny poblikàna sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra ». Izay miaiky fa mpanota ary mibebaka no handova ny fanjakan’Andriamanitra fa tsy izay mihevi-tena ho marina kanefa tsy manao akory ny asa anirahan’ny Ray azy. Ireny no tahaka ilay zanaka faharoa, nanaiky kanefa tsy nandeha akory tany amin’ny tanim-boaloboka izay nanirahan’ny rainy azy.
Maromaro ny fampianarana azontsika raisina amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity. Voalohany indrindra dia miantso antsika mandrakariva Andriamanitra ka tsy maintsy vonona ny hamaly izany antso izany isika. Raha sendra tratrin’ny fankam-panahy ka tsy nanaiky izany antso izany anefa isika dia tsy tokony ho kivy satria miandry antsika foana Izy ary mandray antsika rehefa mibebaka sy mitalaho ny famindram-pony isika. Ambaran’i Jesoa ihany koa fa « tonga teo aminareo tamin’ny làlan’ny fahamarinana Jonasy, nefa hianareo tsy nino azy ». Fantantsika moa fa i Jonasy dia Mpaminany ary ny tena nahalalana azy dia ny iraka nampanaovin’Andriamanitra azy nampibebaka ny mponina tao Niniva. Ny mpandraharaha masina rehetra ao amin’ny Fiangonana no Jonasy Mpaminany ankehitriny. Noho izany dia manana adidy izy ireo handeha amin’ny làlan’ny fahamarinana tahaka an’i Jonasy mba hinoan’ny olona rehetra fa tena irak’Andriamanitra tokoa izy ireo. Rehefa izany dia mana adidy ihany koa isika vita batemy rehetra hino izay ambaran’izy ireo satria ny Teny avy amin’Andriamanitra no torin’izy ireo fa tsy teny avy amin’ny tenany na avy amin’olombelona tsy akory.
Miara-mivavaka ary isika androany hoan’ny Papa, ny Eveka sy ny Pretra ary ireo mpanao raharaha masina rehetra mba handeha amin’ny làlan’ny fahamarinana tokoa izy ireo hahafahan’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra mino sy manaiky ny Tenin’Andriamanitra torin’izy ireo. Mivavaka ihany koa isika ho antsika tsirairay avy mba hahafahantsika mamaly ny antson’Andriamanitra izay miatefa amintsika. Amin’izay isika dia tsy hisalasala hanao ny asa anirahany satria miteny amintsika isan’andro izy manao hoe : « Andeha, anaka, miasa any amin’ny tanim-boaloboko anio » (Mt. 21, 28). Ny fanaovantsika izany no hahafahantsika mandray amim-pinoana ny teny voalazan’i Ezekiela Mpaminany ao amin’ny Vakiteny Voalohany androany izay milaza fa : « Hianareo manao hoe : Tsy marina ny làlan’ny Tompo! Mihainoa àry, ry taranak’Israely : Moa ny làlako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny làlanareo va no tsy mahitsy? Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany. Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy. Raha sokafany ny masony, ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty » (Ez. 18, 25 – 28).
P. Louis Martin
Assomptionniste