Avia hianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo

Alahady 23 novambra 2014

Fankalazana an’i Kristy Mpanjaka (Taona A)

« Avia hianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao » (Mt. 25, 34)

Androany no Alahady farany amin’ny taona Litorjika izay ankalazantsika indrindra an’i Kristy Mpanjaka. Mazava ho azy fa ny Evanjely iresahan’i Jesoa mahakasika ny maha Mpanjaka azy no aroson’ny Fiangonana ho anatsika amin’izao fety lehibe izao. Ambaran’i Jesoa amintsika ary fa « rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny izy ; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy ; ny ondry moa hataony eo an-kavanany ; ary ny osy kosa eo an-kaviany » (Mt. 25, 31 – 33). Raha tadidintsika tsara dia efa naroson’ny Fiangonana ho antsika ity Evanjely ity tamin’ny Alahady 02 Novambra 2014 izay nankalazana tamin’ny fomba manokana ny Fahatsiarovana ny maty rehetra. Nambarantsika tamin’izay fa tena misy tokoa ny Lanitra ka ireo izay niaina araka ny didim-pitiavana no afaka handova ny fiainana mandrakizay any an-danitra ka hilazan’i Jesoa hoe : « Avia hianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao » (Mt. 25, 34). Manaraka izany dia ambaran’i Jesoa mazava tsara fa izay manao ratsy kosa « dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay » (Mt. 25, 46). Ny tena hevi-dehibe nifampizarantsika tamin’io Alahady 02 Novambra 2014 io moa dia mahakasika ny finoantsika fa tsy mifarana hatreo amin’ny fahafatesana ny fiainana fa mbola mitohy mandrankizay any an-danitra, izany no nahatsiarovana manokana ireo havana rehetra efa nodimandry ary nivavahana ho azy ireo mba hahafahan’izy ireo miditra any amin’ny hasambarana mandrakizay ka ho afaka handova ny fanjakana izay voavoatra ho azy ireo hatrizay nahariana izao tontolo izao.

Vakiteny I : Ez. 34, 11 – 12. 15 – 17

Tononkira : Sal. 23, 1 – 2a. 2b – 3. 5. 6

Vakiteny II : 1 Kor. 15, 20 – 26. 28

Evanjely : Mt. 25, 31 – 46

Androany kosa rehefa miverina mamaky indray ity Evanjely ity isika dia ny maha Mpanjaka an’i Jesoa izay ankalazaina manokana amin’izao Alahady famaranana ny taona Litorjika izao no hifampizarantsika eto. Araka ny voalaza amin’ity Evanjely androany ity dia ny tenany mihitsy no tian’i Jesoa hambara fa Mpanjaka satria izy no Zanak’olona ho avy amim-boninahitra ka hotronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny. Tsy Mpanjaka manam-pahefana sy mandidy tahaka ny mpanjaka araka ny fihevitr’olombelona anefa izy, fa Mpanjaka manetry tena ka rehefa hitsara ny olona rehetra dia ireo niaina ny fanetren-tena sy ny fitava-namana tahaka azy, no havahany manokana ka horaisiny hiara-mandova aminy ny fanjakan’ny lanitra. « Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo an-kavanany hoe : Avia hianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo. Ary dia hamaly azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroinao? Oviana no hitanay nivahiny hianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafinay? Oviana no hitanay narary hianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko » (Mt. 25, 34 – 40).

Tena Mpanjaka tokoa i Jesoa, mazava ny voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mahakasika izany, izay mampianatra antsika fa « i Jesoa-Kristy no Ilay nohosoran’ny Ray tamin’ny Fanahy Masina sy nataony ho “Mpisorona, Mpaminany ary Mpanjaka”.  Mandray anjara amin’ ireo raharaha telo an’i Kristy ireo, ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo, ary mizaka ny fiandraiketana ny fanirahana sy ny fanompoana avy amin’ izany » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 783). Araka izany, rahefa miditra ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana sy ny Batemy isika, dia mandray anjara amin’ny fiantsoana tokan’io Vahoaka io : amin’ny fiantsoana azy ho mpisorona sy mpaminany ary mpanjaka. Amin’ny fiantsona manokana antsika ho mpanjaka dia ambaran’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika fa « mandray anjara amin’ny asa maha-mpanjaka an’i Kristy, ny Vahoakan’Andriamanitra. Mampiasa ny fiandrianana maha-mpanjaka Azy i Kristy amin’ny fanintonana ny olona rehetra ho ao Aminy amin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona. I Kristy, Mpanjaka sy Tompon’ izao tontolon’ny zava-drehetra izao, dia nanolo-tena ho mpanompon’ny rehetra, “tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt 20, 28). Ho an’ny kristianina, “ny hoe manjaka, dia ny manompo Azy”, indrindra “amin’ny mahantra sy ny mijaly, izay ao amin’izy ireo no ahitan’ny Fiangonana ny endrik’ilay Mpanorina azy mahantra sy mijaly”. Manatanteraka ny “fahamboniana maha-mpanjaka” azy ny Vahoakan’Andriamanitra, amin’ny fiainana izany fiantsoana hanompo miaraka amin’i Kristy izany » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 786).

Araka io voalazan’i Katesizin’ny Fiangonana Katolika io dia asaina tokoa isika vita Batemy rehetra mba haka tahaka an’i Jesoa Kristy nohosoran’ny Ray tamin’ny Fanahy Masina sy nataony ho “Mpisorona, Mpaminany ary Mpanjaka”. Amin’izao fety lehibe androany izao ary dia manasa antsika i Jesoa hanao tahaka ny nataony ka hifanasoa sy ho tia ny olona rehetra, indrindra ireo rahalahiny kely indrindra ireo ka rehefa noana izy ireo dia omentsika hanina, mangetaheta, omentsika hosotroina; mivahiny, ampiantranointsika; tsy mitafy, omentsika fitafiana; marary, vangiana sy karakaraintsika, any an-tranomaizina, tsidihina sy ankaherezintsika. Raha manao izany isika dia hamaly antsika i Jesoa Kristy Mpanjaka ka hanao hoe : « Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko » (Mt. 25, 40). Tsy mora ny manatanteraka izany ka hangataka ny fahasoavan’Andriamanitra mandrakariva isika mba hahafahantsika hovonona mandrakariva hanao soa ny namana amin’ny lafiny rehetra. Tsy voatery ho ireo zavatra ambaran’i Jesoa amin’ny Evanjely ireo ihany no azontsika atao hanasoavana ny hafa fa maro karazana ny asa soa azo tanterahina ka anjaran’ny tsirairay no miezaka amin’izany. Enga anie izao fankalazana an’i Kristy Mpanjaka izao hanampy antsika handini-tena satria hoy indrindra i Jesoa amin’ny famaranana ity Evanjely androany ity manao hoe : « Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto hianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa. Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay » (Mt. 25, 46).

P. Louis Martin
Assomptionniste

(c) Sary: Riri Berthin

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0663