Alahady 04 aogositra 2013
Alahady Faha – 18 tsotra Mandavan-taona
Matetika dia mifanohitra amin’ny fihevi-tsika olombelona ny fihevitr’Andriamanitra. Izay no mahatonga an’i Jesoa hampianatra mandrankariva ny tokony hatao hahazoana ny Fiainana Mandrakizay. Io fifanoherena misy eo amin’ny fihevitr’olombelona sy fihevitr’Andriamanitra io dia hita taratra amin’ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity raha oharina amin’ny Evanjely izay naroso antsika tamin’ny Alahady heriny. Raha tsiahivina dia ny vavaka nampianarin’i Jesoa ny mpianatra no voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny, nilazan’i Jesoa fa raha mivavaka hianareo dia manaova hoe: « Ray ô, omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro » (Lk. 11: 3). Ary rehefa izany dia hoy izy hoe : « Koa raha hianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zavatsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy? » (Lk. 11: 13). Midika izany fa mitsimbina antsika mandrakariva Andriamanitra saingy isika olombelona no minia tsy mahalala io fitiavan’Andriamanitra io, izay raisintsika avy amin’ny alalan’i Jesoa Andriamanitra zanaka miara-monina amintsika isan’andro. Izay tsy fahatsapana ny fiahian’Andriamanitra antsika olombelona izay indrindra no ambaran’ny Evanjely anio Alahady Faha – 18 tsotra Mandavan-taona ka ananaran’i Jesoa antsika mba tsy ho variana amin’ny harena eto an-tany izay tsy maharitra fa mandalo ihany.
Tena mifanohitra amin’ny hevitr’Andriamanitra tokoa raha ny fihevitr’olombelona satria raha ny hamonjy antsika olombelona no hevitr’Andriamanitra naniraka ny zanany ho tonga ety ambonin’ny tany dia ny mifanohitra amin’izany no nandraisantsika olombelona azy. Hita izany tamin’ny fihetsik’ireo olona niara-nonina tamin’i Jesoa. Voalaza amin’ity Evanjely aroso antsika androny ity mantsy fa : « tamin’izay dia nisy anankiray tao amin’ny vahoaka nanao taminy hoe: ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko » (Lk. 12: 13). Mety gaga sy talanjona i Jesoa nandre izany satria azo heverina fa fangatahana tsy nampoiziny ary tsy neritreretiny akory no natao taminy. Izany no nahatonga azy hamaly ity lehilahy ity manao hoe : « Ralehilahy ô, iza moa no nanendry ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo? » (Lk. 12: 14). Tena marina ny voalazan’i Jesoa satria tsy ny hitsara sy hizara lova no nanendren’Andriamanitra azy fa ny hitory ny Vaovao Mahafaly.
Tsapan’i Jesoa fa tsy fantatr’ireo olona nihaino azy ny tena nahatongavany. Izany indrindra no nahatonga azy hampianatra azy ireo mba hifinkitra amin’Andriamanitra fa tsy ho variana amin’ny fiahiana ny harena mandalo eto an-tany. Noho izany dia nampitandrina ny olona izy ka niteny tamin’ireo izay nihaino azy nanao hoe : « Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana hianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany » (Lk. 12: 15). Ho entiny manazava io tenininy io dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Jesoa ka nanao hoe: « Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity? Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro hianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be. Fa hoy kosa Andriamanitra taminy : Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorinao? » (Lk. 12: 16 – 20).
Mazava io fanoharana nataon’i Jesoa io ka tokony hampandinika sy hampieritreritra lalina antsika. Ny namaranany izany fanoharana izany moa dia ny filazany mazava tsara fa : « toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra » (Lk. 12: 21). Fampianarana lehibe ho antsika tokoa ity fanoharana nataon’i Jesoa ity. Aoka anefa isika tsy ho diso hevitra ka hilaza fa ratsy ny manam-bola aman-karena. Ny hananantsika izay ilaintsika isan’andro no fanirian’i Jesoa; noho izany dia ilaina tokoa ny manana ny ampy hiatrehana izay fiainana andavan’andro izay, na sakafo izany, na fitafiana na vola saingy mazava ny tian’i Jesoa hambara fa fitaovana ilaintsika fotsiny ihany ireny fa tsy tokony hifinkirana. Natao hanampiana ny hafa ihany koa ireny vola aman-karena ireny fa tsy natao ho an’ny tena ihany. Mazava ho azy fa ny tena tanjona amin’ny fanana vola aman-karena dia natao indrindra hiderana an’Andriamanitra fa tsy hoe rehefa manam-bola be ianao dia hadino ilay Andriamanitra nahary anao sy nanome anao izay rehetra ilainao amin’ny fiainana anadavan’andro. Izay no mahatonga an’i Jesoa hampianatra ireo olona nihaino azy mba tsy hanangon-karena ho an’ny tenany ihany fa mba hihary eo amin’Andriamanitra.
Zava-poana tokoa izay rehetra ataontsika raha tsy eo amin’Andriamanitra satria izy no mpandahatra ny zavatra rehetra, izy no tompon’ny aina ka na manan-karem-be toa inona aza isika dia zava-poana izany eo anatrehany raha tsy miankina amininy isika. Izany indrindra no voalazan’ny Vakiteny Voalohany izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe: « Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra » (Mpit. 1: 2). Dia hoy hatrany ny Mpitoriteny hoe : « Inona tokoa moa, no azon’ny olona, amin’ny asany rehetra, sy amin’ny ahiahim-pony rehetra, izay nanasatra azy taty ambany masoandro? Fa ny androny fahoriana avokoa, ny raharahany, fahasorisorenana fotsiny. Ny alina avy no tsy itsaharan’ny fony: Zava-poana ihany koa izany » (Mpit. 2: 22 – 23). Noho izany dia hoy Md Paoly amin’ny Vakiteny aroso antsika androany ihany manao hoe : « Koa raha niara-nitsangana tamin’ny Kristy hianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’ny Kristy eo an-kavanan’Andriamanitra, no katsaho; ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany » (Kol. 3: 1 – 2). Miara-mivavaka ary isika androany mba tena hifinkitra amin’Andriamanitra marina tokoa ka izay rehetra ananantsika indrindra ny fivelomantsika isan’andro dia hatolontsika hanomezam-boninahitra Azy Tompo Andriamanitra, ary ho entintsika ihany koa manompo ny namana, indrindra ny mahantra tsy misy mpiahy.
P. Louis Martin
Assomptionniste