Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona

Alahady 10 novambra 2013
Alahady Faha – 32 tsotra Mandavan-taona

Tsy ho ela intsony isika dia hamarana ny taona litorjika, ny Alahady Faha – 32 tsotra Mandavan-taona no ankalazaina androany, midika izany fa Alahady roa sisa dia mifarana tanteraka ity taona litorjika ity ary dia hiditra taona vaovao indray aorian’ny Alahady Faha – 34 izay hankalazana ny Fetin’ny Kristy Mpanjaka. Araka izany dia mifanaraka amin’izao famaram-paranana ny taona litorjiaka izao ny hevi-dehibe ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady anio ity, izay manazava indrindra mahakasika ny fitsanganan’ny maty. Araka ny voalazan’ity Evanjely ity tokoa dia io fanontaniana mahakasika ny fitsanganan’ny maty io no nohazavain’i Jesoa tamin’ny sasany tamin’ny Sadoseana izay mandà ny fitsanganan’ny maty. « Dia nanatona koa ny sasany tamin’ny Sadoseana izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany azy hoe: Ry Mpampianatra ô, Moizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, fa maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty ? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito lahy ? » (Lk. 20: 27 – 33).

Tsy azo lavina fa maro tokoa no mametraka fanontaniana mahakasika ny tena zavatra miseho marina aorian’ny fahafatesana. Eny fa na isika Kristianina ihany koa aza dia mangetaheta hahafantatra ny tena zava-misy marina aorian’ny fialana eto ambonin’ny tany. Mazava ho azy noho izany fa tsy ny Sadoseana izay mandà ny fitsanganan’ny maty ihany no mangetaheta ny valin-tenin’i Jesoa mahakasika izany fitsanganan’ny maty izany fa isika rehetra ihany koa. Araka ny voalazan’ny Evanjely androany ary: « Dia hoy Jesoa taminy: Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina ; fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganana amin’ny maty kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty » (Lk. 20: 34 – 36). Mazava araka io voalazan’i Jesoa io fa zavatra marina ary tena misy ny Lanitra. Araka io fanazava nomeny ny Sadoseana io dia tsy isalasalana fa tena misy tokoa ny fitsanganan’ny maty satria lasa miova endrika tahaka ny anjely isika rehefa tonga any an-danitra ary tsy mety maty intsony fa velona mandrankizay.

Manaraka izany, rehefa manao ny vavaka Fiekem-pinoana isika dia milaza mazava manao hoe: « Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana, Zanaka lahitokan’Andriamanitra, nateraky ny Ray talohan’ny taona rehetra, Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, Fahazavana avy amin’ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina,  nateraka Izy fa tsy natao, Iray fomba amin’ny Ray, ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra. » Jesoa izany, araka ny voalaza amin’io Fiekem-pinoana io, dia Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina, Izy no nahariana ny zavatra rehetra satria amin’ny maha Andriamanitra azy dia efa nisy talohan’ny taona rehetra Izy. Noho izany dia fantany tsara ny zava-misy rehetra any an-danitra; koa raha misy manontany hoe : inona marina no zava-misy aorian’ny fahafatesana, dia tsy misy afa-tsy i Jesoa irery ihany no afaka hanome valin-teny marina satria izy irery ihany no nidina avy any an-danitra ary niara-nonina tamintsika. Izany indrindra no anamafisany fa : « raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran’i Moizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaaka ary Andriamanitr’i Jakoba. Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona » (Lk. 20: 37 – 38).

Mazava dia mazava io fanambarana nataon’i Jesoa io rehefa nilaza izy fa « velona eo anatrehany izy rehetra ireo ». Ny tiany hambara eto dia hoe velona eo anatrehan’Andrimanitra i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, Izy Tompo mihitsy no vavolom-belona nahita maso izany ka manambara amintsika fa tena velona eo anatrehan’Andriamanitra tokoa ireo Razam-ben’ny Finoana ireo sy ireo olana maro hafa ihany koa izay voalazan’i Jesoa fa : « efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganana amin’ny maty » (Lk. 20: 35). Eto ary dia azontsika ambara tsy misy fisalasalana fa tena misy tokoa ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy angano foranina na resa-be tiana hatao fotsiny izany fa tena zava-misy marina tokoa satria i Jesoa « Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina » mihitsy no manazava amintsika mahakasika izany. Azo heverina fa mety resy lahatra noho io fampianarana nataon’i Jesoa io ireo Sadoseana izay mandà ny fitsanganan’ny maty ireo. Tsy voalazan’ity Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity moa ny tohin’ny resaka nifanaovan’izy ireo fa isika kosa dia afaka milaza amim-pinoana tanteraka fa tena misy tokoa ny fitsanganan’ny maty satria i Jesoa izay nifidy antsika sy nandray antsika tamin’ny Batemy no efa nanambara izany tamin’io fampianarana nataony io.

Fampianarana lehibe no nomen’i Jesoa ireo Sadoseana izay mandà ny fitsanganan’ny maty. Tsy ho azy ireo ihany anefa no nanaovany io fampianarana io fa ho antsika ihany koa. Mino isika fa misy ny fitsanganan’ny maty, izany rahateo no voalaza ao amin’ny Fiekem-pinoana ataontsika manao hoe: « Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty, sy ny fiainan-ko avy. » Mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra ary isika mba hihamafy hantrany izany finoantsika izany ka tsy hatahotra na hihorohoro isika eo ampiheverana ny fahafatesana fa hatoky mandrankariva ny fampianaran’i Jesoa izay mampahafantatra antsika ny hasambarana miandry antsika aorian’ny fialantsika amin’ity tany fandalovana ity. Mila fiomanana anefa izany fa tsy mandeha ho azy, ka ny fahazontoantsika mivavaka sy mandray ireo Sakramenta omen’ny Fiangonana no fanomanana tsara indrindra hahazoana izany hasambarana izany ka hahatonga antsika indray andro any, « tsy mety maty intsony, fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty », araka ny nampianarin’i Jesoa antsika tamin’ny alalan’ity Evanjely androany ity.



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0874