Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany aho, ka akory ity faniriako mba hirehetan’izany sahady!

Alahady 18 aogositra 2013
Alahady Faha – 20 tsotra Mandavan-taona

 

Voalaza fa ny fanjakan’i Jesoa dia fanjakan’ny fitiavana sy fiadanana lavorary. Izy rahateo no antsoina hoe Mpanjakan’ny Fiadananana satria ny hitondra fiadanana sy filaminana no nanirahan’ny Ray azy ho tonga nofo ary niara-nonina tamintsika olombelona. Raha ny volazan’i Jesoa amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity anefa no jerena dia ny mifanohitra amin’izany no ambarany. Hoy izy hoe: « Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany aho, ka akory ity faniriako mba hirehetan’izany sahady!  » (Lk. 12: 49). Tsy vitan’izany ihany fa mbola nampiany hoe: « Ary manana batemy hanaovana batemy ahy koa aho, ka ory manao ahoana aho ambara-pahatanterak’izany! Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany aho? Tsia, hoy izaho aminareo, fa fampisarahana aza. Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao andaniny, ka hifanohitra ny telo ami’ny roa, ary ny roa amin’ny telo; ny ray amin’ny zanany lahy, ary zanakalahy amin’ny rainy; ny reny amin’ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny; ny rafozambavy amin’ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy » (Lk. 12: 50 – 53). Toa mampitebiteby sy mampatahotra izany tenin’i Jesoa izany ary mahatonga antsika hanontany hoe : fa inona no tena tian’i Jesoa hambara fa toa mifanohitra amin’ny antony nahatongavany teto an-tany no ambarany ?

Fantatr’i Jesoa fa ny fahafatesana no lalana tsimaintsy handalovany, izay no nilazany fa « manana batemy hanaovana batemy ahy koa aho, ka ory manao ahoana aho ambara-pahatanterak’izany! » (Lk. 12: 50). Mazava araka izany fa ny fijaliana sy ny fahafatesana no lalana tsimaintsy hizorany hahafahany mitondra ny famonjena ho antsika olombelona mpanota. Tiany hanara-dia azy isika ka izay no ilazany fa tsy tonga hitondra fihavanana ety an-tany izy. Marina tokoa fa tsy mora io manara-dia an’i Jesoa io, matetika toa lasa miteraka fifanoherana eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tokoa ny maha kristianina antsika satria tsy manaraka izay fomba fanaon’ny olona. Eny fa na dia ny iray trano aza dia mety hinkorotana rehefa tena miaina ny maha kristianina marina isika. Impiry tokoa moa isika no mahazo fanankianana sy tondro molotra rehefa mijoro amin’ny maha kristianina marina. Jereo fa raha mba mampahatsiaro ny iray trano ianao ka mitaona azy ireo hivavaka dia tsimaintsy misy foana ny haneso anao. Tahaka izany raha mba miezaka hanao ny fahamarinana eo anivon’ny fiarahamonina ianao ka mitaona ny olona hanao izany dia eso sy latsa no setrin’izany. Io fanenjehana tsimaintsy hiaretantsika rehefa manaraka ny fampianaran’i Jesoa io no mahatonga azy hiteny hoe: « Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany aho? Tsia, hoy izaho aminareo, fa fampisarahana aza » (Lk. 12: 51). Raha tiantsika tokoa ny hanara-dia marina an’i Jesoa dia tsimaintsy manao safidy isika na hanatanteraka ny sitrapony na hanaraka izay fomba amam-panaon’ny fiarahamonina misy antsika izay mazana tsy mifanaraka amin’izay lalana iantsoan’i Jesoa antsika izay.

Hitantsika araka izany fa tsy mifanohitra amin’ny antony nahatongavany hamonjy antsika ny filazan’i Jesoa fa tsy tonga hitondra fihavanana izy fa fisarahana. Tsy tonga hampifandrafy ny olona izy, izany hoe tsy tonga hampiady sy hampisara-bazana fa tonga hitondra fiainam-baovao izay mahatonga antsika tsimaintsy hiala amin’ny fanaon’izao tontolo izao ka hanara-dia azy amin’ny lalana tena izy. Tonga hampihavana antsika samy isika izy ary izay no nilazany fa : « raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao hianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dàlana hianareo, fandrao tongany any amin’ny mpitsara hianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao hianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra » (Lk. 12: 58 – 59). Hitantsika amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity ary fa na eo aza ny filazan’i Jesoa fa tsy tonga hitondra fihavanana ety an-tany izy dia ambarany mazava tsara fa tsimaintsy vonona hifamela heloka sy hihavana amin’ny namana isika. Io ilay toetra tsimaintsy mampiavaka antsika amin’ny fomban’izao tontolo izao ka mahatonga antsika ho halan’ny olona.

Tena zava-dehibe tokoa io fahaizana mamela heloka izay anasan’i Jesoa antsika io. Tsy mora anefa izany satria ny mahazatra dia ny hifampitarika sy hifampitory any amin’ny fitsarana. Izay no fahita matetika eny amin’ny fiarahamonina misy antsika eny. Na dia zavatra kely tsy manao ahoana aza dia ifampitoriana eny amin’ny fitsarana. Manainga antsika ary Jesoa androany mba handini-tena. Fampianarana ho antsika vita batemy no ambarany ka anasany antsika mba hahay hifamela heloka. Noho izany dia manasa antsika izy mba hifanantona sy hifampiresaka mandrankariva raha misy ny zavatra ifandirana na tsy ifanarahana. Io fifampiresahana sy fifanantonana ary fifamelan-keloka io no tena zava-dehibe fa tsy ny fifampitoriana eny amin’ny fitsarana akory. Tokony ho ohatra velona halain’ny olona tahaka isika ka raha sendra misy izay tsy fifanarahana eo anivon’ny fiarahamonina izay dia tokony isika no hanao ezaka voalohany indrindra amin’ny fifanantonana sy fifamelan-keloka fa tsy maika hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Raha ny tokony ho izy dia ny hisian’ny filaminana sy hahafantarana ny tena marina no andraikitry ny fitsarana, saingy matetika dia lasa famoretana sy fanararaotana ny madinika no hita ka izay no mahatonga an’i Jesoa hamporisika antsika hahay hihavana sy hifamela heloka izay fototry ny fiadanana marina ary lalana mitondra antsika any amin’ny famonjena. Miara-mivavaka ary isika androany mba hahay hifamela heloka ka hijoro ho vavolombelon’i Jesoa marina tokoa eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika.

 

Vakiteny I : Jer. 38:4-6,8-10,
Tononkira : Sal. 40:2,3,4,18,
Vakiteny II : Heb. 12:1-4,
Evanjely : Lk. 12:49-53,


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0268