Ny fanoharana nataon’i Jesoa mitantara ireo olona roa lahy niakatra hivavaka tany an-tempoly no nambara tamintsika tamin’ny Alahady heriny. Voalaza tamin’io fanoharana io fa Farisiana ny iray ary poblikàna ny anankiray. Nambaran’i Jesoa fa ilay poblikàna no nidina efa nohamarinina tany an-tranony satria nivavaka tamin’ny fony tokoa izy ary tao anatin’ny fanetren-tena no nanaovany izany. Raha tsorina dia tsy ilay Farisiana no nomen’i Jesoa rariny fa ilay poblikàna. Matetika tokoa no ahitana an’i Jesoa miandany amin’ny poblikàna, miaraka amin’izy ireo ary tena miditra any an-tranon’izy ireo sy miara-misakafo amin’izy ireo aza. Vao mahita izany anefa ny Farisiana dia tsy faly ary mimonomonona satria ho azy ireo dia olona tsy tokony hifandraisana ny poblikàna fa olona manana laza ratsy ho mpanota noho ny fiheverana azy ireo ho mpangalatra sy mpanararaotra ny hafa. Io fiantranoan’i Jesoa ao amin’ny poblikàna io indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika anio Alahady 03 novambra 2013, izay ankalazantsika ny Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona. Araka izany dia tsy fanoharana mahakasika ny poblikàna intsony, tahaka ny tamin’ny Alahady heriny, no ambaran’ny Evanjely androany fa tena zava-nisy marina tokoa izay mitantara ny fifandraisana am-po nisy teo amin’i Jesoa sy ireo poblikàna ireo.
Alahady Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Vakiteny I : Fah. 11:22-26,12:1,
Tononkira : Sal. 145:1-2,8-9,10-11,13,14,
Vakiteny II : 2. Tes 1:11-12,2:1-2,
Evanjely : Lk. 19:1-10,
|
Ambaran’ny Evanjely izay aroso antsika androany ary fa « nony niditra tao Jerikao Jesoa, dia namaky ny tanàna. Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe Zake, lehiben’ny poblikàna sady mpanan-karena, nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona satria fohy izy. Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana azy, fa eo no handalovany. Nony mby teo Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: Ry Zake, midìna haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao aho anio. Dia nidina haingana izy ka nandray azy tamin-kafaliana. Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota izy » (Lk. 19 : 1 – 7). Hita taratra amin’ity Evanjely ity fa tena mifanohitra tanteraka amin’ny fihevitry ny olona ny fihevitry Jesoa mahakasika ny poblikàna. Ho an’ny olona dia mpanota no fiheverana ny poblikàna fa hoan’i Jesoa kosa dia tahaka ny olona mila famonjena rehetra izy ireo ka tsy nisalasala izy niantrano tao amin’izy ireo.
Fa maninona tokoa moa no heverina fa mpanota ny poblikàna? Araka izay maha poblikàna izay dia mpiandraikitra ny raharaha « poblika » izy ireo, izany hoe mpikarakara ny raharaham-bahoaka indrindra ny famorian-ketra. Raha tsorina dia mpiasam-panjakana izy ireo ka matetika atahorana ary ilefana mihintsy aza. Mpanan-karena ihany koa ny poblikàna, saingy matetika dia heverin’ny olona fa noho ny kolikoly sy fanararaotam-pahefana no ahazoan’izy ireo izany harena izany. Araka izany dia malaza ho ratsy fitondran-tena ireo poblikàna ireo satria ho an’ny olona dia mpangalatra, mpijangajanga, fetsifetsy ary mpampihorohoro izy ireo. Amin’ny ankapobeny dia saika hita amin’izy ireo ny karazana toetra ratsy fahita eny anivon’ny fiarahamonina eny ka izay no antony tsy idiran’ny olona any an-tranon’izy ireo. Noho izany dia ireo samy poblikàna no mifampiditra an-trano sy mifanasa hiara-misakafo ary rehefa tafahaona tahaka izany izy ireo dia miafara amandrakariva amin’ny fimamoana sy fihinanam-be. Sokajiana ho anisan’ny tsy mpivavaka ihany koa izy ireo ary raha sendra mivavaka ao an-tempoly dia tsy mahasahy mandroso fa mijanona eny lavidavitra eny tahaka ilay poblikàna voalazan’ny fanoharana nataon’i Jesoa izay nohenointsika tamin’ny Alahady heriny.
Manoloana izany rehetra izany dia noheverin’ireo mpivavaka Jody fa anisan’ny olona tsy tokony hifandraisana ireo poblikàna ireo satria mpanota. Izay no antony nahatonga ny olona himonomonona rehefa nahita an’i Jesoa nifandray amin’izy ireo. Ny Farisiana moa dia tsy nihambahamba nanameloka an’i Jesoa rehefa mahita azy mifandray amin’ny poblikàna. Hitantsika izany tamin’ny niantsoan’i Jesoa an’i Levì na Matio satria araka ny voalazan’ny Evanjely « dia nandeha izy ka nahita poblikàna anankiray atao hoe Levì nipetraka teo amim-pamorian-ketra, ary hoy izy taminy: Manaraha ahy. Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka azy izy. Nanao fanasana lehibe ho azy tao an-tranony Levì, ary nisy poblikàna sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy teo. Nimonjomonjo ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin’ny mpianany hoe: Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny poblikàna sy ny mpanota hianareo? Fa novalian’i Jeso hoe: Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota hibebaka » (Lk. 5 : 27 – 32). Io fibebahana io tokoa no nataon’i Zake, poblikàna, rehefa niantrano tao aminy i Jesoa araka ny voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Fa Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe: Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy. Dia hoy Jesoa taminy: Tonga amin’ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa ity lehilahy ity, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona » (Lk. 19 : 8 – 10).
Mazava ny voalazan’i Jesoa eto « fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona » (Lk. 19 : 10). Noho izany dia manasa antsika ihany koa izy hanantona azy amim-panetren-tena sy fitokisana satria na mpanota aza isika dia mamela ny heloka vitantsika izy rehefa mibebaka aminy isika. Azo lazaina fa maro ny fampianarana azo raisina avy amin’ity Evanjely androany ity ka samy mandray ny tandrify azy ny tsirairay. Hoa an’ny mpanao raharaha masina rehetra, tahaka ny nataon’i Jesoa, dia manana adidy isika handray ny olona rehetra tsy misy avakavaka indrindra ireo hevein’ny fiarahamonina ho mpanota sy olona tsy mendrika. Manaraka izany dia samy mpanota daholo isika rehetra ka mila ny famelan-keloka avy amin’i Jesoa, koa tahaka ny nataon’i Zake dia tsimiantsy mietry tena ihany koa isika ary mangataka izay famelan-keloka izay amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Tsy ampy anefa ny mangataka ny famelan-keloka sy mandray an’i Jesoa fa tsimaintsy miezaka ihany koa isika hanao asa fanonerana izay tsy mety nataontsika. Ho an’i Zake dia mazava ny azy ny asa fanonerana nataony satria hoy izy tamin’i Jesoa hoe : « indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy » (Lk. 19 : 8).
Hangataka ny fahasoavan’Andriamanitra ary isika androany mba hanana fahavononana tokoa hanantona an’i Jesoa amim-panetren-tena sy finoana lalina ka hangataka aminy ny famelan-keloka. Raha ny marina dia izy no efa niantso antsika mialoha hanantona azy tahaka ny niantsony an’i Zake manao hoe : « Ry Zake, midìna haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao aho anio » (Lk. 19 : 5). Noho izany dia tsy tokony hisalasala isika hamaly ny antsony sy hampiantranao azy ao am-pontsika, amin’izay dia isika ihany koa no hilazany hoe : « Tonga amin’ity trano ity androany ny famonjena » (Lk. 19 : 9). Enga anie izay famonjena entin’i Jesoa izay no hanenika ny fianantsika manontolo isaky ny mandray azy isika amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka indrindra amin’ny fahazotona mihaino ny Teniny sy mandray ny Vatany Masina rehefa mivavaka Alahady na mamonjy Lamesa isika.
P. Louis Martin
Assomptionniste